< ヤコブの手紙 3 >

1 私の兄弟たち。多くの者が教師になってはいけません。ご承知のように、私たち教師は、格別きびしいさばきを受けるのです。
Ry rahalahiko, aza dia samy ho mpampianatra be ihany ianareo, satria fantatrareo fa ho mafimafy kokoa no hitsarana anay mpampianatra.
2 私たちはみな、多くの点で失敗をするものです。もし、ことばで失敗をしない人がいたら、その人は、からだ全体もりっぱに制御できる完全な人です。
Fa tafintohina amin’ ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.
3 馬を御するために、くつわをその口にかけると、馬のからだ全体を引き回すことができます。
Ary raha asiantsika lamboridy amin’ ny vavan’ ny soavaly mba hanarahany antsika, dia mitondra ny tenany rehetra isika.
4 また、船を見なさい。あのように大きな物が、強い風に押されているときでも、ごく小さなかじによって、かじを取る人の思いどおりの所へ持って行かれるのです。
Indreo koa ny sambo, na dia lehibe aza ireny ka entin’ ny rivotra mahery, dia ahodin’ ny familiana kely foana izy ho any amin’ izay tian’ ny mpitondra.
5 同様に、舌も小さな器官ですが、大きなことを言って誇るのです。ご覧なさい。あのように小さい火があのような大きい森を燃やします。
Dia toy izany koa ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon’ ny antontan-kazo arehitry ny afo kely!
6 舌は火であり、不義の世界です。舌は私たちの器官の一つですが、からだ全体を汚し、人生の車輪を焼き、そしてゲヘナの火によって焼かれます。 (Geenna g1067)
Ary afo ny lela, dia faharatsiana tsy hita lany; eo amin’ ny momba ny tenantsika dia ny lela no mampipentimpentina ny tena rehetra ka mampirehitra izao zavatra ary rehetra izao, sady arehitry ny helo izy; (Geenna g1067)
7 どのような種類の獣も鳥も、はうものも海の生き物も、人類によって制せられるし、すでに制せられています。
Fa folaka avokoa ny karazan’ ny bibi-dia rehetra sy ny vorona sy ny biby mandady sy mikisaka mbamin’ ny any an-dranomasina, eny, voafolaky ny olombelona ireny;
8 しかし、舌を制御することは、だれにもできません。それは少しもじっとしていない悪であり、死の毒に満ちています。
fa tsy misy olona mahafolaka ny lela; zava-dratsy tsy manam-pijanonana izy sady feno ody mahafaty.
9 私たちは、舌をもって、主であり父である方をほめたたえ、同じ舌をもって、神にかたどって造られた人をのろいます。
Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik’ Andriamanitra.
10 賛美とのろいが同じ口から出て来るのです。私の兄弟たち。このようなことは、あってはなりません。
Ny vava iray ihany no ivoahan’ ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.
11 泉が甘い水と苦い水を同じ穴からわき上がらせるというようなことがあるでしょうか。
Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin’ ny vavany iray ihany?
12 私の兄弟たち。いちじくの木がオリーブの実をならせたり、ぶどうの木がいちじくの実をならせたりするようなことは、できることでしょうか。塩水が甘い水を出すこともできないことです。
Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan’ oliva, na ny voaloboka mamoa voan’ aviavy? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan’ ny mamy.
13 あなたがたのうちで、知恵のある、賢い人はだれでしょうか。その人は、その知恵にふさわしい柔和な行ないを、良い生き方によって示しなさい。
Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ ny fitondran-tena tsara ny asany amin’ ny fahalemem-panahin’ ny fahendrena.
14 しかし、もしあなたがたの心の中に、苦いねたみと敵対心があるならば、誇ってはいけません。真理に逆らって偽ることになります。
Fa raha misy fialonana mirehitra sy fifampiandaniana ao am-ponareo, aza mirehareha na mandainga manohitra ny marina.
15 そのような知恵は、上から来たものではなく、地に属し、肉に属し、悪霊に属するものです。
Izany fahendrena izany dia tsy ny avy any ambony, fa araka ny etỳ an-tany ihany, araka ny nofo, araka ny an’ ny demonia.
16 ねたみや敵対心のあるところには、秩序の乱れや、あらゆる邪悪な行ないがあるからです。
Fa izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin izay asa ratsy rehetra.
17 しかし、上からの知恵は、第一に純真であり、次に平和、寛容、温順であり、また、あわれみと良い実とに満ち、えこひいきがなく、見せかけのないものです。
Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.
18 義の実を結ばせる種は、平和をつくる人によって平和のうちに蒔かれます。
Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin’ ny fihavanana ho an’ izay mampandroso ny fihavanana.

< ヤコブの手紙 3 >