< マルコの福音書 11 >

1 第一項 イエズスエルサレムにて歓迎せられ給ふ 一行橄欖山の下にて、エルザレムとペッファゼとベタニアとに近づける時、イエズス二人の弟子を遣はし給ふとて、
Ary raha nanakaiky any Jerosalema tao Betifaga sy Betania any an-tendrombohitra Oliva izy, dia naniraka roa lahy tamin’ ny mpianany Jesosy
2 之に曰ひけるは、向の邑に往け、然て其處に入らば、直に未人の乗らざる小驢馬の繋がれたるに遭はん、其を解きて牽來れ。
ka nanao taminy hoe: Mankanesa amin’ iroa vohitra tandrifinareo iroa; ary raha vao miditra eo ianareo, miaraka amin’ izay dia hahita zana-boriky mifatotra, izay tsy mbola nitaingenan’ olona; vahao izy, ka ento etỳ.
3 若人ありて、何を為すかと云はば、主之を要す、と云へ、然らば直に其を此處に遣はさん、と。
Ary raha misy olona manao aminareo hoe: Ahoana no anaovanareo izao? dia lazao hoe: Misy raharaha analan’ ny Tompo azy; dia havelany ho entina etỳ indray miaraka amin’ izay izy.
4 弟子等往きて、門前の辻に小驢馬の外に繋がれたるに遇ひて、之を解きけるに、
Dia nandeha izy ka nahita zana-boriky nifatotra teo ala-trano anilan’ ny varavarana teo an-dalana, dia novahany izy.
5 其處に立てる人々の中に、汝等小驢馬を解きて何とかする、と云ふ者ありければ、
Ary ny olona sasany teo nanao taminy hoe: Ahoana no amahanareo ny zana-boriky?
6 弟子等イエズスの命じ給ひし如く云ひしに、人々之を容せり。
Ary izy nilaza taminy araka izay nolazain’ i Jesosy taminy, dia navelan’ ny olona handeha izy.
7 斯て小驢馬をイエズスの許に牽來り、己が衣服を其上に被けしかば、イエズス之に乗り給へり。
Ary nentiny teo amin’ i Jesosy ny zana-boriky, dia nataony teo amboniny ny lambany; ary Jesosy nitaingina azy.
8 多くの人己が衣服を道に鋪き、或人々は樹より枝を伐落して道に鋪きたりしが、
Ary maro no namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany kosa nampihahaka rantsan-kazo izay efa nalainy tany an-tsaha.
9 先に立ち後に從ふ人々呼はりて、ホザンナ、
Ary izay nandeha teo alohany sy izay nanaraka teo aoriany dia samy niantso hoe: Hosana! Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah!
10 主の名によりて來れる者は祝せられ給へ、我等の父ダヴィドの來る國は祝せられよ、最高き處にホザンナ、と云ひ居たり。
Hotahina anie ny fanjakana izay avy, dia ny an’ i Davida raintsika! Hosana any amin’ ny avo indrindra.
11 第二項 イエズス審判権を示し給ふ イエズスエルザレムに入り、[神]殿に至りて徧く見廻し給ひしに、時既に夕暮なりしかば、十二人と共にベタニアに出で給へり。
Ary Jesosy niditra tany Jerosalema ka nankeo an-kianjan’ ny tempoly; ary rehefa nijerijery ny zavatra rehetra Izy, sady efa hariva ny andro tamin’ izay, dia niala Izy mbamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy ka nankany Betania.
12 翌日一同ベタニアを出づる時、イエズス飢ゑ給ひしが、
Ary nony ampitson’ iny, rehefa niala tany Betania izy, dia noana Jesosy.
13 遥に葉ある無花果樹を見て、是に何をか見出だす事もやと、其處に至り給ひしに、葉の外に何をも見出だし給はざりき。其は無花果の期にあらざればなり。
Ary nahatsinjo aviavy anankiray mandravina erỳ lavidavitra Izy, dia nankeo, fa toa hahita voany eo aminy; kanjo nony tonga teo aminy Izy, dia tsy nahita na inona na inona, afa-tsy ravina ihany; fa tsy mbola tonga ny taom-pamoazan’ ny aviavy.
