< Genesis 7 >

1 LEUM GOD El fahk nu sel Noah, “Utyak nu in oak uh wi sou lom nufon. Nga liye tuh kom mukena in faclu nufon pa oru ma suwohs.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Noa: Midìra ao anatin’ ny sambo-fiara ianao mbamin’ ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’ izao olona miara-belona aminao izao.
2 Us kais itkosr sianyan ke kain in kosro ma nasnas in wi kom, tusruktu kais lukwa na ke kain kosro saya ma tia nasnas.
Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy;
3 Oayapa us kais itkosr sianyan ke kain in won. Oru ouinge tuh kain in kosro ac won nukewa fah moul ac sifilpa isus fin faclu.
ary ny voro-manidina koa isan-karazany fito avy, lahy sy vavy: mba tsy ho lany taranaka ambonin’ ny tany rehetra ireny.
4 Tukun len itkosr nga ac supwama af ma ac kahk ke len angngaul ac fong angngaul, in tuh kunausla ma nukewa ma oasr moul la ma nga orala.”
Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin’ ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin’ ny tany.
5 Ac Noah el orala ma nukewa ma LEUM GOD El sapkin.
Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian’ i Jehovah azy.
6 Noah el yac onfoko ke sronoti faclu.
Ary efa enin-jato taona Noa, raha tonga tambonin’ ny tany ny safo-drano.
7 El, mutan kial, wen natul ac mutan kialos sroang nu in oak uh in kaingla liki sronot uh.
Ary Noa sy ny vadiny aman-janany, mbamin’ ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin’ ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano.
8 Mukul se ac mutan se ke kain kosro ac won nukewa, finne ma nasnas ku ma tia nasnas,
Ary ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin’ izay rehetra mandady na mikisaka amin’ ny tany,
9 welul Noah utyak nu in oak uh, oana ke God El sapkin.
dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin’ i Noa tao anatin’ ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian’ Andriamanitra an’ i Noa.
10 Tukun len itkosr na sronot ah tuku.
Ary rehefa afaka hafitoana, dia tonga tambonin’ ny tany ny safo-drano.
11 Ke Noah el yac onfoko matwal, in len se aksingoul itkosr ke malem se akluo, unon in kof nukewa ke kof lulap ye faclu fokelik ac kof uh asrma, ac ikakelik inkusrao pac,
Tamin’ ny andro fahafito ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny fahenin-jato taona niainan’ i Noa, tamin’ izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin’ ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran’ ny lanitra.
12 ac af uh kahk nu fin faclu ke len angngal ac fong angngaul.
Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin’ ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina.
13 Ke len sacna, Noah ac mutan kial sroang nu in oak uh, wi wen tolu natultal, Shem, Ham, ac Japheth, ac mutan kialtal.
Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin’ ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin’ i Noa, mbamin’ ny vadin’ i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy;
14 Kain in kosro muna ac lemnak, yohk ac srik nukewa, ac kain in won nukewa welulos utyak nu in oak uh.
dia izy ireo sy ny bibi-dia rehetra; samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, samy araka ny karazany avy, ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy, dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra.
15 Mukul se ac mutan se ke kain in ma moul nukewa welul Noah utyak nu in oak uh,
Dia niditra tao amin’ i Noa tao anatin’ ny sambo-fiara ireo, dia tsiroaroa avy tamin’ ny nofo rehetra izay manam-pofonaina.
16 oana ke God El sap. Na LEUM GOD El kaleang srungul in oak uh.
Ary izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin’ ny nofo rehetra, araka izay nandidian’ Andriamanitra an’ i Noa; ary narindrin’ i Jehovah tao izy.
17 Sronot uh yokyokelik ke len angngaul, ac kof uh lapak nwe pahtkakunak oak uh.
Ary naharitra efa-polo andro tambonin’ ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho afaka amin’ ny tany izy.
18 Kof uh loali, na oak ah pahtpat fin kof uh.
Ary nahery ny rano ka tonga betsaka indrindra tambonin’ ny tany; dia nandeha teny ambonin’ ny rano ny sambo-fiara.
19 Lapak nwe eol ma fulat oemeet uh afla pac.
Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin’ ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin’ ny lanitra rehetra.
20 Sronot uh kiluk na nu lucng nwe ke na sun fit longoul limekosr lucng liki mangon eol fulat faclu.
Dimy ambin’ ny folo hakiho no nihoaran’ ny rano, ka voasarona ny tendrombohitra.
21 Ma oasr moul la nukewa fin faclu misa — won nukewa, kosro nukewa, ac mwet nukewa.
Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin’ ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany ary ny olona rehetra.
22 Ma nukewa ma oasr momong la fin faclu misa.
Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin’ izay rehetra teo amin’ ny tany maina, dia maty avokoa.
23 LEUM GOD El kunausla ma moul nukewa faclu — mwet, kosro, ac won. Pwayena ma lula pa Noah, sou lal, ac ma nukewa su welul in oak uh.
Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin’ ny tany, hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin’ ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ ny sambo-fiara ihany no sisa velona.
24 Kof uh tiana kiluk nu ten, nwe ke sun len aksiofok lumngaul.
Ary nahery tambonin’ ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano.

< Genesis 7 >

The Great Flood
The Great Flood