< Oekyuk 35 >

1 In acn mwesis lun Moab sisken Infacl Jordan tulanang acn Jericho, LEUM GOD El fahk nu sel Moses,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy teo Arbota-moaba, amoron’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko, ka nanao hoe:
2 “Fahk nu sin mwet Israel lah elos enenu in sang kutu siti in acn ma elos eis lalos nu sin mwet Levi tuh elos in muta we, wi pac acn tupasrpasr ma raunela ac yohk mah we.
Mandidia ny Zanak’ Isiraely mba hanome tanàna ao amin’ ny zara-taniny avy honenan’ ny Levita; ary homenareo tany manodidina ny tanàna koa izy.
3 Siti inge ac fah ma lun mwet Levi, ac elos fah muta we. Acn ma yohk mah we inge ac fah nien tohf cow ac kain kosro nukewa natulos.
Koa ny tanàna dia honenany; ary ny tany dia ho an’ ny biby fiompiny sy ny fananany mbamin’ ny bibiny rehetra.
4 Acn in tohf kosro uh ac mutawauk sisken pot lun siti uh fahla yact lumfoko ke siska akosr kewa.
Ary ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny Levita dia izao: Hatramin’ ny màndan’ ny tanàna ka hatramin’ ny faritry ny taniny dia arivo hakiho amin’ ny lafiny efatra avy.
5 Na ac orala sie acn maspang ma srikasrak kac uh oasr ke sie tausin yact ke siska kewa, ac siti uh ac oan infulwa.
Dia handrefy roa arivo hakiho eo ivelan’ ny tanàna ianareo amin’ ny lafiny atsinanana, ary roa arivo hakiho amin’ ny lafiny atsimo, ary roa arivo hakiho amin’ ny lafiny andrefana, ary roa arivo hakiho amin’ ny lafiny avaratra, ary ny tanàna dia ho eo afovoany; izany no ho taniny manodidina ny tanàna.
6 Kom fah sang onkosr siti nu sin mwet Levi tuh in siti in molela, tuh sie mwet fin uniya sie pac mwet ke ongla ouiya, elan ku in kaing nu we. In weang siti inge, sang pac angngaul luo siti an nu selos,
Ary izao no tanàna izay homenareo ny Levita: dia tanàna enina, fandosirana, izay homenareo handosiran’ izay nahafaty olona, sy tanàna roa amby efa-polo koa.
7 wi acn tupasrpasr ac yohk mah we ma oan raunela. Siti angngaul oalkosr nufon fah ma lun mwet Levi.
Koa ny tanàna rehetra izay homenareo ny Levita dia valo amby efa-polo mbamin’ ny tany manodidina azy.
8 Pisen siti in acn lun kais sie sruf ma ac itukyang nu sin mwet Levi fah lumweyuk fal nu ke lupan acn lun sruf sac.”
Ary ny amin’ ny tanàna izay homenareo avy amin’ ny zara-tanin’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely, dia izay be no hanalanareo be, ary izay kely no hanalanareo kely: samy hanome tanàna ho an’ ny Levita izy rehetra araka ny zara-taniny avy.
9 LEUM GOD El fahk nu sel Moses,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
10 elan fahk nu sin mwet Israel: “Pacl se kowos alukela infacl Jordan nu in acn Canaan,
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tafita an’ i Jordana ianareo ka tonga any amin’ ny tany Kanana,
11 kowos fah srela kutu siti uh in nien molela, ma sie mwet el ac ku in kaing nu we el fin uniya sie mwet ke el tia oru in oaya.
dia hifidy tanàna ianareo, ho tanàna fandosirana ho anareo, mba handosiran’ izay nahafaty olona tsy nahy.
12 Ke el muta in acn se inge, el ac tia sangeng sin sou lun mwet misa sac su suk in foloksak. Mwet se fin tukakyak ke akmas, fah tia anwuki meet liki nununkeyuk el ye mutun mwet uh.