14 イエズス是に言ひて、今より後何時までも汝の實を食ふ人あらざれ、と曰ひしを弟子等聞きたりき。 (aiōn g165)
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza misy mihinana voa avy aminao intsony mandrakizay. Ary ny mpianany nahare izany. (aiōn g165)
15 一同エルザレムに至り、イエズス神[殿]に入り給ひて、殿内に売買する人々を逐出し始め、兩替屋の案と鴿売る人々の榻とを倒し給ひ、
Ary tonga tany Jerosalema izy: ary Jesosy niditra teo an-kianjan’ ny tempoly, dia nandroaka izay nivarotra sy izay nividy teo an-kianjan’ ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ ny mpivarotra ny voromailala;
16 器を携へて[神]殿を通る事を何人にも許し給はず、
ary tsy navelany hisy olona hitondra fanaka handeha hamaky ny kianjan’ ny tempoly.
17 彼等に教へて曰ひけるは、録して「我家は萬民に祈の家と稱へられん」とあるにあらずや、然るに汝等之を強盗の巣窟と為せり、と。
Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an’ ny firenena rehetra?; fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren’ ny jiolahy.
18 司祭長律法學士等之を聞き、如何にしてかイエズスを亡ぼさんと相謀り居たり、其は群衆挙りて其教を感嘆するによりて、彼を怖れたればなり。
Ary nahare izany ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna, ka dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy, satria talanjona ny vahoaka rehetra noho ny fampianarany.
19 夕暮にはイエズス市より出で給ひしが、
Ary isan-kariva dia niala tao an-tanàna Izy.
20 朝弟子等通りかかりて、彼無花果樹の根より枯れたるを見しかば、
Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin’ ny fakany ilay aviavy.
21 ペトロ思出して、ラビ看給へ、詛ひ給ひし無花果樹枯れたり、と云ひしに、
Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe: Raby ô, indro fa efa malazo ilay aviavy nozoninao.
22 イエズス答へて曰ひけるは、神を信仰せよ、
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an’ Andriamanitra.
23 我誠に汝等に告ぐ、誰にてもあれ此山に向ひ、汝抜けて海に投ぜよと云ひて、其心に逡巡がず、我が云ふ所は何にても成るべしと信ぜば、其事必成らん。
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin’ ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany.
24 故に我汝等に告ぐ、汝等何事をも祈りて求むれば悉く得べしと信ぜよ、然らば其事必汝等に成らん。
Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin’ ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.
25 又祈らんとて立つ時、人に對して恨あらば之を宥せ、是天に在す汝等の父も汝等の罪を赦し給はん為なり。
Ary raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan’ ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo.
26 汝等若宥さずば、天に在す汝等の父も汝等の罪を赦し給はじ、と。
27 一同再エルザレムに至りしが、イエズス[神]殿の内を歩み給ふ時、司祭長、律法學士、長老等近づきて、
Ary tonga tany Jerosalema indray izy; ary raha nitsangantsangana teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia nanatona Azy ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
28 云ひけるは、汝何の権を以て是等の事を為すぞ、又是等の事を為すべく、誰か、此権を汝に授けしぞ。
ka nanao taminy hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome Anao izany fahefana izany hanaovanao izao zavatra izao?
29 イエズス答へて曰ひけるは、我も一言汝等に問はん、我に答へよ、然らば、我何の権を以て是等の事を為すかを告げん。
Ary Jesosy nanao taminy hoe: Hanontany anareo zavatra iray loha kosa Aho, ka valio Aho; ary dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao:
30 ヨハネの洗禮は天よりせしか、人よりせしか、我に答へよ、と。
Ny batisan’ i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ ny olona? Valio Aho.
31 彼等心に慮りけるは、天よりと云はんか、然らば何ぞ彼を信ぜざりしと云はれん、
Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana ary no tsy nino azy ianareo?
32 人よりと云はんか、人民に憚る所ありと。其は皆ヨハネを眞に預言者と認めたればなり。
Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ ny olona, natahotra ny olona izy, satria neken’ ny olona rehetra fa mpaminany tokoa Jaona.
33 斯てイエズスに答へて、我等之を知らず、と云ひしかば、イエズス答へて、我も何の権を以て此事等を為すかを汝等に告げず、と曰へり。
Dia namaly an’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.

< マルコの福音書 11 >