< マルコの福音書 15 >

1 天明けて直に、大司祭等は、律法學士長老等及全議會と謀りてイエズスを縛り、召連れてピラトに付ししが、
Ary niaraka tamin’ izay raha vao maraina ny andro, ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ ny Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra an’ i Jesosy ka nitondra Azy, dia nanolotra Azy teo amin’ i Pilato.
2 ピラトイエズスに向ひ、汝はユデア人の王なるか、と問ひしに、答へて、汝の云へる[如し]、と曰へり。
Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Voalazanao.
3 斯て大司祭等數多の事を以て訟へければ、
Ary ny lohan’ ny mpisorona niampanga Azy zavatra maro.
4 ピラト復イエズスに問ひて、汝は何をも答へざるか、彼等の汝を訟ふる事柄の如何ばかりなるかを看よ、と云ひしも、
Ary Pilato dia nanontany Azy indray hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? He! izao hamaroan’ ny zavatra iampangany Anao izao!
5 イエズス尚何をも答へ給はざりしかば、ピラトは之を感嘆し居たり。
Fa Jesosy tsy namaly intsony, na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga Pilato.
6 然て祭日に當り、総督が、人々の乞ふ所の囚人一個を、彼等に釈すの例ありしが、
Ary isaky ny avy ny andro firavoravoana dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray izay angatahin’ ny vahoaka.
7 茲に一揆の時人を殺して、一揆の者等と共に入獄したるバラバといへる者ありき。
Ary nisy anankiray ilay atao hoe Barabasy, nifatotra tao mbamin’ ny mpikomy sasany, izay efa nahafaty olona tamin’ ny fikomiana.
8 群衆出頭して例の如く為られん事を願出でしに、
Ary ny vahoaka niakatra ka nangataka azy hanao araka izay fanaony aminy.
9 ピラト答へて、汝等、ユデア人の王を我より釈されん事を欲するか、と云へり。
Fa Pilato namaly azy ka nanao hoe: Tianareo va mba ny Mpanjakan’ ny Jiosy no halefako ho anareo?
10 是大司祭等が嫉によりて之を付したることを知ればなり。
Fa fantany fa fialonana no nanoloran’ ny lohan’ ny mpisorona Azy.
11 然るに大司祭等、寧バラバを己等に釈さしむべく、群衆を唆ししかば、
Fa ny lohan’ ny mpisorona nanome fo ny vahoaka, fa aleo Barabasy no halefan’ i Pilato ho azy.
12 ピラト又答へて、然らばユデア人の王を我が如何に處分せん事を欲するか、と云ひしに、
Ary Pilato namaly ka nanao taminy indray hoe: Ka inona ary no hataoko amin’ ilay ataonareo hoe: Mpanjakan’ ny Jiosy?
13 彼等又、十字架に釘けよ、と叫びたり。
Ary ny vahoaka niantso indray hoe: Homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy!
14 ピラト、彼は何の惡を為ししぞ、と云ひたれど、彼等益々、彼を十字架に釘けよ、と叫び居たり。
Ary hoy Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy!
15 ピラト人民を満足せしめんと欲して、バラバを彼等に釈し、イエズスをば鞭ちて後、十字架に釘けん為に引行せり。
Ary Pilato ta-hahazo sitraka tamin’ ny vahoaka, ka dia nandefa an’ i Barabasy ho azy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony azy mba hohomboana amin’ ny hazo fijaliana.
16 是に於て兵卒等、イエズスを廰の中庭に引出だして、全隊を呼集め、
Ary ny miaramila nitondra an’ i Jesosy ho eo an-kianja, dia ao anati-rova, sady nanangona ny miaramila namany rehetra.
17 イエズスに赤き袍を着せ、茨の冠を編みて冠らせ、
Ary dia nampitafy Azy lamba volomparasy izy, sady nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany.
18 ユデア人の王よ安かれ、と云ひて、禮し始め、
Ary dia niarahaba Azy hoe izy: Arahaba, ry Mpanjakan’ ny Jiosy!
19 尚葦もて其頭を撃ち、唾吐きかけ、跪きて拝し居たり。
Ary dia nikapoka ny lohany tamin’ ny volotara izy sady nandrora Azy, dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehany.
20 嘲弄して後、赤き袍を褫ぎて、原の衣服を着せ、十字架に釘けんとて引出ししが、
Ary rehefa nanao Azy ho fihomehezana izy, dia nanala ilay lamba volomparasy teny aminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny hohomboany amin’ ny hazo fijaliana Izy.
21 一個のシレネ人、名をシモンと呼びて、アレキサンデルとルフォとの父なるもの、田舎より來りて通りかかりければ、強て是に其十字架を負はせ、
Ary Simona Kyreniana (rain’ i Aleksandro sy Rofosy) izay nandalo avy tany an-tsaha, no notereny hitondra ny hazo fijalian’ i Jesosy.
22 イエズスを、ゴルゴタと云ふ處に引行けり。ゴルゴタは(カルヴァリオ)即髑髏の處と訳せらる。
Ary Jesosy dia nentiny teo amin’ ny tany Golgota, izany hoe, raha adika, Fitoeran-karan-doha.
23 又没薬を和ぜたる葡萄酒を、イエズスに飲ましめんとしたれど、受け給はざりき。
Dia notolorany divay miharo miora Izy; nefa tsy nety nisotro Izy.
24 斯て之を十字架に釘くるや、誰が何を取るべきと、籤を抽きて其衣服を分てり。
Ary rehefa voahombony tamin’ ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy.
25 九時頃イエズスを十字架に釘けしが、
Ary tamin’ ny ora fahatelo no nanomboany tamin’ ny hazo fijaliana.
