< Otra Samuela 9 >

1 Un Dāvids sacīja: vai vēl ir kāds, kas atlicies no Saula nama, ka es tam žēlastību parādu Jonatāna dēļ?
Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’ i Saoly mba hasiako soa noho ny amin’ i Jonatana?
2 Un Saula namam bija kalps, Cībus vārdā, un tas tapa aicināts Dāvida priekšā. Un ķēniņš uz to sacīja: vai tu esi Cībus? Un viņš sacīja: esmu, tavs kalps.
Ary nisy mpanompon’ ny fianakavian’ i Saoly, Ziba no anarany. Ary nantsoiny hankany amin’ i Davida izy, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho mpanomponao no izy.
3 Un ķēniņš sacīja: vai vēl kāds nav no Saula nama, ka es Dieva žēlastību tam parādu? Un Cībus sacīja uz ķēniņu: Vēl ir viens Jonatāna dēls, tizls uz abām kājām.
Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan’ i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon’ Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin’ i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy.
4 Un ķēniņš uz to sacīja: kur tas ir? Un Cībus sacīja uz ķēniņu: redzi, viņš ir Mahira, Amiēļa dēla, namā, Lodabarā.
Ary hoy ny mpanjaka taminy; Aiza anefa izy? Dia hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Indro izy ao an-tranon’ i Makira, zanak’ i Amiela, ao Lo-debara.
5 Tad ķēniņš Dāvids nosūtīja un to ņēma no Mahira, Amiēļa dēla, nama, no Lodabaras.
Ary Davida mpanjaka naniraka haka azy tao an-tranon’ i Makira, zanak’ i Amiela, tao Lodebara.
6 Kad nu Mefibošets, Jonatāna dēls, Saula dēla dēls, pie Dāvida nāca tad viņš metās uz savu vaigu un klanījās. Un Dāvids sacīja: Mefibošet! Un viņš sacīja: redzi, še tavs kalps.
Ary nony tonga teo amin’ i Davida Mefiboseta, zanak’ i Jonatana, zanak’ i Saoly, dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao.
7 Un Dāvids uz to sacīja: nebīsties, es tiešām tev parādīšu žēlastību tava tēva Jonatāna dēļ, un tev atdošu visus tava tēva Saula tīrumus, un tev būs vienmēr maizi ēst pie mana galda.
Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin’ i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an’ i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin’ ny latabatro mandrakariva.
8 Un tas paklanījās un sacīja: kas tavs kalps tāds ir, ka tu uzlūko nomirušu suni, kāds es esmu?
Dia niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao?
9 Tad ķēniņš aicināja Cību, Saula kalpu, un uz to sacīja: visu, kas Saulam un viņa namam piederēja, to es esmu devis tava kunga dēlam.
Dia niantso an’ i Ziba, mpanompon’ i Saoly, ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Izay rehetra nananan’ i Saoly sy ny mpianakaviny rehetra dia nomeko ny zanakalahin’ ny tomponao.
10 Tāpēc strādā tu viņam to zemi, tu ar saviem dēliem un ar saviem kalpiem, un savāc, ka tava kunga dēlam ir maizes ko ēst, un Mefibošets, tava kunga dēls, lai vienmēr ēd maizi pie mana galda. Bet Cībum bija piecpadsmit dēli un divdesmit kalpi.
Koa ianao sy ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanin-kohanina ho an’ ny zanakalahin’ ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin’ ny tomponao, hihinana eo amin’ ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana zanakalahy dimy ambin’ ny folo sy mpanompo roa-polo.
11 Un Cībus sacīja uz ķēniņu: visu, ko mans kungs, tas ķēniņš, savam kalpam pavēl, to tavs kalps darīs. Un Mefibošets lai ēd pie mana galda tāpat, kā viens no ķēniņa bērniem.
Ary hoy Ziba tamin’ ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon’ ny mpanomponao. Fa ny amin’ i Mefiboseta, hoy Davida, dia hihinana eo amin’ ny latabatro toy ny anankiray amin’ ny zanakalahin’ ny mpanjaka izy.
12 Un Mefibošetam bija mazs dēls, vārdā Miha, un visi, kas Cībus namā dzīvoja, tie Mefibošetam bija par kalpiem.
Ary Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon’ i Ziba dia mpanompon’ i Mefiboseta avokoa.
13 Un Mefibošets dzīvoja Jeruzālemē, tāpēc ka viņš vienmēr ēda pie ķēniņa galda. Un viņš bija tizls uz abām kājām.
Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin’ ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.

< Otra Samuela 9 >