< マルコの福音書 6 >

1 イエズス、此處を去りて我故郷に至り給ひ、弟子等是に從ひいたりしが、
Ary niala teo Izy ka tonga tany amin’ ny taniny, sady nanaraka Azy ny mpianany.
2 安息日に當り會堂にて教を説始め給ひしかば、聞く人多く其教に驚きて云ひけるは、彼は是等の事を何處より得たるぞ、其授けられたる智恵と、其手に行はるる斯ばかりの奇蹟とは、如何なるものぞ。
Ary rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra tao amin’ ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Taiza no nahazoan’ ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon’ ny tànany izao?
3 彼はマリアの子にして、ヤコボ、ヨゼフ、ユダ及びシモンの兄弟たる職工にあらずや、其姉妹等も我等と共に此處に在るに非ずや、と。斯て遂に彼に躓き居たり。
Tsy ilay mpandrafitra, zanak’ i Maria, ary rahalahin’ i Jakoba sy Josesy sy Jodasy sy Simona va Ilehity? Ary tsy etỳ amintsika va ireo anabaviny? Dia tafintohina taminy izy.
4 イエズス彼等に曰ひけるは、預言者の敬はれざるは唯其故郷、其家、其親戚の中に於てのみ、と。
Fa ho Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy eo amin’ ny taniny sy ny havany ary ny ankohonany ihany.
5 然れば此處にては、少數の病者を按手して醫し給ひし外、何等の奇蹟をも為し得給はず、
Ary tsy nahazo nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tànany tamin’ ny olona marary vitsy foana ka nahasitrana azy.
6 彼等の不信仰に驚き、其辺の邑々を巡りて教へ居給へり。
Ary gaga Izy noho ny tsi-finoany. Dia nitety ny vohitra manodidina Izy ka nampianatra.
7 イエズス十二人を呼びて、之を二人づつ遣はすに臨み、汚鬼等[に對する]の権能を授け、
Ary niantso ny roa ambin’ ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto.
8 且途中杖の外に何物をも携へざる事、旅嚢、麪又は帯に銭を持つまじき事、
Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin’ ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola ao amin’ ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany.
9 普通の履物を穿くも、二枚の下着を着まじき事を命じ、
Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa.
10 然て彼等に曰ひけるは、何處にても、或家に入らば、其地を去るまで其處に留れ。
Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any.
11 又総て汝等を承けず、汝等に聴かざる者あらば、其處を立去りて、彼等への證據として足の塵を払え、と。
Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy.
12 斯て弟子等出でて改心すべきことを人々に説教し、
Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona.
13 許多の惡魔を逐払ひ、注油して多くの病者を醫し居たり。
Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.
14 第五項 イエズスガリレアを巡り給ふ 斯てイエズスの名顕れしかば、ヘロデ王聞きて、洗者ヨハネは死者の中より蘇りたり、故に奇蹟彼に行はるるなり、と云へるに、
Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran’ i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin’ ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo.
15 或人々は、是エリアなりと云ひ、又或人々は、預言者なり、預言者の一人の如し、と云へば、
Fa hoy ny sasany: Elia Izy; ary hoy ny sasany: Mpaminany Izy dia toy ny anankiray amin’ ny mpaminany.
16 ヘロデ之を聞きて我が馘りし彼ヨハネは、死者の中より蘇りたり、と云へり。
Ary rehefa nahare izany Heroda, dia hoy izy: Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany; efa nitsangana izy.
17 蓋ヘロデ曾て其兄弟フィリッポの妻ヘロヂアデを娶りたれば、彼が為に人を遣はしてヨハネを捕へ、監獄に繋ぎたりき。
Fa Heroda ihany no naniraka sy nisambotra an’ i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin’ i Herodiasy vadin’ i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy.
18 其はヨハネヘロデに向ひ、汝兄弟の妻を納るるは可からず、と云ひ居たればなり。
Fa Jaona efa nilaza tamin’ i Heroda hoe: Diso ianao, raha manambady ny vadin’ ny rahalahinao.
19 然ればヘロヂアデ彼を恨みて殺さんと欲すれども、能はざりき、
Ary Herodiasy dia nanao otri-po taminy ka naniry hahafaty azy, nefa tsy nahazo.
20 是ヘロデはヨハネの義人たり聖人たるを知りて、之を畏れ且護り、是に聴きて多くの事を行ひ、好みて彼に聴き居たるを以てなり。
Fa Heroda natahotra an’ i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masìna izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany; ary nihaino azy tamin’ ny hafaliana izy.