26 其罪標にはユデア人の王と記されたりき。
Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: MPANJAKAN’ NY JIOSY.
27 是と共に二人の強盗、一人は其右に、一人は其左に十字架に釘けられたり。
Ary nisy jiolahy roa nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana koa, ny anankiray teo amin’ ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin’ ny ankaviany.
28 斯て[聖]書に、「彼は罪人に列せられたり」とある事成就せり。
29 往來の人々イエズスを罵り、首を揺りて云ひけるは、吁神殿を毀ちて三日の内に建直す者よ、
Ary izay nandalo niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ka nanao hoe: Hià! ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy amin’ ny hateloana,
30 十字架より下りて自らを救へ、と。
vonjeo ny tenanao, ka midìna hiala amin’ ny hazo fijaliana.
31 大司祭等も亦同じく嘲りて、律法學士等と語合ひけるは、彼は他人を救ひしに、自らを救ふ能はず。
Ary toy izany koa no faneson’ ny lohan’ ny mpisorona, fa niresaka izy sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena.
32 イスラエルの王キリスト、今十字架より下りよ、然らば我等見て信ぜん、と。共に十字架に釘けられたる者等も、亦之を罵り居たり。
Aoka Kristy, Mpanjakan’ ny Isiraely, hidina hiala amin’ ny hazo fijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika. Ary ireo niaraka nohomboana taminy tamin’ ny hazo fijaliana dia naneso Azy koa.
33 十二時に至り、地上徧く暗黒となりて三時に及びしが、
Ary nony tamin’ ny ora fahenina, dia tonga maizina ny tany rehetra, ka naharitra hatramin’ ny ora fahasivy izany.
34 時にイエズス、聲高く呼はりて、エロイ、エロイ、ラマ、サバクタニと曰へり。是は、我神我神、曷ぞ我を棄て給ひしや、と云ふ義なり。
Ary tamin’ ny ora fahasivy Jesosy dia niantso tamin’ ny feo mahery ka nanao hoe: Eloy, Eloy, lamà sabaktany! izay hoe, raha adika: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no mahafoy Ahy Hianao?
35 傍に立てる人々の中、或者等聞きて、エリアを呼ぶよ、と云ひけるに、
Ary ny sasany izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Indro, miantso an’ i Elia Izy.
36 一人走り行きて、酢を海綿に含ませ、葦に附けて飲ましめつつ、措け、エリア來りて彼を下すや否やを見ん、と云ひけるが、
Ary ny anankiray nihazakazaka, dia nanatsoboka sipaonjy tamin’ ny vinaingitra, ka notohiziny tamin’ ny volotara, dia natohony hotsentsefin’ i Jesosy, fa hoy izy: Aoka ho hizahantsika, na ho avy hampidina Azy Elia, na tsia.
37 イエズス聲高く呼はりて、息絶え給へり。
Ary Jesosy niantso tamin’ ny feo mahery, dia afaka ny ainy.
38 時に[神]殿の幕上より下まで二に裂けしが、
Ary ny efitra lamba tao amin’ ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany.
39 イエズスの對面に立てる百夫長、斯く呼はりて息絶え給ひしを見て云ひけるは、實に此人は神の子なりき、と。
Ary ny kapiteny izay nijanona tandrifiny, raha nahita fa afaka toy izany ny ainy, dia nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak’ Andriamanitra io Lehilahy io.
40 又遥に眺め居たりし婦人等ありて、其中にはマグダレナ、マリア及小ヤコボとヨゼフとの母マリア、並にサロメありき。
Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny, ary isan’ ireny Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin’ i Jakoba kely sy Josesy,
41 彼等はイエズスのガリレアに居給ひし時、從ひて事へ居りしが、此外にイエズスと共にエルザレムに上りたりし婦人も多く居たりき。
izay nanaraka Azy ka nanompo Azy, fony Izy tany Galilia, mbamin’ ny vehivavy maro koa izay niaraka taminy niakatra tany Jerosalema.
42 夕暮に及びて、安息日の前なる用意日なれば、
Ary nony hariva (satria andro fiomanana ny andro, dia ny andro alohan’ ny Sabata),
43 頭立ちたる議員アリマテアのヨゼフ來り、己も神の國を待てる者なれば、憚らずしてピラトの許に至り、イエズスの屍を求めしが、
dia avy Josefa avy any Arimatia, lehilahy manan-kaja, izay isan’ ny Synedriona sady niandry ny fanjakan’ Andriamanitra koa; ary sahy niditra tao amin’ i Pilato izy ka nangataka ny fatin’ i Jesosy.
44 ピラトはイエズス最早死亡したりやと訝り、百夫長を召して、既に死したりやと問ひ、
Ary gaga Pilato raha maty sahady Jesosy, ka dia niantso ny kapiteny hankao aminy izy ka nanontaniany azy na efa maty ela Izy, na tsia.
45 百夫長より聞知りて後、ヨゼフに其屍を與へたり。
Ary rehefa nahare tamin’ ny kapiteny izy, dia nomeny an’ i Josefa ny faty.
46 ヨゼフ布を買ひて、イエズスを下して其布に包み、岩に鑿りたる墓に納め、其墓の入口に石を転ばし置けり。
Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin’ i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin’ ny fasana, izay nolavahana tamin’ ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin’ ny varavaran’ ny fasana izy.
47 マグダレナ、マリアとヨゼフの[母]マリアとは、イエズスの置かれ給ふ處を眺め居たりき。
Ary Maria Magdalena sy Maria, renin’ i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy.

< マルコの福音書 15 >