< ルカの福音書 22 >

1 第一款 敵等イエズスの死刑を謀る 然て過越と稱する無酵麪の祭日近づきけるに、
Ary efa mby akaiky ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay andro atao hoe Paska.
2 司祭長、律法學士等、如何にしてかイエズスを殺すべきと相謀りたれど、人民を懼れ居たり。
Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nitady izay hamonoany an’ i Jesosy; nefa natahotra ny olona izy.
3 然るにサタン、十二人の一人にしてイスカリオテとも呼ばれたるユダに入りしかば、
Fa Satana niditra tao anatin’ i Jodasy, ilay atao hoe Iskariota, anankiray tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy;
4 彼往きて、司祭長、官吏等にイエズスを売る方法を語りしかば、
dia nankao amin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny lehiben’ ny mpiambina izy ka niresaka taminy ny amin’ izay hamadihany an’ i Jesosy amin’ ireo.
5 彼等喜びて之に金を與えんと約せしに、
Dia faly ireo ka nanaiky hanome vola azy.
6 ユダ諾して、群衆の居らざる時にイエズスを付さんものと、機を窺ひ居たり。
Ary nanaiky izy ka nitady izay andro hahazoany hamadika Azy amin’ ireo amin’ ny tsy misy olona.
7 第二款 最終の晩餐 斯て過越[の恙]を屠るべき無酵麪の日來り、
Ary tonga ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia ilay tsy maintsy hamonoana ny Paska.
8 イエズス、ペトロとヨハネとを遣はさんとして、汝等往きて、我等が食せん為、過越の備を為せ、と曰ひしかば
Ary Jesosy naniraka an’ i Petera sy Jaona ka nanao hoe: Mandehana, ka amboary ny Paska hohanintsika.
9 彼等、何處に備へん事を望み給ふぞ、と云ひしに
Ary hoy ireo taminy: Aiza no tianao hanamboaranay azy?
10 イエズス曰ひけるは、汝等市中に入る時、看よ、水瓶を肩にせる人汝等に遇はん、其入る家に随行きて
Dia hoy Izy taminy: Indro, raha miditra ao an-tanàna ianareo, dia hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; manaraha azy ao amin’ ny trano izay hidirany.
11 其家の主に向ひ、師汝に謂ひて、我が弟子と共に過越の食事を為すべき席は何處に在るかと曰ふ、と云へ、
Dia lazao amin’ ny tompon-trano hoe: Izao no lazain’ ny Mpampianatra aminao: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin’ ny mpianatro?
12 然らば彼既に整へたる大いなる高間を汝等に示さん、汝等其處にで準備せよ、と。
Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana, izay efa nasiana fipetrahana; any no amboary.
13 彼等往きて見るに、イエズスの曰ひし如くなりしかば、過越の準備を為せり。
Dia nandeha izy ka nahita araka izay efa nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.
14 時至りて、イエズス十二使徒と共に食に就き給ひしが、
Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ ny Apostoly.
15 彼等に曰ひけるは、我苦を受くる前に此過越の食事を汝等と共にせん事を切に望めり、
Ary hoy Izy taminy: Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.
16 蓋我汝等に告ぐ、其が神の國にて成就するまでは、我今より之を食せざるべし、と。
Fa lazaiko aminareo fa tsy mba hihinana izany intsony Aho ambara-pahatanterak’ izany ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
17 軈て杯を執り、謝して曰ひけるは、取りて汝等の中に分て、
Ary nandray kapoaka Izy, dia nisaotra ka nanao hoe: Raiso ity, ka zarao aminareo;
18 蓋我汝等に告ぐ、神の國の來るまでは、我葡萄の液を飲まじ、と。
fa lazaiko aminareo fa hatramin’ izao dia tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pahatongan’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
19 又麪を取り、謝して之を擘き、彼等に與へつつ曰ひけるは、是汝等の為に付さるる我體なり、我記念として之を行へ、と。
Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.
20 晩餐了りて後、杯をも亦斯の如くにして曰ひけるは、此杯は、汝等の為に流さるるべき我血に於る新約なり。
Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ ny rako, izay aidina ho anareo.
21 然りながら看よ、我を付す人の手我と共に食卓に在り。
Fa, indro, ny tànan’ izay mamadika Ahy dia eto amiko eto ambonin’ ny latabatra.
