< テサロニケ人への手紙第二 2 >

1 さて兄弟たちよ。私たちの主イエス・キリストが再び来られることと、私たちが主のみもとに集められることに関して、あなたがたにお願いすることがあります。
Ary mangataka aminareo izahay, ry rahalahy, ny amin’ ny fihavian’ i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy,
2 霊によってでも、あるいはことばによってでも、あるいは私たちから出たかのような手紙によってでも、主の日がすでに来たかのように言われるのを聞いて、すぐに落ち着きを失ったり、心を騒がせたりしないでください。
mba tsy halaky hohetsiketsehina amin’ ny saina na hampitahorina ianareo, na amin’ ny fanahy, na amin’ ny teny, na amin’ ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron’ ny Tompo.
3 だれにも、どのようにも、だまされないようにしなさい。なぜなら、まず背教が起こり、不法の人、すなわち滅びの子が現われなければ、主の日は来ないからです。
Aza mety hofitahin’ olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin’ ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana,
4 彼は、すべて神と呼ばれるもの、また礼拝されるものに反抗し、その上に自分を高く上げ、神の宮の中に座を設け、自分こそ神であると宣言します。
ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin’ ny tempolin’ Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra.
5 私がまだあなたがたのところにいたとき、これらのことをよく話しておいたのを思い出しませんか。
Tsy tsaroanareo va fa fony mbola teo aminareo ihany aho, dia efa nilaza izany zavatra izany taminareo?
6 あなたがたが知っているとおり、彼がその定められた時に現われるようにと、いま引き止めているものがあるのです。
Ary ankehitriny fantatrareo ny zavatra misakana, mba hampisehoana azy amin’ ny fotoan’ androny.
7 不法の秘密はすでに働いています。しかし今は引き止める者があって、自分が取り除かれる時まで引き止めているのです。
Fa miasa sahady ny zava-miafina, dia ny tsi-fankatoavan-dalàna, kanefa mandra-panaisotra ilay misakana ankehitriny ihany.
8 その時になると、不法の人が現われますが、主は御口の息をもって彼を殺し、来臨の輝きをもって滅ぼしてしまわれます。
Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin’ i Jesosy Tompo amin’ ny fofonain’ ny vavany ary hofoanany amin’ ny fisehoan’ ny fihaviany;
9 不法の人の到来は、サタンの働きによるのであって、あらゆる偽りの力、しるし、不思議がそれに伴い、
ny fihavin’ ilehiny dia araka ny fiàsan’ i Satana amin’ ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra
10 また、滅びる人たちに対するあらゆる悪の欺きが行なわれます。なぜなら、彼らは救われるために真理への愛を受け入れなかったからです。
ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin’ izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy.
11 それゆえ神は、彼らが偽りを信じるように、惑わす力を送り込まれます。
Koa izany no ampanateran’ Andriamanitra fiàsan’ ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga,
12 それは、真理を信じないで、悪を喜んでいたすべての者が、さばかれるためです。
mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.
13 しかし、あなたがたのことについては、私たちはいつでも神に感謝しなければなりません。主に愛されている兄弟たち。神は、御霊によるきよめと、真理による信仰によって、あなたがたを、初めから救いにお選びになったからです。
Fa izahay tsy maintsy misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan’ ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin’ ny voalohany hahazo famonjena amin’ ny fanamasinan’ ny Fanahy sy ny finoana ny marina,
14 ですから神は、私たちの福音によってあなたがたを召し、私たちの主イエス・キリストの栄光を得させてくださったのです。
sady ho amin’ izany koa no niantsoany anareo tamin’ ny filazantsaranay hahazoanareo ny voninahitr’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
15 そこで、兄弟たち。堅く立って、私たちのことば、または手紙によって教えられた言い伝えを守りなさい。
Koa tomoera tsara, ry rahalahy, ka hazòny ny fampianarana natolotra izay nampianarina anareo, na tamin’ ny teninay, na tamin’ ny epistilinay.
16 どうか、私たちの主イエス・キリストであり、私たちの父なる神である方、すなわち、私たちを愛し、恵みによって永遠の慰めとすばらしい望みとを与えてくださった方ご自身が、 (aiōnios g166)
Ary Jesosy Kristy Tompontsika sy Andriamanitra Raintsika, Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara amin’ ny fahasoavana, (aiōnios g166)
17 あらゆる良いわざとことばとに進むよう、あなたがたの心を慰め、強めてくださいますように。
no hampionona ny fonareo anie sy hampahery anareo amin’ ny asa sy ny teny tsara rehetra.

< テサロニケ人への手紙第二 2 >