< 1 Tantara 13 >

1 Ary Davida naka saina tamin’ ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia ny mpifehy rehetra,
David consulted with the captains of thousands and of hundreds, even with every leader.
2 Ka hoy Davida tamin’ ny Isiraely rehetra izay tafangona: Raha ataonareo ho mety, sady avy amin’ i Jehovah Andriamanitsika izany, dia andeha isika haniraka faingana any amin’ ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin’ ny tanin’ ny Isiraely rehetra ary amin’ ny mpisorona sy ny Levita koa, izay any amin’ ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika;
David said to all the assembly of Israel, "If it seems good to you, and if there is a breakthrough from YHWH our God, let us send abroad everywhere to our brothers who are left in all the land of Israel, with whom the priests and Levites are in their cities that have suburbs, that they may gather themselves to us;
3 Ary aoka ho entintsika atỳ amintsika indray ny fiaran’ Andriamanitsika; fa tsy nahoantsika tamin’ ny andron’ i Saoly izany.
and let us bring again the ark of our God to us. For we did not seek it in the days of Saul."
4 Ary ny olona rehetra izay tafangona dia nanaiky hanao izany, satria marina teo imason’ ny olona rehetra izany.
All the assembly said that they would do so; for the thing was right in the eyes of all the people.
5 Dia novorin’ i Davida ny Isiraely rehetra hatrany Sihora any Egypta ka hatrany akaikin’ i Hamata haka ny fiaran’ Andriamanitra avy any Kiriata-jearima.
So David assembled all Israel together, from the Shihor of Egypt even to Lebo Hamath, to bring the ark of God from Kiriath Jearim.
6 Dia niakatra Davida sy ny Isiraely rehetra hankany Bala any Joda (Kiriata-jearima izany) hampakatra ny fiaran’ i Jehovah Andriamanitra, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, dia ilay niantsoany ny anarany.
And David went up, and all Israel, to Baalah, that is, to Kiriath Jearim, which belongs to Judah, to bring up from there the ark of God, which is called by the name of YHWH enthroned on the cherubim.
7 Ary nentiny tamin’ ny sariety vaovao niala tao an-tranon’ i Abinadaba ny fiaran’ Andriamanitra, ary Oza sy Ahio no nampandeha ny sariety.
They carried the ark of God on a new cart, and brought it out of the house of Abinadab: and Uzza and Ahio drove the cart.
8 Ary Davida sy ny Isiraely rehetra dia nitsinjaka fatratra teo anatrehan’ Andriamanitra tamin’ ny hira sy ny lokanga sy ny valiha sy ny ampongatapaka sy ny kipantsona ary ny trompetra.
David and all Israel played before God with all their might, even with songs, and with harps, and with stringed instruments, and with tambourines, and with cymbals, and with trumpets.
9 Ary nony tonga teo amin’ ny famoloan’ i Kidona izy, dia naninjitra ny tànany hihazona ny fiara Oza, satria nazeran’ ny omby izany.
When they came to the threshing floor of Nodan, Uzza put forth his hand to hold the ark; for the oxen stumbled.
10 Dia nirehitra tamin’ i Oza ny fahatezeran’ i Jehovah, ka namely azy Izy noho ny naninjirany ny tànany tamin’ ny fiara, dia maty teo anatrehan’ Andriamanitra izy.
The anger of YHWH was kindled against Uzza, and he struck him, because he put forth his hand to the ark; and there he died before God.
11 Ary dia tezitra Davida noho ny namelezan’ i Jehovah an’ i Oza, ka dia nataony hoe Perez-oza no anaran’ izany tany izany mandraka androany.
David was displeased, because YHWH had broken forth on Uzza; and he called that place Perez Uzza, to this day.
12 Ary Davida natahotra an’ Andriamanitra tamin’ izany andro izany ka nanao hoe: Nahoana aho no hitondra ny fiaran’ Andriamanitra ho atỳ amiko?
David was afraid of God that day, saying, "How can I bring the ark of God to me?"
13 Dia tsy nafindran’ i Davida ho ao aminy ao an-tanànan’ i Davida ny fiara, fa naviliny ho ao an-tranon’ i Obed-edoma Gatita.
So David did not move the ark to him into the City of David, but diverted it to the house of Obed-Edom the Gittite.
14 Ary nipetraka telo volana tao amin’ ny ankohonan’ i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran’ Andriamanitra; ka dia notahin’ i Jehovah ny ankohonan’ i Obed-edoma sy izay rehetra nananany.
The ark of God remained with the family of Obed-Edom in his house three months: and YHWH blessed the house of Obed-Edom, and all that he had.

< 1 Tantara 13 >