22 抑人の子は豫定せられし如くにして逝くと雖も、之を付す人は禍なる哉、と。
Fa ny Zanak’ olona mandeha tokoa, araka izay nanendrena; nefa lozan’ izay lehilahy hahazoana manolotra Azy!
23 斯て弟子等己等の中に於て之を為さんとする者は誰なるぞ、と互に僉議し始めたり。
Ary ireo nifanontany izay anankiray eo aminy hahefa izany.
24 然るに、己等の中大いなりと見ゆべき者は誰ぞ、と争起りしかば、
Ary nisy koa fifandirana tao aminy ny amin’ izay anankiray aminy hatao lehibe.
25 イエズス彼等に曰ひけるは、異邦人の帝王は人を司り、又人の上に権を執る者は恩人と稱せらる、
Ary hoy Jesosy taminy: Ny mpanjakan’ ny jentilisa mampanompo azy ary izay manapaka azy no atao hoe mpanao soa.
26 然れど汝等は然あるべからず、却て汝等の中に大いなる者は小き者の如くに成り、首たる者は給仕の如くに成るべし。
Fa tsy mba toy izany ianareo; fa izay lehibe aminareo dia aoka ho toy ny zandry; ary izay manapaka dia aoka ho toy ny mpanompo.
27 蓋食卓に就ける者と給仕する者とは、孰か大いなるぞ、食卓に就ける者ならずや、然れども我が汝等の中に在るは給仕する者の如し。
Fa iza moa no lehibe, izay mipetraka mihinana va, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka mihinana va? Fa Izaho dia eo aminareo toy izay manompo.
28 汝等は我が患難の中に於て絶えず我に伴ひし者なれば、
Ary ianareo no naharitra nanaraka Ahy tamin’ ny fakam-panahy nihatra tamiko;
29 我父の我に備へ給ひし如く、我も汝等の為に國を備へんとす、
koa Izaho dia manendry fanjakana ho anareo tahaka ny nanendren’ ny Raiko ho Ahy,
30 是汝等をして、我國に於て我食卓に飲食せしめ、又高座に坐してイスラエルの十二族を審判せしめん為なり、と。
mba hihinana sy hisotro eo amin’ ny latabatro amin’ ny fanjakako ianareo sady hipetraka ambony seza fiandrianana hitsara ny firenen’ isiraely roa ambin’ ny folo,
31 主又曰ひけるは、シモンシモン、看よ、麦の如く篩はんとて、サタン汝等を求めたり、
Ary hoy ny Tompo: Ry Simona, ry Simona, indro, Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary.
32 然れど我汝の為に、汝が信仰の絶えざらん事を祈れり、汝何時か立歸りて、汝の兄弟等を堅めよ、と。
Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao; ary rehefa mibebaka ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.
33 彼イエズスに向ひ、主よ、我汝と共に監獄にも、死にも至らん覚悟なり、と云ひしかば、
Ary hoy izy taminy: Tompoko, vonona hanaraka Anao aho, na ho ao an-tranomaizina, na dia ho amin’ ny fahafatesana aza.
34 イエズス曰ひけるは、ペトロ、我汝に告ぐ、今日鶏鳴はざる中、汝三度我を知らずと否まん、と。又彼等に曰ひけるは、
Fa hoy Jesosy: Lazaiko aminao, ry Petera: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà intelo ho tsy mahalala Ahy ianao.
35 我が汝等を、財布なく、嚢なく、履なくて遣はしし時、汝等に何の不足かありし、と。
Ary hoy koa Izy taminy: Raha nirahiko tsy nitondra kitapom-bola na kitapom-batsy na kapa ianareo, moa nisy zavatra nahory anareo va? Dia hoy ireo: Tsy nisy.
36 彼等、無かりきと云ひしかば、曰ひけるは、然りながら今は、財布ある者は之を携へ、嚢をも亦然せよ、無き者は己が上衣を売りて剣を買へ、
Fa hoy Izy taminy: Fa amin’ izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka hitondra azy; ary toy izany koa ny kitapom-batsy; ary izay tsy manan-tsabatra kosa, dia aoka hivarotra ny lambany izy ka hividy.
37 蓋我汝等に告ぐ、録して「彼は罪人に列せられたり」とあるも、亦我に於て成就せざるべからず、其は凡我に関する所、将に了らんとすればなり、と。
Fa lazaiko aminareo: Tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao hoe: Ary Izy natao ho isan’ ny mpanota; fa efa ho tanteraka ny amiko.
