< 1 Tantara 24 >

1 Ary ny amin’ ny taranak’ i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin’ i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara; 2 fa Nadaba sy Abiho dia maty talohan-drainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana. 3 Ary Davida sy Zadoka, isan’ ny taranak’ i Eleazara, sy Ahimeleka, isan’ ny taranak’ Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy. 4 Ary ny lohany tamin’ ireo, dia tamin’ ny taranak’ i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin’ ny taranak’ Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: Tamin’ ny taranak’ i Eleazara dia enina ambin’ ny folo no lohan’ ny fianakaviana; ary tamin’ ny taranak’ Itamara dia valo kosa no lohan’ ny fianakaviana. 5 Ary samy nozarazaraina tamin’ ny filokana avokoa izy rehetra; fa samy mpifehy masìna, dia mpifehy ho an’ Andriamanitra avokoa, na ny avy tamin’ ny taranak’ i Eleazara, na ny avy tamin’ ny taranak’ Itamara. 6 Ary Semaia, zanak’ i Netanela, mpanoratra anankiray tamin’ ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak’ i Abiatara, sy teo anatrehan’ ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an’ i Eleazara, ary iray kosa ho an’ Itamara. 7 Ny loka voalohany dia azon’ i Joariba, ny faharoa an’ i Jedaia, 8 ny fahatelo an’ i Harima, ny fahefatra an’ i Seorima, 9 ny fahadimy an’ i Malkia, ny fahenina an’ i Miamina, 10 ny fahafito an’ i Hakoza, ny fahavalo an’ i Abia, 11 ny fahasivy an’ i Jesoa, ny fahafolo an’ i Sekania. 12 ny fahiraika ambin’ ny folo an’ i Eliasiba, ny faharoa ambin’ ny folo an’ i Jakima, 13 ny fahatelo ambin’ ny folo an’ i Hopa, ny fahefatra ambin’ ny folo an’ i Jesebaba, 14 ny fahadimy ambin’ ny folo an’ i Bilga, ny fahenina ambin’ ny folo an’ Imera, 15 ny fahafito ambin’ ny folo an’ i Hezira, ny fahavalo ambin’ ny folo an’ i Hafizeza, 16 ny fahasivy ambin’ ny folo an’ i Petahia, ny faharoa-polo an’ i Jehezekela, 17 ny fahiraika amby roa-polo an’ i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an’ i Gamola, 18 ny fahatelo amby roa-polo an’ i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an’ i Mazia. 19 Ireo avy no antokony amin’ ny fanompoany izay idirany ao an-tranon’ i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin’ i Arona rainy, araka ny nandidian’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy. 20 Ary tamin’ ny taranak’ i Levy sisa dia izao; Tamin’ ny taranak’ i Amrama dia Sobaela; tamin’ ny zanak’ i Sobaela dia Jedala. 21 Ny amin’ i Rehabia: tamin’ ny taranak’ i Rehabia dia Jisia no voalohany. 22 Tamin’ ny Jizarita dia Selomota; tamin’ ny taranak’ i Selomota dia Jahata. 23 Ary ny amin’ ny taranak’ i Sebrona dia Jeria no voalohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, Jekameama no fahefatra. 24 Ny zanakalahin’ i Oziela dia Mika; tamin’ ny taranak’ i Mika dia Samira; 25 ny rahalahin’ i Mika dia Jisia; tamin’ ny taranak’ i Jisia dia Zakaria. 26 Ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy; ny zanakalahin’ i Jazia dia Beno. 27 Ny zanakalahin’ i Merary tamin’ i Jazia dia Beno sy Sohama sy Zakora ary Ibry. 28 Avy tamin’ i Maly no nihavian’ i Eleazara, izay tsy nanan-janakalahy. 29 Ny amin’ i Kisy, ny zananilahy dia Jeramela. 30 Ary ny zanakalahin’ i Mosy dia Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranaky ny Levita araka ny fianakaviany avy. 31 Ary ireo dia mba niara-niloka tamin’ ny rahalahiny, taranak’ i Arona, teo anatrehan’ i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan’ ny fianakavian’ ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny.

< 1 Tantara 24 >