< Ebhikolwa bhya Jintumwa 11 >

1 Jintumwa na bhaili bhalya bhaliga bhali eyo yudea nibhongwa ati abhanu bha Maanga one bhagulamie omusango gwa Nyamuanga.
Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany Jodia dia nahare fa ny jentilisa koa efa nandray ny tenin’ Andriamanitra.
2 Petro ejile aja eyo Yerusalemu, echise cha bhanu bhanu bhaliga batendelwe nibhamba okumugaya, nibhaika,
Ary nony tafakatra tany Jerosalema Petera, dia nila ady taminy ny mino izay isan’ ny voafora
3 “ugwatene na bhanu bhanu bhatatendelwe no kulya nabho!”
ka nanao hoe: Efa niantrano tany amin’ ny olona tsy voafora ianao sady niara-nihinana taminy.
4 Mbe nawe Petro namba okwelesha kutyo gabhonekene mu bhwima; naika,
Ary Petera dia nitantara izany taminy hatramin’ ny niandohany ka nanao hoe:
5 “Naliga ninsabhwa mu musi gwa Yafa, Mbe nindola ebhilolo bhye chinu chinu chaliga nichika lwo mwenda munene nigwika okusoka mu lwile ku nsonde yagwo jone enna. echinu echo nichika Kwanye.
Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin’ ny zorony efatra, dia nankeo amiko izany;
6 Ninchilolelela no kuchiganilisha. Nindola jityanyi eja magulu gana jinu jikae kuchalo, na jityanyi ja Ibhala na bhinu ebhikwesa na jinyonyi ja mulutumbha.
ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny biby etỳ an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa.
7 Mbe ninungwa Obhulaka nibhwaika nanye, “imuka Petro ubhage na ulye!”
Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano.
8 Ninaika,'jitali kutyo, Latabugenyi, mukanwa yani chichaliga kwingilamo chinu chona chona chinu chitali chelu amwi chijabhi”
Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin’ ny vavako izay zava-padina na tsy madio.
9 Mbe nawe Obhulaka nibusubhya lindi okusoka mu lwile, chinu Nyamuanga alasishe kubha chelu, wasiga kuchibhilikila chijabhi,
Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin’ Andriamanitra aza ataonao ho fady.
10 Gunu gwabhonekene kwiya ngendo esatu, na bhuli chinu nichigegwa lindi mulwile
Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra izany.
11 Lola, omwanya ogwo bhanu bhasatu bhaliga bhemeleguyu imbhele ya inyumba ilya munu chaliga chili; bhatumwa okusoka Kaisaria okuja Kwanye.
Ary tamin’ izay dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan’ ny trano nitoeranay, izay iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko.
12 Mwoyo nambwila okugenda nabho, na nasiga okutasikana nabho Bhanu bhalume mukaga nibhagenda amwi nanye na nichigenda ku nyumba yo munu umwi
Dia nasain’ ny Fanahy hiaraka tamin’ ireo aho ka tsy hizaha tavan’ olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay.
13 Achibhwilie kutyo amulolele malaika emeleguyu mu nyumba yae naika,” niuntume nigende Yafa nimulete Simoni unu lisina lyae elindi ni Petro.
Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera;
14 Kajo kwaika emisango kwawe kwibhyo oujo okukisibhwa awe na inyumba yao.”
izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra.
15 Nejile namba okwaika nabho, Mwoyo Mwelu nabhajako lwa kutyo ejile kwiswe mu bhwambilo.
Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masìna tahaka ny tamintsika fahiny.
16 Enichuka emisango ja Latabugenyi lwa kutyo aikile, Yohana abhatijishe kwa manji; Nawe omuja okubhatijibhwa kwo Mwoyo Mwelu.”
Dia nahatsiaro ny tenin’ ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin’ ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin’ ny Fanahy Masìna.
17 Alabha one Nyamuanga asosishe ebhiyanwa lwa kutyo achiyanile eswe anu chekilisishe mu Latabugenyi Yesu Masiya, anye nanye ga unu enitula okumuganya Nyamuanga?
Koa raha mba homen’ Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an’ i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an’ Andriamanitra?
18 Bhejile bhongwa amasango ago, bhatasubhishe, nawe bhamusimile Nyamuanga no kwaika, Nyamuanga asosha okuta kwa bha maanga one.”
Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an’ Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen’ Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.
19 Mbe abhekilisha bhanu Jinyako jambie mu lufu lwa Stephano bhanyalambukile okusoka mu Yerusalemu -abhekilisha bhanu bhajie kula kukinga Foinike, Kipro na Antiokia. Bhabhabhwilie emisango ja Yesu enyele-ela mu Bhayaudi na ati atalio oundi wona wona.