21 斯て便宜好き日來り、ヘロデ、大官、千夫長及ガリレアの貴族等を招待して誕生日の饗宴を開きしが、
Ary rehefa tonga izay andro antonona, dia ilay nanaovan’ i Heroda fanasana ho an’ ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia tamin’ ny andro fahatsiarovana ny nahaterahany,
22 彼ヘロヂアデの女入來りて踊を為し、ヘロデ及列席の人々の意に適ひしかば、王女に云ひけるは、欲しきものを我に求めよ、我必之を與へん、と。
ka niditra ny zanakavavin’ i Herodiasy ary nandihy ka nahafaly an’ i Heroda mbamin’ izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona, dia homeko anao.
23 又誓ひて曰く、何事を求むるも、例へば我國の半にても、我之を汝に與へん、と。
Ary nianiana taminy hoe izy: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin’ ny antsasaky ny fanjakako aza.
24 其時女出でて、我何を求むべきか、と母に云ひしに、彼、洗者ヨハネの頭を、と云ひければ、
Dia nivoaka razazavavy ka nanao tamin-dreniny hoe: Inona no hangatahiko? Ary hoy reniny: Ny lohan’ i Jaona Mpanao-batisa.
25 女直に王の許に急ぎ行き、洗者ヨハネの頭を盆に載せて、速に我に賜はん事を欲す、と云へり。
Dia niditra faingana niaraka tamin’ izay izy ho ao amin’ ny mpanjaka ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy faingana eto an-dovia ny lohan’ i Jaona Mpanao-batisa.
26 王憂ひしかど、誓に對し且は列席の人々に對して女に否む事を欲せず、
Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nipetraka nihinana teo, dia tsy sahy nandà azy izy.
27 刑吏を遣はし、ヨハネの頭を盆に載せて持來る事を命ぜり。刑吏監獄にヨハネを馘り、
Ary niaraka tamin’ izay ny mpanjaka dia naniraka mpiambina, ka nasainy nentiny ny lohan’ i Jaona. Ary dia nandeha izy, ka notapahiny tao an-tranomaizina ny lohany.
28 其頭を盆に載せ齎して、女に與へしかば、女は之を母に與へたり。
Dia nentiny teo an-dovia ny lohany ka nomeny an-drazazavavy; ary razazavavy kosa dia nanome azy an-dreniny.
29 ヨハネの弟子等聞きて來り、其屍を取りて墓に葬れり。
Ary rehefa nandre izany ny mpianany, dia tonga ka naka ny faty ary nandevina azy.
30 然て使徒等イエズスの許に集り、総ての為しし事、教へし事を告げしかば、
Ary ny Apostoly niangona teo amin’ i Jesosy ka nilaza taminy izay rehetra efa nataony mbamin’ izay nampianariny.
31 イエズス彼等に向ひ、別に寂しき處に來りて暫し休め、と曰へり。其は往來する人多くして、食する暇だにあらざればなり。
Ary hoy Jesosy taminy: Avia ianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely (fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy hihinanana aza).
32 斯て船に乗りて、別に寂しき處に往けり。
Dia nandeha an-tsambokely izy hitokana any an-tany foana.
33 彼等の往くを見て、多くの人之を知り、凡ての町より徒歩にて彼等に先ちて、彼處に馳集りしが、
Ary ny olona nahita azy mandeha, sady betsaka no nahalala an’ i Jesosy, dia niala avy teny amin’ ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nandeha an-tanety, dia tonga talohany.
34 イエズス出でて群衆の夥しきを見給ひ、其牧者なき羊の如くなるを憫み、多くの事を教へ始め給へり。
Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
35 日既に暮れかかりしかば、弟子等近づきて云ひけるは、處は寂しく時は既に遅し。
Ary rehefa hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: Tany foana ity, ka efa hariva ny andro ankehitriny;
36 人々を還し、四辺の田家及邑に往きて面々に食物を買ふことを得しめ給へ、と。
ravao ny olona mba hankanesany eny an-tsaha sy eny amin’ ny vohitra manodidina hividy hanina ho azy.
37 イエズス答へて、汝等是に食物を與へよ、と曰ひしかば、彼等云ひけるは、我等往きて二百デナリオにて麪を沽ひ、彼等に食せしめんか、と。
Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Omeonareo hanina izy. Fa hoy kosa izy ireo taminy: Handeha hividy mofo izay azon’ ny denaria roan-jato va izahay, ka homenay azy hohaniny?
