< 1 Tantara 16 >

1 Ary nampiditra ny Fiaran’ Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan’ ny lay izay naorin’ i Davida ho azy; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’ Andriamanitra izy.
眾人將上帝的約櫃請進去,安放在大衛所搭的帳幕裏,就在上帝面前獻燔祭和平安祭。
2 Ary nony voatitr’ i Davida ny fanatitra odorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny olona tamin’ ny anaran’ i Jehovah izy.
大衛獻完了燔祭和平安祭,就奉耶和華的名給民祝福,
3 Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka ho an’ ny Isiraely rehetra na lahy na vavy izy.
並且分給以色列人,無論男女,每人一個餅,一塊肉,一個葡萄餅。
4 Ary ny Levita sasany notendren’ i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ ny fiaran’ i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:
大衛派幾個利未人在耶和華的約櫃前事奉,頌揚,稱謝,讚美耶和華-以色列的上帝:
5 Asafa no lohany, ary Zakaria no nanarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa Asafa no nampaneno ny kipantsona;
為首的是亞薩,其次是撒迦利雅、雅薛、示米拉末、耶歇、瑪他提雅、以利押、比拿雅、俄別‧以東、耶利,鼓瑟彈琴;惟有亞薩敲鈸,大發響聲;
6 Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra.
祭司比拿雅和雅哈悉常在上帝的約櫃前吹號。
7 Tamin’ izay andro izay no voalohan’ ny nanendren’ i Davida an’ i Asafa sy ny rahalahiny hidera an’ i Jehovah.
那日,大衛初次藉亞薩和他的弟兄以詩歌稱頌耶和華,說:
8 Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.
你們要稱謝耶和華,求告他的名, 在萬民中傳揚他的作為!
9 Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
要向他唱詩、歌頌, 談論他一切奇妙的作為。
10 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masìna; Aoka hifaly ny fon’ izay mitady an’ i Jehovah.
要以他的聖名誇耀; 尋求耶和華的人,心中應當歡喜。
11 Mitadiava an’ i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany.
要尋求耶和華與他的能力, 時常尋求他的面。
12 Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ ny vavany,
他僕人以色列的後裔, 他所揀選雅各的子孫哪, 你們要記念他奇妙的作為和他的奇事, 並他口中的判語。
13 Hianareo taranak’ Isiraely mpanompony, Hianareo olom-boafidiny, taranak’ i Jakoba.
14 Jehovah, Izy no Andriamanitsika, manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
他是耶和華-我們的上帝, 全地都有他的判斷。
15 Tsarovy mandrakizay ny fanekeny. Dia ilay teny voadidiny ho an’ ny taranaka arivo mandimby,
你們要記念他的約,直到永遠; 他所吩咐的話,直到千代,
16 Eny, dia ilay nataony tamin’ i Abrahama sy ny fianianany tamin’ Isaka,
就是與亞伯拉罕所立的約, 向以撒所起的誓。
17 Izay naoriny ho lalàna ho an’ i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an’ Isiraely,
他又將這約向雅各定為律例, 向以色列定為永遠的約,
18 Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin’ ny famolaina;
說:我必將迦南地賜給你, 作你產業的分。
19 Fony mbola olom-bitsy ianareo, Eny, Vitsy sady vahiny tao,
當時你們人丁有限,數目稀少, 並且在那地為寄居的;
20 Ary nifindrafindra tany amin’ ny firenena, sy nifindrafindra fanjakana ho amin’ ny firenen-kafa,
他們從這邦游到那邦, 從這國行到那國。
21 Tsy nisy navelany hampahory azy; Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin’ ireo hoe:
耶和華不容甚麼人欺負他們, 為他們的緣故責備君王,
22 Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy Ireo mpaminaniko.
說:不可難為我受膏的人, 也不可惡待我的先知!
23 Mihira ho an’ i Jehovah, ry tany rehetra; Lazao isan’ andro isan’ andro ny famonjeny mahafaly.
全地都要向耶和華歌唱! 天天傳揚他的救恩,
24 Ambarao any amin’ ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
在列邦中述說他的榮耀, 在萬民中述說他的奇事。
25 Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ ny andriamanitra rehetra.
因耶和華為大,當受極大的讚美; 他在萬神之上,當受敬畏。
26 Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra.
外邦的神都屬虛無, 惟獨耶和華創造諸天。
27 Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin’ ny fitoerany.
有尊榮和威嚴在他面前, 有能力和喜樂在他聖所。
28 Ry firenena, manomeza an’ i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’ i Jehovah.
民中的萬族啊, 你們要將榮耀能力歸給耶和華,都歸給耶和華!
29 Manomeza an’ i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fihaingoana masìna
要將耶和華的名所當得的榮耀歸給他, 拿供物來奉到他面前; 當以聖潔的妝飾敬拜耶和華。
30 Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika.
全地要在他面前顫抖, 世界也堅定不得動搖。
31 Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; Ary aoka holazaina any amin’ ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka.
願天歡喜,願地快樂; 願人在列邦中說: 耶和華作王了!
32 Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy.
願海和其中所充滿的澎湃; 願田和其中所有的都歡樂。
33 Dia hihoby eo anatrehan’ i Jehovah amin’ izay ny hazo an’ ala; Fa avy hitsara ny tany Izy.
那時,林中的樹木都要在耶和華面前歡呼, 因為他來要審判全地。
34 Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony.
應當稱謝耶和華; 因他本為善,他的慈愛永遠長存!
35 Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka vonjeo tsy ho azon’ ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masìna, ka ho reharehanay ny fiderana Anao.
要說:拯救我們的上帝啊,求你救我們, 聚集我們,使我們脫離外邦, 我們好稱讚你的聖名,以讚美你為誇勝。
36 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena, sady nidera an’ i Jehovah.
耶和華-以色列的上帝, 從亙古直到永遠,是應當稱頌的! 眾民都說:「阿們!」並且讚美耶和華。
37 Ary Asafa sy ny rahalahiny dia navelan’ i Davida teo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ao mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isan’ andro,
大衛派亞薩和他的弟兄在約櫃前常常事奉耶和華,一日盡一日的職分;
38 ary Obed-edoma sy ny rahalahiny valo amby enim-polo sy Obed-edoma, zanak’ i Jedotona, ary Hosa ho mpiandry varavarana kosa.
又派俄別‧以東和他的弟兄六十八人,與耶杜頓的兒子俄別‧以東,並何薩作守門的;
39 Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan’ ny tabernakelin’ i Jehovah teo amin’ ny fitoerana avo any Gibeona,
且派祭司撒督和他弟兄眾祭司在基遍的邱壇、耶和華的帳幕前燔祭壇上,每日早晚,照着耶和華律法書上所吩咐以色列人的,常給耶和華獻燔祭。
40 hanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah marain-tsy hariva eo amin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,
41 ary naman’ ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin’ ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
與他們一同被派的有希幔、耶杜頓,和其餘被選名字錄在冊上的,稱謝耶和華,因他的慈愛永遠長存。
42 Ary tao amin’ i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an’ izay mampaneno ary ny fomban’ ny zava-manenon’ Andriamanitra. Ary ny zanak’ i Jedotona no mpiandry varavarana.
希幔、耶杜頓同着他們吹號、敲鈸,大發響聲,並用別的樂器隨着歌頌上帝。耶杜頓的子孫作守門的。
43 Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano ny ankohonany.
於是眾民各歸各家;大衛也回去為家眷祝福。

< 1 Tantara 16 >