< マタイの福音書 17 >

1 六日の後イエズス、ペトロとヤコボと其兄弟ヨハネとを別に、高き山に連行き給ひしに、
Ary nony afaka henemana, Jesosy dia naka an’ i Petera sy Jakoba ary Jaona rahalahiny ka nitondra azy niakatra ho any an-tendrombohitra avo mba hitokana.
2 彼等の前にて御容變り、御顔は日の如く輝き、其衣服は雪の如く白くなれり。
Dia niova tarehy teo anatrehany Izy, ka ny tavany namirapiratra tahaka ny masoandro, ary ny fitafiany tonga fotsy tahaka ny mazava.
3 折しもモイゼとエリアと、彼等に現れてイエズスと語り居りしが、
Ary, indreo, niseho tamin’ ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin’ i Jesosy.
4 ペトロ答へてイエズスに云ひけるは、主よ、善哉我等が此處に居る事。思召ならば、此處に三の廬を造り、一は汝の為、一はモイゼの為、一はエリアの為にせん、と。
Dia niteny Petera ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’ i Mosesy, ary ny anankiray ho an’ i Elia.
5 彼尚語れるに、折しも輝ける雲彼等を蔽ひ、雲より聲して曰はく、「是ぞ能く我心を安んぜる我愛子なる、是に聴け」、と。
Raha mbola niteny izy, indro, nisy rahona mazava nanarona azy ireo; ary, injao, nisy feo avy tao amin’ ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako malalako Izay sitrako; Izy no henoy.
6 弟子等聴きつつ倒伏し、懼るる事甚しかりき。
Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.
7 イエズス近づきて彼等に触れ、起きよ、懼るること勿れ、と曰ひしかば、
Ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe; Mitsangàna, fa aza matahotra.
8 彼等目を翹げしに、イエズスの外誰をも見ざりき。
Ary nony niandrandra izy ireo, dia tsy nahita olona, afa-tsy Jesosy irery ihany.
9 彼等が山を下る時、イエズス是を戒めて、人の子死人の中より蘇る迄は、汝等が見し事を誰にも語ること勿れ、と曰ひしに、
Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin’ olona ny fahitana, mandra-pitsangan’ ny Zanak’ olona amin’ ny maty.
10 弟子等問ひて云ひけるは、然らばエリア先に來るべし、と律法學士等の云へるは何ぞや。
Ary ny mpianany nanontany Azy ka nanao hoe: Nahoana ary no ilazan’ ny mpanora-dalàna fa Elia tsy maintsy ho avy aloha?
11 答へて曰ひけるは、實にエリアは來りて萬事を改むべし。
Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Elia dia avy ihany ka hampody ny zavatra rehetra.
12 但我汝等に告ぐ、エリアは既に來れり、然れど人々之を識らず、而も縦に遇へり。斯の如く、人の子も亦彼等より苦を受けんとす、と。
Nefa lazaiko aminareo: Efa tonga sahady Elia; nefa ny olona tsy nahafantatra azy, fa nanao izay sitraky ny fony taminy. Dia tahaka izany koa no hampiaretany ny Zanak’ olona.
13 是に於て弟子等、是洗者ヨハネを斥して曰ひしものなる事を暁れり。
Dia fantatry ny mpianatra fa Jaona Mpanao-batisa no nolazainy taminy.
14 イエズス群衆の處に來り給ひしに、或人是に近づき、前に跪きて云ひけるは、
Ary rehefa tonga teo amin’ ny vahoaka izy ireo, nisy lehilahy anankiray nanatona an’ i Jesosy, dia nandohalika teo anatrehany ka nanao hoe:
15 主よ、我子を憐み給へ、癲癇にて屡火の中に倒れ、苦しむこと甚し、
Tompoko, mamindrà fo amin’ ny zanako-lahy, fa mararin’ ny androbe izy ka mahantra tokoa; fa matetika izy no mianjera ao amin’ ny afo, ary matetika ao amin’ ny rano.
