< 1 Tantara 7 >

1 Ary ny zanakalahin’ Isakara dia Tola sy Poa sy Jasoba ary Simrona; efatra izy.
Of the sons of Issachar: Tola, and Puah, Jashub, and Shimron, four.
2 Ary ny zanakalahin’ i Tola dia Ozy sy Refaia sy Jeriela sy Jamay sy Jibsama ary Samoela, samy lohan’ ny fianakaviany avy, dia zanak’ i Tola sady samy lehilahy mahery tamin’ ny fokony avy ireo; enin-jato amby roa arivo sy roa alina no isany tamin’ ny andron’ i Davida.
The sons of Tola: Uzzi, and Rephaiah, and Jeriel, and Jahmai, and Ibsam, and Shemuel, heads of their fathers' houses of Tola; mighty men of valor in their generations: their number in the days of David was twenty-two thousand six hundred.
3 Ary ny zanakalahin’ i Ozy dia Jizrahia. Ary ny zanakalahin’ i Jizrahia dia Mikaela sy Obadia sy Joela ary Jisia; dimy izy; loholona avokoa izy rehetra ireo.
The sons of Uzzi: Izrahiah. The sons of Izrahiah: Michael, and Obadiah, and Joel, and Isshiah. All five of them leaders.
4 Ary nanana miaramila antokotokony izy araka ny fireneny sy ny fianakaviany avy, dia enina arivo amby telo alina; fa maro ny vady aman-janak’ ireo.
With them, by their generations, after their fathers' houses, were bands of the army for war, thirty-six thousand; for they had many wives and sons.
5 Ary ny rahalahiny ao amin’ ny fokon’ ny Isakara rehetra, izay samy lehilahy mahery, ny isan’ izy rehetra araka ny firazanany avy dia fito arivo amby valo alina.
Their brothers among all the families of Issachar, mighty men of valor, reckoned in all by genealogy, were eighty-seven thousand.
6 Ny zanakalahin’ i Benjamina dia Bela sa Bakera ary Jediaela; telo izy.
The sons of Benjamin: Bela, and Beker, and Jediael, three.
7 Ary ny zanakalahin’ i Bela dia Ezbona sy Ozy sy Oziela sy Jerimota ary Iry; dimy izy, ary samy lohan’ ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery avokoa; ary ny Isany araka ny firazanany dia efatra amby telo-polo amby roa arivo sy roa alina.
The sons of Bela: Ezbon, and Uzzi, and Uzziel, and Jerimoth, and Iri, five; heads of ancestral houses, mighty men of valor; and they were reckoned by genealogy twenty-two thousand thirty-four.
8 Ary ny zanakalahin’ i Bakera dia Zemira sy Joasy sy Eliezera sy Elioenay sy Omry sy Jerimota sy Abia sy Anatota ary Alameta. Ireo rehetra ireo no zanakalahin’ i Bakera.
The sons of Beker: Zemirah, and Joash, and Eliezer, and Elioenai, and Omri, and Jeremoth, and Abijah, and Anathoth, and Alemeth. All these were the sons of Beker.
9 Ary ny isany araka ny firazanany amin’ ny fireneny, izay samy lohan’ ny fianakaviany avy sady lehilahy mahery, dia roanjato sy roa alina.
They were reckoned by genealogy, after their generations, heads of their fathers' houses, mighty men of valor, twenty thousand two hundred.
10 Ny zanakalahin’ i Jediaela dia Bilana; ary ny zanakalahin’ i Bilana dia Jeosy sy Benjamina sy Ehoda sy Kenana sy Zetana sy Tarsisy ary Ahisahara
The sons of Jediael: Bilhan. The sons of Bilhan: Jeush, and Benjamin, and Ehud, and Kenaanah, and Zethan, and Tarshish, and Ahishahar.
11 Ireo zanakalahin’ i Jediaela rehetra ireo, araka ny lohan’ ny fianakaviany, dia roan-jato amby fito arivo sy iray alina no isan’ ny lehilahy mahery azo nalefa hanafika.
All these were sons of Jediael, heads of their fathers' houses, mighty men of valor, seventeen thousand and two hundred, who were able to go forth in the army for war.
12 Sopima koa sy Hopima, zanakalahin’ Iry, ary Hosima, zanakalahin’ i Ahera.
And Shuppim and Huppim were the sons of Ir, Hushim the son of Aher.
13 Ny zanakalahin’ i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera sy Saloma, samy zanakalahin’ i Bila ireo.
The sons of Naphtali: Jahzeel, and Guni, and Jezer, and Shillem, the sons of Bilhah.
14 Ny zanakalahin’ i Manase dia Asriela, Izay naterany; fa ilay Syriana vaditsindranony kosa no niteraka an’ i Matira, rain’ i Gileada.
The sons of Manasseh: Asriel, whom his Aramean secondary wife bore; she bore Makir the father of Gilead.
15 Ary Makira naka vady ho an’ i Hopima sy Sopima; ny anaran’ ny rahavaviny dia Imaka; ary ny anaran’ ny manarakaraka dia Zelofada; ary Zelofada nanan-janakavavy.
And Makir took a wife of Huppim and Shuppim, whose sister's name was Maacah; and the name of the second was Zelophehad: and Zelophehad had daughters.
16 Ary Imaka, vadin’ i Makira, niteraka zaza, ahy, ka Paresy no nataony anarany; ary Saresy no anaran’ ny rahalahiny; ary ny anaran’ ny zananilahy dia Olama sy Rakema.
Maacah the wife of Makir bore a son, and she named him Parash; and the name of his brother was Sheresh; and his sons were Ulam and Rekem.
