< マタイの福音書 2 >

1 第三項 博士等の参拝 斯てイエズス、ヘロデ王の時、ユデアのベトレヘムに生れ給ひしかば、折しも博士等東方よりエルザレムに來りて、
Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an’ i Jodia, tamin’ ny andron’ i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe:
2 云ひけるは、生れたるユデア人の王は何處に在すぞ、即我等東方にて彼が星を見、之を拝みに來れり、と。
Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.
3 ヘロデ王之を聞きて狼狽へしが、エルザレムも亦挙りて然ありき。
Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin’ i Jerosalema rehetra.
4 王は司祭長と民間の律法學士とを悉く集めて、キリスト何處に生るべきかと問ひたるに、
Dia namory ny lohan’ ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ ny vahoaka izy ka nanontany ary hoe: Aiza mba no hahaterahan’ i Kristy?
5 彼等云ひけるは、ユデアのベトレヘムに、其は預言者の録して、
Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema an’ i Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:
6 「ユダの地ベトレヘムよ、汝はユダの郡中に最も小き者には非ず、蓋我イスラエルの民を牧すべき君汝の中より出ん。」とあればなり、と。
Ary ianao, ry Betlehema, tanin’ ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin’ ny andrianan’ ny Joda ianao tsy akory; Fa avy ao aminao no hivoahan’ izay anankiray ho Mpanapaka, Ka Izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko.
7 其時ヘロデ密に博士等を召して、星の現れし時を聞匡し、
Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan’ ilay kintana.
8 彼等をベトレヘムに遣るとて云ひけるは、往きて詳に孩兒の事を尋ね、其を見出さば我に告げよ、我も往きて之を拝まん、と。
Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin’ ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.
9 彼等王の言を聴きて出行きけるに、折しも東方にて見たりし星彼等の先に立ち、終に孩兒の居る處に至りて其上に止れり。
Ary rehefa nandre ny tenin’ ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’ izay nitoeran’ ny Zazakely.
10 彼等其星を見て甚喜び、
Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra.
11 家に入りて孩兒の其母マリアと共に居るを見、平伏して之を拝し、寳箱を開きて黄金乳香没薬の禮物を献げたり。
Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora.
12 斯てヘロデに返ること勿れとの示を夢に得て、他の途より己が國に歸れり。
Ary rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra tamin’ ny nofy izy tsy hiverina any amin’ i Heroda, dia lalana hafa no nalehany nody ho any amin’ ny fonenany.
13 第四項 聖家エジプトへ避難す 博士等の去りし後、折しも主の使ヨゼフの夢に現れて云ひけうるは、起きて孩兒と其母とを携へてエジプトに逃れ、我が汝に告ぐるまで彼處に居れ、其はヘロデ孩兒を殺さんとて之を索めんとすればなり、と。
Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho tamin’ i Josefa tamin’ ny nofy ka nanan hoe: Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.
14 ヨゼフ起きて孩兒と其母とを携へて夜エジプトに避け、
Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina, dia lasa nankany Egypta;
15 ヘロデの死するまで其處に居れり、是主より曾て預言者を以て云はれし事の成就せん為なり、曰く「我我子をエジプトより呼出せり」と。
ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin’ i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain’ i Jehovah ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako.
16 時にヘロデ、博士等に欺かれしを見て大に怒り、人を遣はして博士等に聞きたりし時を度りて、ベトレヘム及其四方に在る二歳以下の男児を悉く殺せり。
Ary nony efa fantatr’ i Heroda fa voafitaky ny Magy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazalahy rehetra hatramin’ ny roa taona no ho midìna, izay tao Betlehema sy tamin’ ny manodidina rehetra, araka ny andro izay nofotorany fatratra tamin’ ny Magy.
17 斯て預言者エレミアに依りて云はれたる事成就せり、
Dia tanteraka izay nampilazaina an’ i Jeremia mpaminany hoe:
18 曰く「ラマに聲あり、歎にして大なる叫なりけり、ラケル其子等を歎き、彼等の亡きに因り敢て慰を容れず」と。
Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, Ary tsy azo nampiononina izy, satria lany ritra ireny.
19 第五項 エジプトよりの歸國 ヘロデ死せしかば、折しも主の使エジプトに於てヨゼフの夢に現れ、
Ary rehefa maty Heroda, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho tamin’ i Josefa tany Egypta tamin’ ny nofy ka nanao hoe:
20 云ひけるは、起きて孩兒と其母とを携へてイスラエルの地に往け、蓋孩兒の生命を索めし人々は既に死せり、と。
Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin’ ny tanin’ ny Isiraely; fa efa maty izay nitady ny ain’ ny Zazakely.
21 ヨゼフ起きて孩兒と其母とを携へ、イスラエルの地に至りしに、
Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, dia tonga tany amin’ ny tanin’ ny Isiraely.
22 アルケラオ其父ヘロデに継ぎてユデアを治むと聞き、彼處に往く事を懼れしが、た夢に告ありてガリレアの地方に避け、
Fa rehefa reny fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an’ i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy; ary rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra tamin’ ny nofy izy, dia lasa nankany amin’ ny tany Galilia.
23 ナザレトと云ふ街に至りて住めり。是預言者等によりて「彼はナザレト人と稱へられん」と云はれし事の成就せん為なり。
Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin’ ny tanàna atao hoe Nazareta, mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hatao hoe Nazarena Izy.

< マタイの福音書 2 >