Dia ho fandosirana ho anareo mba tsy ho azon’ ny mpamaly rà izany tanàna izany, mba tsy ho faty izay nahafaty olona mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan’ ny fiangonana.
13 Sulela siti in molela onkosr:
Ary ireo tanàna homenareo ireo dia ho tanàna fandosirana enina ho anareo.
14 tolu siti uh in oan kutulap in Infacl Jordan, ac tolu siti fin acn Canaan.
Ny tanàna telo dia homenareo etỳ an-dafin’ i Jordana etỳ, ary ny tanàna telo kosa homenareo ao amin’ ny tany Kanana; ho tanàna fandosirana ireo.
15 Siti onkosr inge ac fah acn in wikla lun mwet Israel, oayapa mwetsac su mutangan aktuktuk yuruwos uh, ku mwetsac su ac muta inmasrlowos nwe tok. Kutena mwet su uniya mwet ke ongla ouiya, ac ku in kaing nu in sie sin siti inge.
Ireo tanàna enina ireo dia ho fandosirana ho an’ ny Zanak’ Isiraely sy ny vahiny ary ny mpitoetra ao aminy, mba handosiran’ izay rehetra nahafaty olona tsy nahy.
16 “Tusruktu sie mwet fin sringil sie mwet ke soko polo osra ac mwet sac misa, el mwet akmas. Sie mwet akmas enenu in anwuki.
Kanefa raha misy mamely vy olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
17 Ku kutena mwet su tukya sie mwet ke sie eot inpaol ac mwet sac misa, el mwet akmas. Sie mwet akmas enenu in anwuki.
Ary raha misy mamely vato olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
18 Ku sie mwet su sringilya siena mwet ke soko mwe anwuk orekla ke sak, ac mwet sac misa, na el sie mwet akmas. Sie mwet akmas enenu in anwuki.
Ary raha misy mamely hazo olona ka mahafaty, dia nahafaty olona izy; hatao maty tokoa izay nahafaty olona.
19 Ma kunen sou se ma fototo emeet nu sin mwet misa sac, in uniya mwet akmas sac. El fin konalak, elan unilya.
Ny mpamaly rà no mahazo mamono azy; raha mihaona aminy izy, dia mahazo mamono azy.
20 “Mwet se fin srunga sie mwet ac unilya ke sinukunulla nu ten, ku tungalilya,
Ary raha misy mamely olona noho ny lolom-po, na mitoraka olona amin’ ny fanotrehana, ka mahafaty,
21 ku fiskilya, oasr mwatal ke akmas, ac el ac fah anwuki. Ma kunen sou se ma fototo emeet nu sin mwet misa sac, in uniya mwet akmas sac. El fin konalak, elan unilya.
na mamely amin’ ny tànany noho ny fandrafiana ka mahafaty, dia hatao maty tokoa ilay namely; nahafaty olona izy; ny mpamaly rà no mahazo mamono azy, raha mihaona aminy izy.
22 “Tusruktu fin pa mwet se el sinukunla sie mwet nu ten, ku tungalilya na el misa, a mwet se ma oru ah el tia srungal ku oru in oaya.
Fa raha misy mamely olona tsy nahy, ka tsy noho ny fandrafiana, na mitoraka olona na amin’ inona na amin’ inona, nefa tsy amin’ ny fanotrehana,
23 Ku fin pa mwet se el sis eot se tuh uniya mwet se su el tia liye, ac el tia pac mwet lokoalok lal uh, na fuka?
na sendra manjera vato ka mahafaty olona, nefa tsy hitany, sady tsy fahavalony izy, na mitady handratra azy,
24 Ke ac nununkeyuk lumah ouinge uh, na mwet uh in wi layen lun mwet se ma orala misa sac, ac tia wi sou lun mwet misa sac su suk in foloksak.
dia hotsarain’ ny fiangonana ilay namely sy ny mpamaly rà araka izany lalàna izany.
