< 1 Tantara 15 >

1 Ary Davida nanao trano ho azy tao an-Tanànan’ i Davida sady namboatra fitoerana sy nanorin-day ho an’ ny fiaran’ Andriamanitra.
داوود برای خود چند کاخ سلطنتی در شهرش ساخت و یک خیمهٔ تازه هم برای صندوق عهد خدا درست کرد.
2 Ary tamin’ izay dia hoy Davida: Tsy misy tokony hitondra ny fiaran’ Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany, satria izy no efa nofidin’ i Jehovah hitondra ny fiaran’ Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakizay.
آنگاه چنین دستور داد: «کسی غیر از لاویان نباید صندوق عهد را بردارد، چون خداوند ایشان را برای همین منظور انتخاب کرده است. آنها خدمتگزاران همیشگی او هستند.»
3 Dia novorin’ i Davida tany Jerosalema ny Isiraely rehetra hampakatra ny fiaran’ i Jehovah ho any amin’ ny fitoerana izay namboariny ho azy.
پس داوود تمام قوم اسرائیل را به شهر اورشلیم احضار نمود تا در مراسم انتقال صندوق عهد به خیمهٔ جدید شرکت کنند.
4 Ary novorin’ i Davida ny taranak’ i Arona sy ny Levita:
این است تعداد کاهنان نسل هارون و لاویانی که در اورشلیم حاضر شدند: ‏ ۱۲۰ نفر از طایفهٔ قهات به سرپرستی اوری‌ئیل؛ ‏ ۲۲۰ نفر از طایفهٔ مراری به سرپرستی عسایا؛ ‏ ۱۳۰ نفر از طایفهٔ جرشوم به سرپرستی یوئیل؛ ‏ ۲۰۰ نفر از خاندان الیصافان به سرپرستی شمعیا؛ ‏ ۸۰ نفر از خاندان حبرون به سرپرستی ایلی‌ئیل؛ ‏ ۱۱۲ نفر از خاندان عزی‌ئیل به سرپرستی عمیناداب.
5 tamin’ ny taranak’ i Kehata dia Oriela lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby zato;
6 tamin’ ny taranak’ i Merary dia Asaia lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby roan-jato;
7 tamin’ ny taranak’ i Gersona dia Joela lehibeny sy ny rahalahiny telo-polo amby zato;
8 tamin’ ny taranak’ i Elizafana dia Semaia lehibeny sy ny rahalahiny roan-jato;
9 tamin’ ny taranak’ i Hebrona dia Eliala lehibeny sy ny rahalahiny valo-polo,
10 tamin’ ny taranak’ i Oziela dia Aminadaba lehibeny sy ny rahalahiny roa ambin’ ny folo amby zato.
11 Ary Davida niantso an’ i Zadoka sy Abiatara mpisorona sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy Semaia sy Eliala ary Aminadaba,
سپس داوود صادوق و اَبیّاتار کاهنان اعظم و اوری‌ئیل، عسایا، یوئیل، شمعیا، ایلی‌ئیل و عمیناداب رهبران لاویان را به حضور خواست
12 ka nanao taminy hoe: Hianareo lohan’ ny fianakavian’ ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampakaranareo ny fiaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho ao amin’ ilay namboariko ho azy.
و به ایشان گفت: «شما سران طایفه‌های لاویان هستید؛ پس خود را با سایر برادران تقدیس کنید تا صندوق عهد خداوند، خدای اسرائیل را به خیمه‌ای که برایش آماده کرده‌ام بیاورید.
13 Satria tsy ianareo no tamin’ ilay teo, dia nasian’ i Jehovah Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny voadidy.
دفعهٔ پیش به سبب اینکه شما لاویان آن را حمل نکردید و این برخلاف دستور خدا بود خداوند ما را تنبیه کرد.»
14 Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita hampakatra ny fiaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
پس کاهنان و لاویان خود را تقدیس کردند تا صندوق عهد خداوند، خدای اسرائیل را به محل جدید بیاورند.
15 Ary ny Levita nilanja ny fiaran’ Andriamanitra tamin’ ny hazo, tahaka ny nandidian’ i Mosesy araka ny tenin’ i Jehovah.
آنگاه لاویان، همان‌طور که خداوند به موسی فرموده بود، چوبهای حامل صندوق عهد را روی دوش خود گذاشتند و آن را حمل نمودند.
16 Ary ireo lehiben’ ny Levita dia nasain’ i Davida nanendry ny mpihira rahalahiny hitondra ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary hampaneno ny kipantsona, mba hanandra-peo amin’ ny fifaliana.
