< ヨハネの黙示録 16 >

1 我又大いなる聲の[聖]殿より出でて、七の天使に斯く言へるを聞けり、汝等往きて神の御怒の七の器[の物]を地上に注げ、と。
Ary nahare feo mahery avy tao amin’ ny tempoly aho nanao tamin’ ny anjely fito hoe: Mandehana, aidino amin’ ny tany ny ao amin’ ny lovia fito feno ny fahatezeran’ Andriamanitra.
2 斯て第一の天使、往きて其器[の物]を地上に注ぎしかば、獣の印章を有せる人々、及び其像を拝したる人々の身に、惡性の甚しき腫物生じたり。
Ary ny voalohany nandeha, dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny tany; dia nisy vay ratsy sady mampahory tamin’ ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia sy niankohoka teo anatrehan’ ny sariny.
3 第二の天使其器[の物]を海上に注ぎしかば、死人の血の如くに成りて、海に在る活物悉く死せり。
Ary ny faharoa nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny ranomasina; dia nody rà tahaka ny ran’ ny olona maty ny ranomasina: ary maty ny zava-manan’ aina rehetra tao aminy.
4 第三の天使其器[の物]を川及び水の源に注ぎしかば、變じて血と成れり。
Ary ny fahatelo nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny ony sy ny loharano; dia nody rà ireny.
5 斯て我水を司る天使の斯く言へるを聞けり、現に在し、又曾て在しし主よ、汝は正義にて在す、斯の如く審判し給へるものよ、汝は聖にて在す、
Ary nahare ny anjelin’ ny rano aho nanao hoe: Marina Hianao, ilay ankehitriny sy taloha, dia ny Iray Masìna, satria efa nitsara toy izany Hianao;
6 蓋人々は汝の諸聖人、諸預言者の血を注ぎたれば、汝彼等に血を與へて飲ましめ給へり、彼等は之に値する者なればなり、と。
fa ny ran’ ny olona masìna sy ny mpaminany no nalatsany, ka dia rà kosa no nomenao hosotromy; ary tandrifiny ho azy irany.
7 又別の天使の祭壇より斯く言へるを聞けり、然り、全能の神にて在す主よ、眞實にして正義なる哉汝の審判、と。
Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao.
8 第四の天使其器[の物]を太陽に注ぎしかば、激しき暑を以て人々を焼き悩ます事を許され、
Ary ny fahelatra nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin’ ny afo izy.
9 人々激しき暑の為に焼かれて、斯る禍の上に権力を有し給へる神の御名を罵り、且改心せずして、光榮を神に歸し奉らざりき。
Ary main’ ny hafanana be ny olona, dia niteny ratsy ny anaran’ Andriamanitra, Izay manam-pahelana amin’ ireny loza ireny, izy sady tsy nibebaka mba hanome voninahitra Azy.
10 第五の天使其器[の物]を彼獣の座の上に注ぎしかば、獣の國暗黒と成りて、人々苦の餘りに己が舌を噛み、
Ary ny fahadimy nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny seza fiandrianan’ ilay bibi-dia; dia tonga maizina ny fanjakany, ary ny olona nitsakotsako ny lelany noho ny fanaintainana,
11 其苦と禍との為に天の神を罵り、己が業より改心せざりき。
dia niteny ratsy an’ Andriamanitry ny lanitra izy noho ny fanaintainany sy ny vainy sady tsy nibebaka tamin’ ny asany.
12 第六の天使其器[の物]をユウフラテの大河の上に注ぎしかば、其水を涸らして、東方の諸國王の為に道を備へたり。
Ary ny fahenina nampidina ny tao an-doviany tamin’ i Eofrata, ony lehibe; dia ritra ny ranony hanamboarana ny lalan’ ireny mpanjaka avy any amin’ ny fiposahan’ ny masoandro.
13 又見たるに、龍の口と獣の口と僞預言者の口とより、蛙の如き三の穢らはしき霊出でたり。
Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy tamin’ ny vavan’ ilay dragona sy tamin’ ny vavan’ ilay bibi-dia ary tamin’ ny vavan’ ilay mpaminany sandoka.
14 是徴を為せる惡魔の霊にして、全世界の國王の許に至り、全能の神の大いなる日の戰の為に彼等を集めんとす。
Fa fanahin’ ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin’ ny mpanjaka amin’ izao tontolo izao, mba hanangona ary ho amin’ ny adin’ ilay andro lehiben’ Andriamanitra Tsitoha.
15 看よ、我は盗人の如くにして來る、警戒して、裸に歩まず、恥を見られざらん為に、己が衣を保てる人は福なり。
(Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany.)
16 彼霊ヘブレヲ語にてアルマゲドンと云へる處に諸國王を集むべし。
Ary nangoniny ho any amin’ ny tany atao amin’ ny teny Hebreo hoe Hara-magedona ireny.
17 第七の天使其器[の物]を空中に注ぎしかば、大いなる聲[聖]殿より而も玉座より出でて言ひけるは、事既に成れり、と。
Ary ny fahafito dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny rivotra; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin’ ny tempoly, teo amin’ ny seza fiandrianana, nanao hoe: Vita.
18 斯て電光と聲と雷と大地震と起りしが、此地震は人の地上に在りし以來曾て有らざりし程に大いなりき。
Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horohorontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian’ olona tetỳ ambonin’ ny tany, eny, tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany.
19 然て大都會三に裂かれ、異邦人の諸都會倒れて、大いなるバビロネは神の御前に憶出でられ、激しき御怒の酒を盛りたる杯を飲ましめられんとし、
Ary ny tanàna lehibe dia vaky ho telo toko, ary rava ny tanànan’ ny firenena maro; ary Babylona lehibe dia notsarovana teo anatrehan’ Andriamanitra, mba homena azy ny kapoaky ny divain’ ny firehetan’ ny fahatezerany.
20 島悉く去りて山も見えず成り、
Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony.
21 タレント程の大さなる雹天より人に降懸りしかば、人々雹の禍の為に神を罵れり、是其禍甚だしく大いなればなり。
Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin’ ny olona, tokony ho lanjan-talenta iray avy; ary niteny ratsy an’ Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin’ ny havandra; fa lehibe loatra izany loza izany.

< ヨハネの黙示録 16 >