< 1 Tantara 14 >

1 Ary Hirama, mpanjakan’ i Tyro, naniraka olona tany amin’ i Davida sady nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpanao trano vato sy mpandrafitra hanao trano ho azy.
泰爾王希蘭將香柏木運到大衛那裏,又差遣使者和石匠、木匠給大衛建造宮殿。
2 Dia fantatr’ i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan’ ny Isiraely, ka voasandratra ny fanjakany noho ny amin’ ny Isiraely olony.
大衛就知道耶和華堅立他作以色列王,又為自己的民以色列,使他的國興旺。
3 Ary Davida nampaka-bady koa tany Jerosalema ka niteraka zazalahy sy zazavavy.
大衛在耶路撒冷又立后妃,又生兒女。
4 Ary izao no anaran’ ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
在耶路撒冷所生的眾子是沙母亞、朔罷、拿單、所羅門、
5 sy Jibara sy Elisoa sy Elipeleta
益轄、以利書亞、以法列、
6 sy Noga sy Nafega sy Jafia
挪迦、尼斐、雅非亞、
7 sy Elisama sy Seliada ary Elifeleta.
以利沙瑪、比利雅大、以利法列。
8 Koa nony ren’ ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan’ ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren’ i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy.
非利士人聽見大衛受膏作以色列眾人的王,非利士眾人就上來尋索大衛。大衛聽見,就出去迎敵。
9 Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
非利士人來了,布散在利乏音谷。
10 Ary Davida nanontany tamin’ Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy.
大衛求問上帝,說:「我可以上去攻打非利士人嗎?你將他們交在我手裏嗎?」耶和華說:「你可以上去,我必將他們交在你手裏。」
11 Dia niakatra nankao Bala-perazima Davida ka namely azy teo; dia hoy izy: Ny tanako no namakian’ Andriamanitra ny fahavaloko hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran’ izany tany izany hoe Bala-perazima.
非利士人來到巴力‧毗拉心,大衛在那裏殺敗他們。大衛說:「上帝藉我的手沖破敵人,如同水沖去一般」;因此稱那地方為巴力‧毗拉心。
12 Dia nilaozan’ ireny teo ireo andriamaniny, ka dia nasain’ i Davida nodorana tamin’ ny afo.
非利士人將神像撇在那裏,大衛吩咐人用火焚燒了。
13 Ary tonga indray ny Filistina ka nihahakahaka teny an-dohasaha indray.
非利士人又布散在利乏音谷。
14 Dia nanontany tamin’ Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin’ ny tandrifin’ ny hazo balsama.
大衛又求問上帝。上帝說:「不要一直地上去,要轉到他們後頭,從桑林對面攻打他們。
15 Ary raha toa mahare fingadongadon’ olona eny amin’ ny tendron’ ny hazo balsama ianao, dia miaingà amin’ izay hiady; fa amin’ izay no efa miainga mialoha anao Andriamanitra hamely ny miaramilan’ ny Filistina.
你聽見桑樹梢上有腳步的聲音,就要出戰,因為上帝已經在你前頭去攻打非利士人的軍隊。」
16 Ary dia nanao araka izay nandidian’ Andriamanitra azy Davida, ka dia namely ny miaramilan’ ny Filistina hatrany Gibeona ka hatrany Gazera izy.
大衛就遵着上帝所吩咐的,攻打非利士人的軍隊,從基遍直到基色。
17 Ary ny lazan’ i Davida niely teny amin’ ny tany rehetra; ary nataon’ i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an’ i Davida.
於是大衛的名傳揚到列國,耶和華使列國都懼怕他。

< 1 Tantara 14 >