Ary izay niely noho ny fanenjehana tamin’ i Stefana dia nandeha hatrany, Foinika sy Kyprosy ary Antiokia, nefa tsy nitoriteny tamin’ ny olona izy, afa-tsy tamin’ ny Jiosy ihany.
20 Mbe nawe abhandi bhebhwe ni bhanu abhasoka Kipro na Krene, bhejile Antiokia no kwaika na Bhayunani no kumulasha Latabugenyi Yesu.
Ary ny sasany tamin’ ireny, dia lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena izay tonga tany Antiokia, dia niresaka tamin’ ny jentilisa koa ka nitory an’ i Jesosy Tompo.
21 No kubhoko kwa Latabugenyi kwaliga kuli amwi nabho, na bhanu bhafu bhekilisishe no kumuindukila Latabugenyi.
Ary ny tanan’ ny Tompo nomba azy ireo, ka maro no isan’ izay nino sy niverina ho amin’ ny Tompo.
22 Emisango jebhwe nijikingila mu matwi ga Ikanisa inu yaliga ili Yerusalemu: Mbe nibhamtuma Barnaba agende Antiokia.
Ary ren’ ny sofin’ ny fiangonana tany Jerosalema ny amin’ ireo, dia naniraka an’ i Barnabasy izy handeha hatrany Antiokia.
23 Ejile aja no kulola ebhiyanwa bhya Nyamuanga akondeywe; no kubhatamo omwoyo bhona ati bhasigale na Latabugenyi mu mioyo jebhwe.
Ary rehefa tonga izy ka nahita ny fahasoavan’ Andriamanitra, dia faly ka nananatra azy rehetra haharitra hiray amin’ ny Tompo amin’ ny fo minia fatratra.
24 Kulwo kubha aliga ali munu wa bhwana na ejusibhwe na Mwoyo Mwelu ne likilisha lya Bhanu bhafu nibheyongesha ku Latabugenyi.
Fa lehilahy tsara fanahy izy sady feno ny Fanahy Masìna sy finoana; ary maro be ny olona nanampy ho an’ ny Tompo.
25 Okumala Barnaba ajie Tarso okumulola Sauli.
Dia lasa Barnabasy nankany Tarsosy hitady an’ i Saoly.
26 Ejile amubhona, namuleta Antiokia. ejile amala mwaka gumwi mkobhe nibhekofyanya amwi na likanisa no kwi- igisha bhanu bhafu. Abheigisibhwa kwo lugendo lwo kwamba niwo nibhabhilikilwa abhakilisto eyo Antiokia.
Ary rehefa nahita azy izy, dia nitondra azy hankany Antiokia. Ary niara-niasa tao amin’ ny fiangonana hatramin’ ny herintaona ngarangidina izy roa lahy ka nampianatra olona maro; ary tany Antiokia no voalohany nanaovana ny anaran’ ny mpianatra hoe.
27 Mu naku jinu abhalagi nibhatelemuka okusoka mu Yerusalemu nibhakinga Antiokia
Ary tamin’ izany andro izany dia nisy mpaminany sasany avy tany Jerosalema nankany Antiokia.
28 Oumwi webhwe katogwa Agabho ndyo lisina lyae, nemelegulu nelesibhwa na Mwoyo ati oguja okubhao omweko mwafu muchalo Chona. Jinu jabhonekene mu mwanya gwa jisiku ja Klaudio.
Ary nitsangana ny anankiray tamin’ ireny, izay atao hoe Agabo, fa voatsindrin’ ny Fanahy izy ka nilaza fa hisy mosary be eran’ ny tany rehetra. Ary dia tonga izany tamin’ ny andron’ i Klaodio.
29 Kulwejo, abheigisibhwa, bhuli munu lwa kutyo aliga nabhona, nibhalamula okusila ebhinu byo kubhasakila abhanu bhanu bhaliga mu Bhuyaudi.
Ary ny mpianatra ninia hampitondra zavatra araka ny ananany hamonjy ny rahalahy izay nonina tany Jodia.
30 Bhakolele kutya, bhatumile Barnaba na Sauli mu mabhoko gebhwe okubhasilila Jimpilya.
Dia nataony izany, ary ny tànan’ i Barnabasy sy Saoly no nampitondrainy izany ho any amin’ ny loholona.

< Ebhikolwa bhya Jintumwa 11 >