17 Ary ny zanakalahin’ i Olama dia Bedana. Ireo no zanakalahin’ i Gileada, zanakalahin’ i Makira, zanakalahin’ i Manase.
The son of Ulam: Bedan. These were the sons of Gilead the son of Makir, the son of Manasseh.
18 Ary Hamoleketa anabaviny niteraka an’ Isehoda sy Abiezera ary Mahala.
His sister Hammoleketh bore Ishhod, and Abiezer, and Mahlah.
19 Ary ny zanakalahin’ i Semida dia Ahiana sy Sekema sy Liky ary Aniama.
The sons of Shemida were Ahian, and Shechem, and Likhi, and Aniam.
20 Ary ny zanakalahin’ i Efraima dia Sotela (Bareda no zanakalahin’ i Sotela, Tahata no zanakalahin’ i Bareda, Elada no zanakalahin’ i Tahata, Tahata no zanakalahin’ i Elada,
The sons of Ephraim: Shuthelah, and Bered his son, and Tahath his son, and Eleadah his son, and Tahath his son,
21 Zabada no zanakalahin’ i Tahata, Sotela no zanakalahin’ i Zabada) ary Ezera sy Elada, izay novonoin’ ny tompon-tany tao Gata, satria nidina hangalatra ny ombiny aman’ ondriny izy.
and Zabad his son, and Shuthelah his son, and Ezer, and Elead, whom the men of Gath who were born in the land killed, because they came down to take away their livestock.
22 Ary Efraima, rainy nisaona azy ela, dia avy ny rahalahiny hampionona azy.
Ephraim their father mourned many days, and his brothers came to comfort him.
23 Ary nony niray tamin’ ny vadiny izy, dia nanan’ anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany nataony hoe Beria, satria nisy fahoriana tao an-tranony tamin’ izany.
He went in to his wife, and she conceived, and bore a son, and he named him Beriah, because tragedy had come to his house.
24 (Ary ny zananivavy dia Sera, izay nanorina an’ i Beti-horona ambany sy ambony sy Ozena-sera).
His daughter was Sheerah, who built Lower and Upper Beth Horon, and Uzzen Sheerah.
25 Ary Refa sy Rasefa no zanakalahin’ i Beria, Tela no zanakalahin’ i Rasefa, Tahana no zanakalahin’ i Tela,
Rephah was his son, and Resheph his son, and Telah his son, and Tahan his son,
26 Ladana no zanakalahin’ i Tahana, Amihoda no zanakalahin’ i Ladana, Elisama no zanakalahin’ i Amihoda.
Ladan his son, Ammihud his son, Elishama his son,
27 Nona no zanakalahin’ i Elisama, Josoa no zanakalahin’ i Nona.
Nun his son, Joshua his son.
28 Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny;
Their possessions and habitations were Bethel and its towns, and eastward Naaran, and westward Gezer, with its towns; Shechem also and its towns, to Aiah and its towns;
29 ary teo amin’ ny sisin-tanin’ ny taranak’ i Manase dia Beti-sana sy ny zana-bohiny, Tanaka sy ny zana-bohiny, Megido sy ny zana-bohiny, Dora sy ny zana-bohiny Tamin’ ireo no nonenan’ ny taranak’ i Josefa, zanak’ Isiraely.
and by the borders of the people of Manasseh, Beth Shean and its towns, Taanach and its towns, Ibleam and its towns, Megiddo and its towns, Dor and its towns. In these lived the people of Joseph the son of Israel.
30 Ny zanakalahin’ i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria; ary Sera no anabavin’ ireo.
The sons of Asher: Jimnah, and Jishvah, and Jishvi, and Beriah, and Serah their sister.
31 Ary ny zanakalahin’ i Beria dia Hebera sy Malkiela, rain’ i Birzavita.
The sons of Beriah: Heber, and Malkiel, who was the father of Birzaith.
32 Ary Hebera niteraka an’ i Jafleta sy Somera sy Hotama; ary Soha no anabavin’ ireo.
Heber became the father of Japhlet, and Shemer, and Helem, and Shua their sister.
33 Ary ny zanakalahin’ i Jafleta dia Pasaka sy Bimala ary Asvata. Ireo no zanakalahin’ i Jafleta.
The sons of Japhlet: Pasach, and Bimhal, and Ashvath. These are the sons of Japhlet.
34 Ary ny zanakalahin’ i Samera dia Ahaia sy Rohaga sy Hoba ary Arama.
The sons of Shemer his brother: Rohgah, and Hubbah, and Aram.
35 Ary ny zanakalahin’ i Helema rahalahiny dia Zofa sy Jimna sy Selesy ary Amala.
The sons of Helem his brother: Zophah, and Imna, and Shelesh, and Amal.
36 Ny zanakalahin’ i Zofa dia Soha sy Harnefera sy Soala sy Bery sy Jimra
The sons of Zophah: Suah, and Harnepher, and Shual. And the sons of Imna:
37 sy Bazera sy Hoda sy Sama sy Silsa sy Jitrana ary Bera.
Bezer, and Hod, and Shamma, and Shilshah, and Jether, and Beera.
38 Ary ny zanakalahin’ i Jatera dia Jefone sy Pispa ary Ara.
The sons of Jether: Jephunneh, and Pispa, and Ara.
39 Ary ny zanakalahin’ i Ola dia Ara sy Haniela ary Rizia.
The sons of Ulla: Arah, and Hanniel, and Rizia.
40 Ireo zanakalahin’ i Asera rehetra ireo dia samy lohan’ ny fianakaviany, olom-boafidy sady mahery ary lehiben’ ny loham-pireneny avy. Ary ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo amby roa alina no isan’ ny azo nalefa hanafika.
All these were the people of Asher, heads of ancestral houses, choice and mighty men of valor, chief of the princes. The number of them reckoned by genealogy for service in war was twenty-six thousand men.

< 1 Tantara 7 >