38 イエズス、汝等幾個の麪をか有てる、往きて見よ、と曰ひしに、彼等尋ね知りて、五個と二尾の魚とあり、と云へり。
Fa hoy Izy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Andeha, izahao. Ary rehefa fantany, dia hoy izy: Dimy sy hazandrano roa.
39 斯て命じて、人々を皆青草の上に組々に坐せしめ給ひ、
Dia nasain’ i Jesosy nampipetraka ny olona rehetra hatao an-tokotokony eny ambonin’ ny ahi-maitso izy.
40 人々百人五十人づつ坐したるに、
Dia nipetraka an-tokony zato sy dimam-polo avy ny olona.
41 イエズス五個の麪と二尾の魚とを取り、天を仰ぎて祝し、麪を擘きて弟子等に與へ、之を人々の前に置かしめ、又二尾の魚を一同に分ち給ひしかば、
Ary rehefa voarain’ i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ny mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony eny anoloan’ ny olona; ary ny hazandrano roa nozarainy tamin’ ny olona rehetra.
42 皆食して飽足れり。
Ary samy nihinana avokoa ny olona rehetra ka voky.
43 殘れる屑を拾ひしに、魚を併せて十二の筐に満ちしが、
Ary nangoniny izay sombintsombin’ ny mofo sy ny hazandrano, ka dia nahafeno harona roa ambin’ ny folo.
44 食せし男子は五千人なりき。
Ary izay nihinana ny mofo dia dimy arivo lahy.
45 イエズス直に弟子等を強て船に乗らしめ、己が人民を去らしむる間に湖を渡り、先ちてベッサイダへ赴かしめ給ひ、
Ary niaraka tamin’ izay Jesosy dia nanery ny mpianany hiondrana an-tsambokely hita hialoha ho any Betsaida, mandra-pandràvany ny vahoaka.
46 人を去らしめて後、祈らんとて山に往き給へり。
Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka.
47 夜更けて船は湖の中央に在り、イエズスは獨陸に居給ひしが、
Ary nony hariva ny andro, dia efa mby teo ampovoan’ ny ranomasina ny sambokely, ary Izy irery ihany no teo an-tanety.
48 イエズス弟子等の逆風の為に漕ぎ悩めるを見給ひ、朝の三時頃湖の上を歩みて彼等に至り、行過ぎんとし給ひしに、
Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain’ ny rivotra: ary tokony ho tamin’ ny fiambenana fahefatra amin’ ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin’ ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy.
49 弟子等其湖の上を歩み給ふを見るや、怪物ならんと思ひて叫出せり。
Ary rehefa hitany nitsangantsangana tambonin’ ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa, ka niantso mafy izy ireo.
50 其は皆彼を見て心擾ぎたればなり。イエズス直に言を出して、頼もしかれ、我なるぞ、懼るること勿れ、と曰ひ、
Fa izy rehetra samy nahita Azy avokoa, ka dia raiki-tahotra. Ary Izy niteny taminy niaraka tamin’ izay ka nanao taminy hoe: Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra.
51 船に乗りて彼等に至り給ひしに、風止みたれば、彼等愈益心の中に驚きたり。
Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo.
52 其は彼等の心頑固にして、彼の麪の事を暁らざりければなり。
Ary tsy fantany ny amin’ ny mofo; fa efa mafy ny fony.
53 航りて、ゲネザレトの地に至り、岸に船を着けしが、
Ary nony tafita izy, dia tonga teo amin’ ny tany Genesareta ka niantsona teo.
54 船より出づるや、人々忽イエズスを認めて、
Ary raha niala teo an-tsambokely izy, dia nahalala an’ i Jesosy niaraka tamin’ izay ny olona teo
55 其全地方を馳廻り、イエズスの居給ふと聞く處に、病る者を床の儘に舁きて、何處までも廻り始めたり。
ka nihazakazaka tamin’ izany tany rehetra izany ary nitondra ny marary tamin’ ny fandriana ho any amin’ izay reny fa nitoerany.
56 斯て至る處、或は邑、或は街、或は田家に、人々病者を衢に置き、彼の衣服の総にだも触れん事を願ひ居りしが、触るる人は悉く醫されつつありき。
Ary na taiza na taiza no nidiran’ i Jesosy, na tao amin’ ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy.

< マルコの福音書 6 >