< 1 Tantara 19 >

1 Ary rehefa afaka izany, dia maty Nahasy, mpanjakan’ ny taranak’ i Amona, ary ny zanany no nanjaka nandimby azy.
And it came to pass after this, that Nahash the king of the sons of Ammon died, and his son reigned in his stead.
2 Ary hoy Davida: Hanisy soa an’ i Hanona, zanak’ i Nahasy, aho, fa soa no nataon’ ny rainy tamiko. Ary Davida naniraka olona hitsapa alahelo azy noho ny amin-drainy. Ary tonga tany amin’ i Hanona tany amin’ ny tanin’ ny Amonita ny mpanompon’ i Davida hitsapa alahelo azy.
And David said, I will show kindness to Hanun the son of Nahash, because his father showed kindness to me. So David sent messengers to comfort him concerning his father. And David's servants came into the land of the sons of Ammon to Hanun, to comfort him.
3 Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak’ i Amona tamin’ i Hanona: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan’ i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha sy handrava ary hisafo ny tany va no nalehan’ ireo mpanompony ireo atỳ aminao?
But the rulers of the sons of Ammon said to Hanun, Do thou think that David honors thy father, in that he has sent comforters to thee? Have not his servants come to thee to search, and to overthrow, and to spy out the land?
4 Dia nosamborin’ i Hanona ny mpanompon’ i Davida ka noharatany, sady nofolonany hatreo amin’ ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
So Hanun took David's servants, and shaved them, and cut off their garments in the middle, even to their buttocks, and sent them away.
5 Ary dia nisy lasa nanambara tamin’ i Davida izay natao tamin’ ireo lehilahy ireo; ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra izy, ka dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ ny somotrareo, vao mody ianareo.
And they came and informed David about the men. And he sent to meet them, for the men were greatly ashamed. And the king said, Remain at Jericho until your beards be grown, and then return.
6 Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa efa nanao izay nampangidy hoditra azy tamin’ i Davida izy, dia naniraka nampanatitra talenta volafotsy arivo hakaramany kalesy sy mpitaingin-tsoavaly any Mesopotamia sy Syriamaka ary Zoba Hanona sy ny taranak’ i Amona.
And when the sons of Ammon saw that they had made themselves odious to David, Hanun and the sons of Ammon sent a thousand talents of silver to hire for them chariots and horsemen out of Mesopotamia, and out of Arammaacah, and out of Zobah.
7 Dia nanakarama kalesy roa arivo amby telo alina mbamin’ ny mpanjakan’ i Maka sy ny olony izy; ary tonga ireo ka nitoby tandrifin’ i Medeba. Ary nivory ny taranak’ Amona niala tany amin’ ny tanànany avy ka tamy hiady.
So they hired for them thirty-two thousand chariots, and the king of Maacah and his people, who came and encamped before Medeba. And the sons of Ammon gathered themselves together from their cities, and came to battle.
8 Ary nony ren’ i Davida izany, dia naniraka an’ i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.
And when David heard of it, he sent Joab, and all the army of the mighty men.
9 Ary ny taranak’ i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tanàna; fa ireo mpanjaka tonga ireo kosa dia nitokana teny an-tsaha.
And the sons of Ammon came out, and put the battle in array at the gate of the city. And the kings that came were by themselves in the field.
10 Ary rehefa hitan’ i Joaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin’ ireo voafantina tamin’ ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin’ ny Syriana.
Now when Joab saw that the battle was set against him in front and behind, he chose from all the choice men of Israel, and put them in array against the Syrians.
11 Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin’ i Abisay rahalahiny, ka dia nilahatra hiady amin’ ny taranak’ i Amona ireo.
And the rest of the company he committed into the hand of Abishai his brother, and they put themselves in array against the sons of Ammon.
12 Ary hoy Joaba: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak’ i Amona, dia hovonjeko ianao;
And he said, If the Syrians be too strong for me, then thou shall help me, but if the sons of Ammon be too strong for thee, then I will help thee.
13 mahereza, ary aoka hitombandahy isika ho an’ ny firenentsika sy ireo tanànan’ Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.
Be of good courage, and let us act the man for our people, and for the cities of our God. And Jehovah do that which seems good to him.
14 Ary nandroso hiady tamin’ ny Syriana Joaba sy ny olona nanaraka azy; ka dia nandositra niala teo anoloany ireo.
So Joab and the company that were with him drew near before the Syrians to the battle, and they fled before him.
15 Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra niala teo anoloan’ i Abisay, rahalahin’ i Joaba, koa izy ka niditra tao an-tanàna. Ary dia tonga tany Jerosalema Joaba.
And when the sons of Ammon saw that the Syrians had fled, they likewise fled before Abishai his brother, and entered into the city. Then Joab came to Jerusalem.
16 Ary nony hitan’ ny Syriana fa resy teo anoloan’ ny Isiraely izy, dia naniraka olona izy haka ny Syriana izay tany an-dafin’ ny Ony; ary Sobaka, komandin’ ny miaramilan’ i Hadarezera, no nitarika azy.
And when the Syrians saw that they were put to the worse before Israel, they sent messengers, and drew forth the Syrians that were beyond the River, with Shophach the captain of the army of Hadarezer at their head.
17 Ary nony nambara tamin i Davida izany, dia namory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an’ i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Ary nony nilahatra hiady amin’ ny Syriana Davida, dia niady taminy ireo.
And it was told David. And he gathered all Israel together, and passed over the Jordan, and came upon them, and set the battle in array against them. So when David had put the battle in array against the Syrians, they fought with him.
18 Fa vaky nandositra teo anoloan’ ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny teo amin’ ny kalesy fito arivo sy miaramila an-tongotra efatra alina tamin’ ny Syriana Davida; ary matiny koa Sobaka, komandin’ ny miaramila.
And the Syrians fled before Israel. And David killed of the Syrians the men of seven thousand chariots, and forty thousand footmen, and killed Shophach the captain of the army.
19 Ary nony hitan’ ireo nanoa an’ i Hadarezera fa resy teo anoloan’ ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin’ i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak’ i Amona intsony ny Syriana.
And when the servants of Hadarezer saw that they were put to the worse before Israel, they made peace with David, and served him, neither would the Syrians help the sons of Ammon any more.

< 1 Tantara 19 >