< 1 Tantara 25 >

1 Ary ny taranak’ i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan’ i Davida sy ireo komandin’ ny miaramila ho amin’ ny fanompoana mba haminany amin’ ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan’ ny mpanao araka ny fanompoany avy:
Selanjutnya untuk ibadah Daud dan para panglima menunjuk anak-anak Asaf, anak-anak Heman dan anak-anak Yedutun. Mereka bernubuat dengan diiringi kecapi, gambus dan ceracap. Daftar orang-orang yang bekerja dalam ibadah ini ialah yang berikut:
2 Tamin’ ny zanakalahin’ i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak’ i Asafa, nofehezin’ i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan’ ny mpanjaka azy.
dari anak-anak Asaf ialah Zakur, Yusuf, Netanya dan Asarela, anak-anak Asaf di bawah pimpinan Asaf, yang bernubuat dengan petunjuk raja.
3 Tamin’ i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin’ i Jedotona rainy, izay naminany tamin’ ny lokanga hidera sy hisaotra an’ i Jehovah.
Dari Yedutun ialah anak-anak Yedutun: Gedalya, Zeri, Yesaya, Simei, Hasabya dan Matica, enam orang, di bawah pimpinan ayah mereka, Yedutun, yang bernubuat dengan diiringi kecapi pada waktu menyanyikan syukur dan puji-pujian bagi TUHAN.
4 Tamin’ i Hemana, ny zanany dia Bokia, Matania, Oziela, Seboela sy Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty sy Romamti-ezera sy Josbekasa sy Maloty sy Hotira ary Mahaziota.
Dari Heman ialah anak-anak Heman: Bukia, Matanya, Uziel, Sebuel, Yerimot, Hananya, Hanani, Eliata, Gidalti, Romamti-Ezer, Yosbekasa, Maloti, Hotir dan Mahaziot.
5 Ireo rehetra ireo no zanak’ i Hemana, mpahitan’ ny mpanjaka ny amin’ ny tenin’ Andriamanitra, hanandratra ny tandroka. Ary Hemana dia efa nomen’ Andriamanitra zazalahy efatra ambin’ ny folo sy zazavavy telo.
Mereka ini sekalian adalah anak-anak Heman, pelihat raja, menurut janji Allah untuk meninggikan tanduk kekuatannya; sebab Allah telah memberikan kepada Heman empat belas orang anak laki-laki dan tiga orang anak perempuan.
6 Ireo rehetra ireo no fehin’ ny rainy tamin’ ny hira natao tao an-tranon’ i Jehovah tamin’ ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin’ ny mpanjaka.
Mereka ini sekalian berada di bawah pimpinan ayah mereka pada waktu menyanyikan nyanyian di rumah TUHAN dengan diiringi ceracap, gambus dan kecapi untuk ibadah di rumah Allah dengan petunjuk raja. Demikianlah keadaan bani Asaf, Yedutun dan Heman.
7 Ary ny isany mbamin’ ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an’ i Jehovah izay rehetra nahay dia valo amby valo-polo amby roan-jato.
Jumlah mereka bersama-sama saudara-saudara mereka yang telah dilatih bernyanyi untuk TUHAN--mereka sekalian adalah ahli seni--ada dua ratus delapan puluh delapan orang.
8 Ary nanao filokana ny amin’ ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra.
Tua dan muda, guru dan murid, membuang undi mengenai tugasnya.
9 Ary ny loka voalohany dia azon’ i Josefa avy amin’ ny taranak’ i Asafa; ny faharoa an’ i Gedalia, izy mbamin’ ny rahalahiny sy ny zanany, dia roa ambin’ ny folo;
Lalu jatuhlah undian yang pertama pada Yusuf, orang Asaf; undian yang kedua pada Gedalya dengan saudara-saudaranya dan anak-anaknya, dua belas orang;
10 ny fahatelo an’ i Zakora, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
undian yang ketiga pada Zakur, anak-anaknya dan saudara-saudaranya, dua belas orang;
11 ny fahefatra an’ i Jizry, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
undian yang keempat pada Yizri, anak-anaknya dan saudara-saudaranya, dua belas orang;
12 ny fahadimy an’ i Netania, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
undian yang kelima pada Netanya, anak-anaknya dan saudara-saudaranya, dua belas orang;
13 ny fahenina an’ i Bokia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
undian yang keenam pada Bukia, anak-anaknya dan saudara-saudaranya, dua belas orang;
14 ny fahafito an’ i Jesarela, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
undian yang ketujuh pada Yesarela, anak-anaknya dan saudara-saudaranya, dua belas orang;
15 ny fahavalo an’ i Jesaia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
undian yang kedelapan pada Yesaya, anak-anaknya dan saudara-saudaranya, dua belas orang;
16 ny fahasivy an’ i Matania, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
undian yang kesembilan pada Matanya, anak-anaknya dan saudara-saudaranya, dua belas orang;
17 ny fahafolo an’ i Simey, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
undian yang kesepuluh pada Simei, anak-anaknya dan saudara-saudaranya, dua belas orang;
18 ny fahiraika ambin’ ny folo an’ i Azarela, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
undian yang kesebelas pada Azareel, anak-anaknya dan saudara-saudaranya, dua belas orang;
19 ny faharoa ambin’ ny folo an’ i Hasabia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
undian yang kedua belas pada Hasabya, anak-anaknya dan saudara-saudaranya dua belas orang;
20 ny fahatelo ambin’ ny folo an’ i Sobaela, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
undian yang ketiga belas pada Subael, anak-anaknya dan saudara-saudaranya dua belas orang;
21 ny fahefatra ambin’ ny folo an’ i Matitia, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin’ ny folo;
undian yang keempat belas pada Matica, anak-anaknya dan saudara-saudarany dua belas orang;
22 ny fahadimy ambin’ ny folo an’ i Jeremota, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin’ ny folo;
undian yang kelima belas pada Yeremot, anak-anaknya dan saudara-saudarany dua belas orang;
23 ny fahenina ambin’ ny folo an’ i Hanania, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
undian yang keenam belas pada Hananya, anak-anaknya dan saudara-saudarany dua belas orang;
24 ny fahafito ambin’ ny folo an’ i Josbekasa, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
undian yang ketujuh belas pada Yosbekasa, anak-anaknya dan saudara-saudaranya, dua belas orang;
25 ny fahavalo ambin’ ny folo an’ i Hanany, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
undian yang kedelapan belas pada Hanani, anak-anaknya dan saudara-saudaranya, dua belas orang;
26 ny fahasivy ambin’ ny folo an’ i Maloty, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
undian yang kesembilan belas pada Maloti, anak-anaknya dan saudara-saudaranya, dua belas orang;
27 ny faharoa-polo an’ i Eliata, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
undian yang kedua puluh pada Eliata, anak-anaknya dan saudara-saudaranya, dua belas orang;
28 ny fahiraika amby roa-polo an’ i Hotira, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
undian yang kedua puluh satu pada Hotir, anak-anaknya dan saudara-saudaranya, dua belas orang;
29 ny faharoa amby roa-polo an’ i Gidalty, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
undian yang kedua puluh dua pada Gidalti, anak-anaknya dan saudara-saudaranya, dua belas orang;
30 ny fahatelo amby roa-polo an’ i Mahaziota, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
undian yang kedua puluh tiga pada Mahaziot, anak-anaknya dan saudara-saudaranya, dua belas orang;
31 ny fahefatra amby roa-polo an’ i Romamti-ezera, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo.
undian yang kedua puluh empat pada Romamti-Ezer, anak-anaknya dan saudara-saudaranya, dua belas orang.

< 1 Tantara 25 >