16 之を汝の弟子等に差出したれど、彼等は醫すこと能はざりき、と。
Ary nitondra azy tamin’ ny mpianatrao aho, fa tsy nahay nahasitrana azy izy.
17 イエズス答へて、嗚呼不信邪惡の代なる哉。我何時まで汝等と共に居らんや、何時まで汝等を忍ばんや。彼を我に携へ來れ、と曰ひて、
Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.
18 惡魔を戒め給ひしかば、惡魔出でて子は即時に痊えたり。
Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin’ izay ora izay.
19 時に弟子等竊にイエズスに近づきて、我等が之を逐出す能はざりしは何故ぞ、と云ひしに、
Dia nankao amin’ i Jesosy mangingina ny mpianatra ka nanao hoe: Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy?
20 イエズス曰ひけるは、汝等の不信仰に由れり。我誠に汝等に告ぐ、汝等若芥種ほどの信仰だにあらば、此山に向ひて、此處より彼處に移れと云はんに、山移らん、斯て汝等に能はざる事なからん。
Ary hoy Jesosy taminy: Noho ny fahakelezan’ ny finoanareo ihany; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo ka hiteny amin’ io tendrombohitra io hoe: Mifindrà erỳ, dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.
21 然れど此類は、祈祷と断食とに由らざれば逐出されざるなり、と。
22 弟子等ガリレアに居れるに、イエズス曰ひけるは、人の子は人々の手に付されんとす、
Ary raha nitoetra tany Galilia izy, Jesosy dia nilaza tamin’ ny mpianany hoe: Ny Zanak’ olona efa hatolotra ho eo an-tànan’ ny olona
23 彼等は之を殺すべく、斯て三日目に蘇るべし、と。弟子等憂ふる事甚しかりき。
ka hovonoiny, nefa amin’ ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy. Ary dia nalahelo indrindra ireo.
24 彼等カファルナウムに來りし時、二ドラクマ銀貨を取立つる人々ペトロに近づき、汝等の師は二ドラクマ銀貨を納めざるか、と云ひしかばペトロ、
Ary nony tonga tao Kapernaomy izy, dia nankeo amin’ i Petera ny mpandray ny antsasaky ny sekely ka nanao hoe: Moa ny mpampianatra anareo tsy mba mandoa ny antsasaky ny sekely va?
25 納む、と云ひしが、頓て家に入りしに、イエズス先ちて之に曰ひけるは、シモンよ汝如何に思ふぞ、世の帝王は、貢又は税を誰より取るぞ、己が子等よりか、他人よりか、と。
Dia hoy Petera: Mandoa ihany Izy. Ary raha vao tafiditra tao an-trano Petera, dia nosakanan’ i Jesosy teny izy ka nataony hoe: Ahoana no hevitrao, ry Simona? Avy amin’ iza moa no andraisan’ ny mpanjaka etỳ an-tany fadin-tseranana sy vola hetra? Avy amin’ ny zanany va, sa avy amin’ ny olon-kafa?
26 ペトロ、他人より取るなり、と云ひしに、イエズス曰ひけるは、然らば子等は自由なり。
Ary nony hoy Petera taminy: Avy amin’ ny olon-kafa, dia hoy kosa Jesosy: Dia afaka ary ny zanaka.
27 然れど彼等を躓かせざる為に、汝湖に往きて釣を垂れよ、さて初に上る魚を取りて其口を開かば、スタテル銀貨を得べし、之を取りて我と汝との為に彼等に納めよ、と。
Nefa andrao isika manafintohina azy, dia mankanesa ao amin’ ny ranomasina ianao, ka manjonoa; ary raiso izay hazandrano azo voalohany, ka rehefa sokafanao ny vavany, dia hahita vola sekely eo ianao; dia raiso izany, ka omeo azy ho avy amiko sy ianao.

< マタイの福音書 17 >