< Bhakolosai 4 >

1 Bheso bhugenyi, nimusoshega ku bhagaya emisango jinu jili jo bhulengelesi ne ja Jintugwa je kisi. Mumenyele one ati munage Latabhugenyi mu lwile.
Hianareo tompo, ataovy amin’ ny mpanomponareo izay marina sy izay mety, satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.
2 Nimugendelelega okukomela mu kusabhwa. Nimutengejenga mwijo mu sime.
Mahareta amin’ ny fivavahana, ka miambena amin’ izany amin’ ny fisaorana,
3 Nimusabhwega muli amwi ingulu yeswe one, koleleki ati Nyamuanga egule omulyango ingulu yo musango, okwaika imbisike ye chimali eya Kristo. Kunsonga ya linu nibhoyelwe ne bhibhoyelo.
ary mangataha koa ho anay, mba hamohan’ Andriamanitra varavarana ho an’ ny teny hilazanay ny zava-niafina izay an’ i Kristy, sady izany no namatorana ahy,
4 Na nimusabhwega ati nitule okuguta abhwelu, lwa kutyo jinyiile okwaika.
mba haharihariko tsara izany tahaka izay tokony hitenenako.
5 Nimulibhatega mu bhwengeso ku bhaliya bhanu bhali emwila, muguchuse omwana.
Mandehana amin’ ny fahendrena amin’ izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa.
6 Emisango jemwe na jibhe ne chigongo mu mwanya gwona, na galungwe omunyu katungu Kona, koleleki ati mutule okumenya lwa kutyo kubheile okumusubhya bhuli munu.
Aoka ny fiteninareo ho amin’ ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.
7 Ku misango jinu ejilubhililana nanye, Tikiko kakola jimenyekane kwemwe. Omwene ni wasu omwendwa, omukosi omwiikanyibhwa, no mugaya wejasu mu Latabhugenyi.
Ny toetro rehetra dia holazain’ i Tykiko aminareo, dia ilay rahalahy malala sy mpanompo mahatoky ary namako manompo ao amin’ ny Tompo;
8 Enimutuma kwemwe ingulu ya linu, ati mutule okumenya emisango jinu ejo kulubhililana neswe one ati mutule okubhatamo omwoyo.
ny anton’ ny nanirahako azy ho atỳ aminareo indrindra dia ny hahafantaranareo ny toetray, sy ny mba hamporisihany ny fonareo;
9 Enimutuma amwi na Onesimo, owasu omwendwa omwiikanyibhwa, no oumwi wemwe. Abhajo okubhabhwila bhuli chinu chinu chabhonekene anu.
ary Onesimosy, rahalahy mahatoky sy malala izay avy aminareo, dia nirahiko koa. Izy roa lahy hampahafantatra anareo ny zavatra rehetra atỳ.
10 Aristarko, omubhoywa wejasu, kabhakesha, one na Marko omwana wa mama-wabho na Bharnabha unu mwalamiye obhwitondi okusoka kwaye, “Nolwo akaja kwemwe, mumulamile,”
Manao-veloma anareo Aristarko, mpiara-mifatotra amiko, sy Marka, havan’ i Barnabasy (ny aminy dia efa nandidiana anareo, ka raha tonga atỳ aminareo izy, dia raiso),
11 Nawe Yesu one unu kabhilikilwa Yusto. Bhanu bhenyele ni bho olutendo ni bhakosi bhe bhilimu bhejasu ingulu yo bhukama bhwa Nyamuanga. Bhwebhwe bhanu bho kusilisha anye.
ary Jesosy, izay atao hoe Josto, avy amin’ ny voafora ireo. Ireo ihany no mpiara-miasa amiko hampandroso ny fanjakan’ Andriamanitra sady tonga fampiononana ahy.
12 Epafra one kabhakesha. Omwene ni umwi wemwe na ni mugaya wa Kristo Yesu. Mwenene akomee mu okusabhwa koleleki ati mutule okwimelegulu kwo bhukumiye no kumenyegesha mu kukumila kwe lyenda lyona elya Nyamuanga.
Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon’ i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin’ ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin’ izay rehetra mety ho sitrapon’ Andriamanitra.
13 Kulwo kubha enimubhambalila, ati akomee okukola emilimu ingulu emwe, kubhanu bhali Laodekia, na kubhanu bhali Hierapoli.
Fa vavolombelony aho fa mikely aina fatratra ho anareo sy ho an’ ny any Laodikia ary ho an’ ny any Hierapolia izy.
14 Luka ulya omufumu omwendwa, na Dema abhabhakesha.
Manao veloma anareo Lioka malala, mpanao fanafody, sy Demasy.
15 Abhabhakesha abhasu bhanu bhali Laodekia, na Nimfa, na likanisa lilya linu Lili eyo ika ewae.
Manaova veloma ny rahalahy any Laodikia ary Nymfa sy ny fiangonana ao an-tranony.
16 Inyalubha inu alibha yasomwa kwimwe, isomwe one mwi Kanisa lya bhalaodekia, nemwe one mukomeleshe ati omuisoma inyalubha ilya okusoka Laodekia.
Ary rehefa voavaky atỳ aminareo ity epistily ity, dia asaovy hovakina ao amin’ ny fiangonan’ ny Laodikiana koa; ary vakionareo kosa ilay avy amin’ ny Laodikiana.
17 Yaika kwa Arkipo, “Lola obhufulubhendi bhulya bhunu ulamiye mu Latabhugenyi, ati kukwiile okuikumisha.”
Ary lazao amin’ i Arkipo hoe: Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin’ ny Tompo mba hahatanterahanao izany.
18 Obhukesha bhunu ni bwo kubhoko kwani Anye omwene -Paulo. Nimujichuke jimboyelo jani. Echigongo chibhe amwi nemwe.
Ity no veloma ataon’ ny tanako, izaho Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.

< Bhakolosai 4 >