< テモテへの手紙第二 4 >

1 我神の御前、又生者と死者とを審判し給べきイエズス、キリストの御前に於て、其公顕と御國とに對して希ふ、
Eo anatrehan’ Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin’ ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy:
2 汝御言を宣傳へて、時なるも時ならざるも、切に勧め、忍耐を盡し、教理を盡して、且戒め且希ひ且威せ。
mitoria ny teny, mazotoa, na amin’ ny fotoana, na tsy amin’ ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin’ ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.
3 蓋時至らば、人々健全なる教に堪へず、耳痒くして、私欲のまにまに己が為に教師を蓄へ、
Fa ho avy ny andro izay tsy hahazakan’ ny olona ny fampianarana tsy misy kilema; fa hangidihidy sofina izy, dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany;
4 耳を眞理に背け、身を寓言に委ぬるに至らん。
ary hampiala ny sofiny amin’ ny teny marina tokoa izy ka hivily ho amin’ ny anganongano.
5 然れど汝は慎みて萬事を凌ぎ、福音師の業を為して己が[聖]役を盡せ。
Fa ianao kosa mahonona tena amin’ ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan’ ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.
6 蓋我は最早供物に濯がれ、去るべき時期切迫せり。
Fa izaho dia efa hatolotra sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko.
7 我善き戰を戰ひ、走るべき道を果たし、信仰を保てり。
Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho;
8 殘る所は、正義の冠我為に備はれるのみ、正しき審判者にて在す主は、彼日に於て之を我に賜ふべく、而も獨り我のみならずして、其降臨を愛する人々にも賜ふべきなり。
hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’ izay rehetra tia ny fisehoany koa.
9 結末 急ぎて我許に來れ、
Mazotoa hankatỳ amiko faingana ianao;
10 蓋デマスは此世を好み、我を棄ててテサロニケに行き、クレセンスはガラチアに、チトはダルマチアに行き、 (aiōn g165)
fa Demasy efa nandao ahy, satria tia izao fiainana izao izy ka lasa nankany Tesalonika; Kreska nankany Galatia, Titosy nankany Dalmatia. (aiōn g165)
11 ルカ一人我と共に在り。汝マルコを誘ひて共に來れ、其は彼は[聖]役の為に我に益あればなり。
Lioka ihany no ato amiko. Alao Marka, ka ento miaraka aminao, fa mahasoa ahy amin’ ny fanompoana izy.
12 チキコは我之をエフェゾに遣はせり。
Tykiko dia nirahiko ho any Efesosy.
13 汝來る時、我がトロアデにてカルポの家に遺置きたる上衣と書物と、特に羊皮紙とを持來れ。
Ilay kapôty navelako tany Troasy tao amin’ i Karpo, dia ento, raha mankaty ianao, ary ny boky, indrindra fa ireo boky hoditra.
14 鍛冶屋アレキサンデル大いに我を悩せり、主は其業に應じて報い給ふべし、
Aleksandro, mpanefy varahina, efa nanisy ratsy ahy be loatra; ny Tompo hamaly azy araka ny asany;
15 彼は甚しく我言に逆らひし者なれば、汝も之に遠ざかれ。
tandremonao ihany izy iny, fa nanohitra fatratra ny teninay.
16 我初の弁護の時、我に立會ふ者一人もなく、皆我を棄てたり、願はくは其罪を彼等に歸せられざらん事を。
Tamin’ ny nandaharako voalohany hanala tsiny ny tenako dia tsy nisy nomba ahy, fa nandao ahy avokoa izy rehetra (aza mba isaina ho helony anie izany).
17 然れど宣教が我を以て全うせられ、凡ての異邦人の聴かん為に、主は我と共に立ちて我を堅固ならしめ給へり、斯て我は獅の口より救はれたるなり。
Kanefa ny Tompo nitsangana teo anilako ka nampahery ahy, mba hotanterahina tokoa amin’ ny ataoko ny fitorian-teny, ary mba ho ren’ ny jentilisa rehetra izany; ary izaho novonjena tao am-bavan’ ny liona.
18 主は我を一切の惡業より逃れしめ給ひ、尚其天國に於て我を救ひ給ふべし、主に世々光榮あれかし、アメン。 (aiōn g165)
Ary ny Tompo hanafaka ahy amin’ ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin’ ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
19 プリスカとアクィラとオネジフォロの家とに宜しく傳へよ。
Manaova veloma amin’ i Prisila sy Akoila mbamin’ ny ankohonan’ i Onesiforosy;
20 エラストはコリントに留りしが、トロフィモは病ありて、我之をミレトに遺せり。
Erasto nitoetra tany Korinto; fa Trofimo nilaozako tany Mileto, satria narary izy.
21 冬に先ちて急ぎ來れ、ユウプロとプデンスとリノとクロオディアと凡ての兄弟と、汝に宜しくと言へり。
Mazotoa hankatỳ alohan’ ny ririnina. Manao veloma anao Eobolo sy Poda sy Lino sy Klaodia mbamin’ ny rahalahy rehetra.
22 願はくは主イエズス、キリスト汝の霊と共に在し、恩寵汝等と共に在らん事を、アメン。
Ho amin’ ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.

< テモテへの手紙第二 4 >