25 Mwet uh in molela mwet se ma akmas liki sou lun mwet misa sac, ac elos fah folokunulla nu in siti in molela se ma el tuh kaingla nu we. El fah muta we nwe ke Mwet Tol Fulat se in pacl sac el misa.
Ary hovonjen’ ny fiangonana ho afaka amin’ ny mpamaly rà ilay nahafaty olona, ka hateriny indray ho ao amin’ ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin’ izy nandositra; ary hitoetra ao izy mandra-pahafatin’ ny mpisoronabe izay voahosotra tamin’ ny diloilo masìna.
26 Mwet se ma akmas ah fin illa liki siti in molela se ma el kaing nu we,
Fa raha mivoaka ho eo ivelan’ ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin’ izy nandositra ilay nahafaty olona
27 ac sou lun mwet misa sac fin konalak ac unilya, na foloksak se inge ac tia oaoa in akmas.
ka hitan’ ny mpamaly rà eo ivelan’ ny tanàna, dia azony vonoina izy; ary tsy hisy valin-drà amin’ izany,
28 Mwet se ma akmas el enenu in mutana in siti in molela nwe ke na Mwet Tol Fulat sac misa, na toko el fah ku in folokla nu in acn sel sifacna.
satria tokony ho nitoetra tao an-tanàna fandosirana izy mandra-pahafatin’ ny mpisoronabe; fa rehefa maty ny mpisoronabe, dia mahazo mody any amin’ ny zara-taniny ihany ilay nahafaty olona.
29 Ma sap inge ma nu suwos ac fwilin tulik nutuwos yen nukewa kowos muta we.
Ary izany zavatra izany dia ho lalàna hitondrana anareo hatramin’ ny taranakareo fara mandimby eny amin’ izay rehetra onenanareo.
30 “Sie mwet fin tukakyak ke akmas, na enenu in oasr mwet loh luo ku pus liki, tuh in ku in koneyukyak lah oasr mwatal, ac fal elan misa. Mwet loh sefanna tiana fal in akpwayeye tukak lun akmas.
Ny amin’ izay rehetra mahafaty olona, dia hatao maty izay mahafaty, araka ny tenin’ ny vavolombelona; nefa raha vavolombelona iray monja, dia tsy ampy hanameloka hahafaty olona izany.
31 Sie mwet akmas enenu in anwuki. El tia ku in kaingkunla mwe kai se inge el finne sang mani in moli.
Ary ianareo tsy handray avotry ny ain’ ny nahafaty olona, izay meloka ka tokony ho faty; fa hatao maty tokoa izy.
32 Mwet se fin kaingla nu in sie siti in molela, nikmet lela nu sel elan sang mani molel in folok nu acn sel meet liki Mwet Tol Fulat el misa.
Ary ianareo tsy handray avotra ho an’ izay mandositra ho ao an-tanàna fandosirana, mba hodiany indray hitoetra amin’ ny taniny, raha mbola tsy maty ny mpisorona.
33 Kowos fin oru lumah se inge, kowos ac akfohkfokyela facl ma kowos muta we uh, mweyen akmas uh el akfohkfokyela acn. Mwet akmas sac fin tia misa, na wangin pac sie inkanek in aknasnasyela acn se ma sie mwet el anwuki we.
Ary aza mametaveta ny tany izay onenanareo, fa ny rà dia fametavetana ny tany; ary ny tany tsy azo anaovana fanavotana ny amin’ ny rà izay nalatsaka teo, afa-tsy amin’ ny ran’ izay nandatsaka azy ihany.
34 Nikmet akfohkfokyela facl se ma kowos muta we uh, tuh nga LEUM GOD, ac nga muta inmasrlon mwet Israel.”
Ary aza lotoinareo ny tany onenanareo, izay itoerako; fa Izaho Jehovah mitoetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely.

< Oekyuk 35 >