38 弟子等、主よ、見給へ、此處に二口の剣あり、と云ひしかば、イエズス、足れり、と曰へり。
Ary hoy ireo: Tompoko, indreto sabatra roa. Dia hoy Jesosy taminy: Aoka izay.
39 第三款 ゲッセマニに於るイエズス 然て出でて、例の如く橄欖山へ往き給ふに、弟子等も之に從ひしが、
Ary nivoaka Jesosy, koa araka ny fanaony dia nankao an-tendrombohitra Oliva Izy, ary ny mpianatra koa nanaraka Azy.
40 處に至り給ふや、彼等に向ひて、汝等誘惑に入らざらん為に祈れ、と曰ひ、
Ary raha vao tonga tao amin’ izany tany izany, dia hoy Izy taminy: Mivavaha mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy.
41 自らは石の投げらるる程を彼等より引離れて跪き、祈りて
Ary Izy nihataka taminy tokony ho indray mitora-bato, dia nandohalika ka nivavaka hoe:
42 曰ひけるは、父よ、思召ならば、此杯を我より取除き給へ、然りながら我心の儘にはあらで、思召成れかし、と。
Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
43 時に一箇の天使天より現れて力を添へしが、イエズス死ぬばかり苦しみて、祈り給ふ事愈切に、
Ary nisy anjely avy tany an-danitra niseho teo aminy ka nampahery Azy.
44 汗は土の上に滴りて、血の雫の如くに成れり。
Ary fadiranovana Izy, ka dia nivavaka mafimafy kokoa; ary ny dininy dia tahaka ny rà nipotrapotraka tamin’ ny tany.
45 斯て祈より起上りて、弟子等の許に來給ひしが、彼等が憂の為に眠れるを見て、
Ary nony nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankeo amin’ ny mpianatra ka nahita azy matorin’ alahelo.
46 曰ひけるは、何ぞ眠れるや、起きよ、誘惑に入らざらん為に祈れ、と。
Dia hoy Izy taminy: Nahoana no dia matory ianareo? Mitsangàna, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy.
47 第四款 イエズス捕へられ給ふ 尚語り給へる中に、折しも一団の群衆來りしが、十二人の一人なるユダと云へる者先ち居り、イエズスに接吻せんとて近づきしかば、
Ary raha mbola niteny Jesosy, indreo, tamy ny vahoaka, ary ilay atao hoe Jodasy, isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy, dia nandeha teo alohany ka nanatona an’ i Jesosy hanoroka Azy.
48 イエズス之に曰ひけるは、ユダ、接吻を以て人の子を付すか、と。
Fa hoy Jesosy taminy: Ry Jodasy, fanorohana va no amadihanao ny Zanak’ olona?
49 斯てイエズスの周圍に居たる人々事の成行を見て、主よ、我等剣を以て撃たば如何に、と云ひつつ、
Ary izay teo aminy, raha nahita izay efa hanjo, dia nanao hoe: Tompoko, hamely amin’ ny sabatra va izahay?
50 其一人、大司祭の僕を撃ちて、其右の耳を切落せり。
Ary ny anankiray teo aminy dia nikapa ny mpanompon’ ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny ankavanana.
51 イエズス答へて、汝等是迄にて容せ、と曰ひ、彼の耳に触れて之を醫し給へり。
Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Aoka ihany na dia izao aza. Dia nanendry ny sofiny Izy ka nahasitrana azy.
52 然て己に近づける司祭長、神殿の司、長老等に曰ひけるは、汝等は、強盗に向ふ如く、剣と棒とを持ちて出來りしか、
Ary hoy Jesosy tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny lehiben’ ny mpiambina ny tempoly ary ny loholona izay tonga hisambotra Azy: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
53 我日々汝等と共に神殿に在りしに、汝等我に手を掛けざりき。然れども今は汝等の時なり、黒暗の勢力なり、と。
Raha teo aminareo isan’ andro teo an-kianjan’ ny tempoly Aho, dia tsy naninji-tanana tamiko ianareo; fa izao no fotoanareo sy herin’ ny maizina.
54 彼等イエズスを捕へて大司祭の家に引行きしかば、ペトロ遥に從ひたりしが、
Ary izy ireo nisambotra an’ i Jesosy, dia nitondra Azy ho ao an-tranon’ ny mpisoronabe. Ary Petera nanaraka teny lavidavitra eny.
