< Iohannis I 3 >

1 Videte qualem charitatem dedit nobis Pater, ut filii Dei nominemur et simus. Propter hoc mundus non novit nos: quia non novit eum.
Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’ Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Ary izy.
2 Charissimi, nunc filii Dei sumus: et nondum apparuit quid erimus. Scimus quoniam cum apparuerit, similes ei erimus: quoniam videbimus eum sicuti est.
Ry malala, ankehitriny aza dia zanak’ Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa.
3 Et omnis, qui habet hanc spem in eo, sanctificat se, sicut et ille sanctus est.
Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy.
4 Omnis, qui facit peccatum, et iniquitatem facit: et peccatum est iniquitas.
Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna.
5 Et scitis quia ille apparuit ut peccata nostra tolleret: et peccatum in eo non est.
Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra ny ota; ary tsy mba misy ota ao aminy.
6 Omnis, qui in eo manet, non peccat: et omnis, qui peccat, non vidit eum, nec cognovit eum.
Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy.
7 Filioli, nemo vos seducat. Qui facit iustitiam, iustus est: sicut et ille iustus est.
Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy.
8 Qui facit peccatum, ex diabolo est: quoniam ab initio diabolus peccat. In hoc apparuit Filius Dei, ut dissolvat opera diaboli.
Izay manota dia avy amin’ ny devoly, satria ny devoly manota hatramin’ ny voalohany. Izao no nisehoan’ ny Zanak’ Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ ny devoly.
9 Omnis, qui natus est ex Deo, peccatum non facit: quoniam semen ipsius in eo manet, et non potest peccare, quoniam ex Deo natus est.
Izay rehetra naterak’ Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naretak’ Andriamanitra.
10 In hoc manifesti sunt filii Dei, et filii diaboli. Omnis qui non est iustus, non est ex Deo, et qui non diligit fratrem suum:
Izany no mampiseho miharihary izay Zanak’ Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. Tsy mba avy amin’ Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina sy izay tsy tia ny rahalahiny.
11 quoniam haec est annunciatio, quam audistis ab initio, ut diligatis alterutrum.
Fa izao no teny nampitondraina izay efa renareo hatramin’ ny voalohany: tsy maintsy mifankatia isika, ―
12 Non sicut Cain, qui ex maligno erat, et occidit fratrem suum. Et propter quid occidit eum? Quoniam opera eius maligna erant: fratris autem eius, iusta.
tsy mba tahaka an’ i Kaina, izay avy tamin’ ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary nahoana no namono azy izy? Satria ratsy ny asany, fa marina ny an’ ny rahalahiny.
13 Nolite mirari fratres, si odit vos mundus.
Aza gaga, ry rahalahy, raha halan’ izao tontolo izao ianareo.
14 Nos scimus quoniam translati sumus de morte ad vitam, quoniam diligimus fratres. Qui non diligit, manet in morte:
Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana isika satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ ny fahafatesana ihany.
15 omnis, qui odit fratrem suum, homicida est. Et scitis quoniam omnis homicida non habet vitam aeternam in semetipso manentem. (aiōnios g166)
Izay rehetra mankahala ny rahalahiny dia mpamono olona; ary fantatrareo fa tsy mba misy mpamono olona manana fiainana mandrakizay mitoetra ao anatiny. (aiōnios g166)
16 In hoc cognovimus charitatem Dei, quoniam ille animam suam pro nobis posuit: et nos debemus pro fratribus animas ponere.
Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.
17 Qui habuerit substantiam huius mundi, et viderit fratrem suum necessitatem habere, et clauserit viscera sua ab eo: quomodo charitas Dei manet in eo?
Ary izay rehetra manam-pananana amin’ izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ ny fitiavana an’ Andriamanitra ao anatiny?
18 Filioli mei, non diligamus verbo, neque lingua, sed opere et veritate.
Anaka, aoka tsy ho tia amin’ ny teny na amin’ ny lela isika, fa amin’ ny asa sy amin’ ny marina.
19 in hoc cognoscimus quoniam ex veritate sumus: et in conspectu eius suadebimus corda nostra.
Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany,
20 Quoniam si reprehenderit nos cor nostrum: maior est Deus corde nostro, et novit omnia.
na amin’ inona na amin’ inona no anamelohan’ ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra.
21 Charissimi, si cor nostrum non reprehenderit nos, fiduciam habemus ad Deum:
Ry malala, raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahasahiana eo anatrehan’ Andriamanitra isika.
22 et quidquid petierimus, accipiemus ab eo: quoniam mandata eius custodimus, et ea, quae sunt placita coram eo, facimus.
Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.
23 Et hoc est mandatum eius: Ut credamus in nomine Filii eius Iesu Christi: et diligamus alterutrum, sicut dedit mandatum nobis.
Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika ny anaran’ i Jesosy Kristy Zanany sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika.
24 Et qui servat mandata eius, in illo manet, et ipse in eo: et in hoc scimus quoniam manet in nobis de Spiritu, quem dedit nobis.
Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.

< Iohannis I 3 >