< ルカの福音書 15 >

1 時に税吏、罪人等、イエズスに聴かんとて近づきければ、
Ary ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota nanatona hihaino an’ i Jesosy.
2 ファリザイ人、律法學士等呟きて、此人は罪人を接けて共に食するよ、と云ひ居たりしかば、
Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy.
3 イエズス彼等に喩を語りて曰ひけるは、
Fa Izy nanao izao fanoharana izao taminy hoe:
4 汝等の中誰か、百頭の羊ありて其一頭を失ひたらんに、九十九頭を野に舍きて其失せたるものを見出すまで尋ねざらんや。
Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?
5 然て之を見出さば、喜びて己が肩に乗せ、
ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy;
6 家に歸りて朋友隣人を呼集め、我失せたりし羊を見出したれば我と共に喜べ、と云はん、
ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very.
7 我汝等に告ぐ、斯の如く、改心する一個の罪人の為には、改心を要せざる九十九の義人の為よりも、天に於て喜あるべし。
Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin’ ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.
8 又如何なる女か、ダラクマ十枚ありて其一枚を失ひたらんに、燈を點し、家を掃きて見出すまで能く探さざらんや。
Ary iza moa no vehivavy manana farantsakely folo, ka very ny anankiray, no tsy mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy?
9 然て見出さば、己の朋友隣人を呼集めて、我が失ひたりしダラクマを見出したれば我と共に喜べ、と云はん。
Ary raha hitany iny, dia mamory ny vehivavy sakaizany sy ny namany izy ka manao hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ny farantsakely izay very.
10 我汝等に告ぐ、斯の如く、改心する一個の罪人の為には、神の使等の前に喜びあるべし、と。
Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan’ ny anjelin’ Andriamanitra ny amin’ ny mpanota iray izay mibebaka.
11 又曰ひけるは、或人二人の子ありしが、
Ary hoy Jesosy: Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy.
12 次男なるもの父に向ひ、父よ、我に充てらるべき分の財産を我に賜へ、と云ひしかば、父は子等に財産を分てり。
Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Raiko, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin’ izy mirahalahy ny fananany.
13 然て幾日も経ざるに、次男は一切を掻集めて遠國へ出立し、彼處にて放蕩なる生活に財産を浪費せり。
Ary nony afaka kelikely, dia nangonin’ ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin’ ny fiveloman-dratsy tany.
14 既に一切を費して後、彼地方に大飢饉起りしかば、彼も漸く乏しくなり、
Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin’ izany tany izany, ka nahantra izy.
15 其地方の或人の許に至りて之に縋りしに、其人之を己が小作場に遣りて豚を牧はせたり。
Dia nandeha izy ka niankina tamin’ ny tompon-tany anankiray tamin’ izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa.
16 斯て豚の食ふ豆莢もて己が腹を充たさん事を望み居たりしかど、之を與ふる者なかりき。
Ary satriny hameno ny kibony tamin’ ny voan-kazo fihinan’ ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy.
17 軈て自省みて云ひけるは、我父の家には麪に餍ける傭人幾許かあるに、我は此處にて飢死なんとす。
Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy maro ny olona karamain’ ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto!
18 起ちて我父の許に至り、父よ、我は天に對しても汝の前にも罪を犯せり、
Hiainga aho, dia hody any amin’ ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ ny lanitra sy teo anatrehanao aho
19 我は最早汝の子と呼ばるるに足らず、願はくは我を汝の傭人の一人と視做し給へ、と云はん、と。
ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin’ ny olona karamainao aho.
20 即ち起ちて父の許を指して行きしが、未だ程遠かりけるに、父は之を見て憫を感じ、趨往きて其頚を抱き、之に接吻せり。
Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.
21 子は、父よ、我は天に對しても汝の前にも罪を犯せり、我は最早汝の子と呼ばるるに足らず、と云ひしかど、
Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin’ ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony.
22 父は僕等に向ひ、疾く最上の服を取來りて之に着せ、其手に指輪を嵌め、足に履を穿かせよ、
Fa rainy kosa nanao tamin’ ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony;
23 又肥えたる犢を牽來りて屠れ、我等會食して樂しまん、
ary ento ny zanak’ omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly;
24 其は此我子死したるに蘇り、失せたるに見出されたればなり、と云ひて宴を開けり。
fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.
25 然るに長男は畑に居たりしが、歸來りて家に近づく時、奏樂舞踏の物音聞えしかば、
Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy.
26 僕の一人を呼びて、是は何事ぞと問ひしに、
Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton’ izany zavatra izany.
27 僕云ひけるは、汝の弟來れり、之を恙なく迎へたるにより、汝の父肥えたる犢を屠りたるなり、と。
Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak’ omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy.
28 長男憤りて家に入る事を肯ぜざりしかば、父出でて懇に請出でけるに、
Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy.
29 彼答へて云ひけるは、看よ、我は多年汝に事へ、未曾て汝の命に背きし事なきに、一疋の小山羊だも、朋友と共に會食せん為に、汝より與へられし事なし、
Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak’ osy aza mba hifaliako amin’ ny sakaizako;
30 然るを娼妓等と共に財産を食盡したる、彼汝の子來るや、汝は之が為に肥えたる犢を屠れり、と。
fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin’ ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak’ omby nafahy ianao.
31 父之に謂ひけるは、子よ、汝は恒に我と共に居りて、我物は皆汝の物なり、
Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako.
32 然れども汝の弟は、死したるに蘇り、失せたるに見出されたれば、我等愉快を盡して喜ばざるを得ざりしなり、と。
Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.

< ルカの福音書 15 >