55 彼等庭の中央に炭火を焚きて其周圍に坐せるに、ペトロも其中に坐し居たりき。
Ary raha namelona afo teo an-kianja ireo ka nipetraka, dia mba nipetraka teo aminy koa Petera.
56 一人の下女、彼が火光に坐せるを見て之を熟視め、此人も彼と共に在りき、と云ひければ、
Ary ny ankizivavy anankiray, nony nahita azy nipetraka teo anilan’ ny afo, dia nandinika azy ka nanao hoe: Ity koa nomba Azy.
57 ペトロイエズスを否みて、女よ、我彼を知らず、と云へり。
Fa izy nandà ka nanao hoe: Ravehivavy, tsy fantatro Izy.
58 少頃ありて、又一人の男ペトロを見て、汝も彼等の一人なり、と云ひしに、ペトロ、人よ、我は然らず、と云へり。
Ary vetivety foana rehefa afaka izany, dia nisy olona hafa koa nahita azy ka nanao hoe: Hianao koa mba naman’ ireny. Fa Petera nanao hoe: Ralehilahy, tsy mba namany aho.
59 約一時間を経て、又一人言張りて、實に此人も彼に伴ひたりき、是もガリレア人なれば、と云ひしに
Ary rehefa afaka tokony ho ora iray, dia nisy anankiray koa nitompo teny ka nanao hoe: Ilehio nomba Azy marina tokoa, fa Galiliana izy.
60 ペトロは、人よ、我汝の云ふ所を知らず、と云ひしが、未だ言終らざるに鶏忽ち鳴へり。
Fa hoy Petera: Ralehilahy, tsy fantatro izay lazainao. Ary niaraka tamin’ izay, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno.
61 此時主回顧りて、ペトロを見給ひしかば、ペトロは、鶏鳴はぬ前に汝三度我を否まん、と曰ひたりし主の御言を思起し、
Ary ny Tompo nitodika, dia nijery an’ i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin’ ny Tompo nolazainy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao.
62 外に出でて甚く泣出せり。
Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra.
63 衛れる人々、イエズスを打ちて嘲笑ひ、
Ary ny lehilahy izay nitana an’ i Jesosy dia nanao Azy ho fihomehezana sady nikapoka Azy.
64 御目を掩ひて御顔を打ち、然て問ひて、預言せよ、汝を打てるは誰なるぞ、と云ひ、
Ary rehefa nanampi-maso Azy izy, dia nanontany Azy hoe: Maminania; iza moa no namely Anao?
65 尚之に向ひ冒涜して、様々の事を云ひ居たり。
Ary niteny ratsy izy nilaza zavatra maro hafa koa nanaratsiany Azy.
66 夜の明くると共に、民間の長老、司祭長、律法學士等相集り、イエズスを其衆議所に引きて、汝はキリストなるか、我等に告げよ、と云ひしかば、
Ary raha vao nazava ny andro, niangona ny loholona, dia ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ka nitondra an’ i Jesosy ho eo amin’ ny Synedriona, dia nanao hoe:
67 イエズス彼等に曰ひけるは、我汝等に告ぐとも、汝等我を信ぜじ、
Raha Hianao no Kristy, dia lazao aminay. Fa hoy Izy taminy: Na dia hilaza aminareo aza Aho, dia tsy hino ianareo.
68 又我問ふとも我に答へず、又我を放たじ、
Ary na dia hanontany aza Aho, dia tsy hamaly akory ianareo.
69 然れども今より後、人の子は全能に在す神の右に坐し居らん、と。皆云ひけるは、然らば汝は神の子なるかと。
Fa hatramin’ izao ny Zanak’ olona dia hipetraka eo an-tanana ankavanan’ ny herin’ Andriamanitra.
70 イエズス、汝等の云へるが如し、我は其なり、と曰ひしかば、
Dia hoy izy rehetra: Zanak’ Andriamanitra va ary Hianao? Ary hoy Izy taminy: Voalazanareo fa Izaho no Izy.
71 彼等云ひけるは、我等何ぞ尚證據を要せんや、自ら其口より聞けるものを、と。
Ary hoy ireo: Ka inona indray no ilantsika vavolombelona? fa ny tenantsika no efa nandre tamin’ ny vavany.

< ルカの福音書 22 >