< Isaiah 61 >

1 Ngun lun LEUM GOD Fulatlana oan fuk. El suleyula, mosrweyula ac supweyume In use pweng wo nu sin mwet sukasrup, In akkeyala insien mwet su munasla finsrak la, In fahkak lah God El aksukosokye mwet sruoh, Ac El tulala elos su muta in kapir.
Ny Fanahin’ i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin’ ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin’ ny mazava,
2 El supweyume in sulkakin Lah pacl uh summa Ke LEUM GOD El fah molela mwet lal, Ac kutangla mwet lokoalok lalos. El supweyume in akwoyalos nukewa su asor,
Hitory taona ankasitrahan’ i Jehovah sy andro famalian’ Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra,
3 Ac in oru tuh elos su mwemelil in Zion In engan ac insewowo, ac tia asor, Tuh elos in onkakin soko on in kaksak ac tia on in asor. Elos ac fah oana sak Ma LEUM GOD sifacna El yukwiya. Elos nukewa fah oru ma suwohs, Ac mwet uh fah kaksakin God ke ma El orala.
Hanolotra ho an’ ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon’ ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon’ ny fahamarinana, nambolen’ i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra.
4 Elos fah sifil musaela siti ma oanna sruala ke pacl na loes, Ac aksasuye acn ma musalla ke fwil puspis somla.
Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin’ ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin’ ny taranaka lasa ela.
5 Mwet luk, mwetsac ac fah kulansupwekowos. Elos ac fah karingin un kosro nutuwos Ac imai acn suwos, ac liyaung ima in grape sunowos.
Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman’ osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanim-boaloboka ho anareo,
6 Ac fah eteyuk kowos lah kowos mwet tol lun LEUM GOD, Mwet kulansap lun God lasr. Kowos fah engankin mwe kasrup lun mutunfacl puspis, Ac konkin lah ma ingan ma lowos.
Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron’ i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo ny haren’ ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo.
7 Mwe mwekin ac mwe akkoluk nu suwos uh safla. Kowos fah muta in facl suwos sifacna, Ac mwe kasrup lowos ac fah yokelik pacl luo. Engan lowos fah oanna nwe tok.
Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin’ ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin’ ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy.
8 LEUM GOD El fahk, “Nga lungse nununku suwohs, ac nga srunga pisrapasr ac orekma sesuwos. Nga fah oaru in sang ma lacne nu sin mwet luk, Ac nga fah oru sie wuleang kawil yorolos.
Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin’ ny faharatsiana; homeko ny valin’ asany amin’ ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy.
9 Elos ac fah pwengpeng inmasrlon mutunfacl uh. Mwet nukewa su liyalos fah etu Lah elos mwet su nga akinsewowoye.”
Ny taranany ho fantatra any amin’ ny jentilisa ary ny terany any amin’ ny firenena; Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin’ i Jehovah.
10 Jerusalem el arulana engankin ma LEUM GOD El oru. God El nokmulang ke molela ac kutangla, Ac ma inge oana mwe naweyuk lun mutan se ac mukul se su akola in marut.
Hifaly dia hifaly amin’ i Jehovah aho, ny fanahiko ho ravoravo amin’ Andriamanitro; fa notafiany fitafiana famonjena aho, ary nakanjoiny akanjo fahamarinana, toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona, ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.
11 In oana ke fita uh ac srunak ac kapak, Ouinge LEUM GOD Fulatlana El fah molela mwet lal, Ac mutunfacl nukewa fah kaksakunul.
Fa tahaka ny tany mampitsimoka izay ao aminy, ary tahaka ny tanimboly mampaniry izay nafafy tao aminy, dia toy izany no hampisehoan’ i Jehovah Tompo fahamarinana sy fiderana eo anatrehan’ ny firenena rehetra.

< Isaiah 61 >