داوود به رهبران لاویان دستور داد که از میان لاویان دستهٔ موسیقی تشکیل دهند تا عود و بربط و سنج بنوازند و با صدای بلند و شاد سرود بخوانند.
17 Ka dia notendren’ ny Levita Hemana, zanak’ i Joela; ary tamin’ ny rahalahiny dia Asafa, zanak’ i Berekia; ary tamin’ ny taranak’ i Merary rahalahiny dia Etana, zanak’ i Kosaia;
رهبران، این افراد را تعیین کردند تا سنجهای مفرغین بنوازند: هیمان (پسر یوئیل)، آساف (پسر برکیا) و ایتان (پسر قوشیا) از طایفهٔ مراری. برای کمک به ایشان این افراد نیز تعیین شدند تا با نواختن عود ایشان را همراهی کنند: زکریا، بین، یعزی‌ئیل، شمیراموت، یحی‌ئیل، عونی، الی‌آب، بنایا و معسیا. برای نواختن بربط نیز اشخاص زیر انتخاب شدند: مَتّیتیا، الیفلیا، مقنیا، عزریا و همچنین عوبید ادوم و یعی‌ئیل که هر دو از نگهبانان خیمه بودند.
18 ary naman’ ireo ihany koa ny rahalahiny manarakaraka, dia Zakaria sy Bena sy Jaziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Benaia sy Mahaseia sy Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma ary Jeiela, mpiandry varavarana.
19 Ary Hemana sy Asafa ary Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina.
20 Ary Zakaria sy Aziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Mahaseia sy Benaia no nasaina nitendry valiha tamin’ ny Alamota.
21 Ary Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma sy Jeiela ary Azazia no nasaina nitendry ny lokanga tamin’ ny Seminita ho mpitarika.
22 Ary Kenania, lehiben’ ny Levita, no tonian’ ny fitondrana; ary nampianatra ny fitondrana izy, fa nahay.
رهبر سرایندگان کننیا رئیس لاویان بود که به خاطر مهارتش انتخاب شد.
23 Ary Berekia sy Elikana no mpiandry varavarana amin’ ny fiara.
برکیا و القانه محافظ صندوق عهد بودند.
24 Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan’ ny fiaran’ Andriamanitra, ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin’ ny fiara.
شبنیا، یوشافاط، نتن‌ئیل، عماسای، زکریا، بنایا و الیعزر که همه کاهن بودند، پیشاپیش صندوق عهد شیپور می‌نواختند. عوبید ادوم و یحیی از صندوق عهد مواظبت می‌کردند.
25 Ary Davida sy ny loholon’ ny Isiraely mbamin’ ny mpifehy arivo no nandeha hampakatra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah avy tao an-tranon’ i Obed-edoma tamin’ ny fifaliana.
آنگاه داوود و بزرگان اسرائیل و سرداران سپاه با شادی فراوان به خانهٔ عوبید ادوم رفتند تا صندوق عهد را به اورشلیم بیاورند.
26 Ary rehefa nomban’ Andriamanitra ny Levita izay nilanja ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, dia namono vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito hatao fanatitra izy.
آنها هفت گاو و هفت قوچ قربانی کردند، زیرا خدا لاویان را کمک کرد تا صندوق عهد را بتوانند حمل کنند.
27 Ary niakanjo akanjo rongony fotsy madinika Davida, ary niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra izay nitondra ny fiara ary ny mpihira sy Kenania, tonian’ ny fitondrana, mbamin’ ny mpihira; ary Davida nisalotra efoda rongony fotsy koa.
داوود و لاویانی که صندوق عهد را حمل می‌کردند، سرایندگان و کننیا رهبر سرایندگان، همه لباسهایی از کتان لطیف پوشیده بودند. داوود نیز لباس مخصوص کاهنان را بر تن کرده بود.
28 Toy izany no nampakaran’ ny Isiraely rehetra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah tamin’ ny fihobiana sy ny feon’ ny anjomara sy ny trompetra ary ny kipantsona sy tamin’ ny fitendrena ny valiha sy ny lokanga.
به این ترتیب بنی‌اسرائیل با هلهله و شادی و صدای سرنا و شیپور، سنج و عود و بربط، صندوق عهد را به اورشلیم آوردند.
29 Ary nony tonga tao an-Tanànan’ i Davida ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin’ i Saoly, ka nahita an’ i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.
هنگامی که صندوق عهد خداوند وارد اورشلیم شد، میکال زن داوود که دختر شائول پادشاه بود، از پنجره نگاه می‌کرد. وقتی داوود را دید که با شادی می‌رقصد در دل خود او را تحقیر کرد.

< 1 Tantara 15 >