< テモテへの手紙第二 2 >

1 第二項 勞苦に拘らず勇氣を振ふべし 然れば我子よ、汝キリスト、イエズスに於る恩寵に愈堅固なれ。
Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin’ ny fahasoavana izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
2 然て、數多の證人の前に我より聞きし事を、他人に教ふるに足るべき、忠實なる人々に托せよ。
Ary izay zavatra efa renao tamiko teo anatrehan’ ny vavolombelona maro dia atolory ny olona mahatoky, izay hahay mampianatra ny sasany kosa.
3 キリストの善き軍人として共に苦を忍べ。
Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran’ i Kristy Jesosy.
4 軍人は生活の事を以て己を煩はさずして、募りし者の心を獲んとす。
Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin’ ny raharahan’ izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila.
5 又勝負を争ふ人は規定に從ひて争はざれば冠を得ず。
Ary raha misy manezaka amin’ ny filalaovana, dia tsy satrohana satro-boninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna.
6 辛勞する農夫は先其産物を獲ざるべからず。
Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra.
7 我が言ふ所を悟れ、主は萬事に就きて汝に悟を賜ふべし。
Diniho izay lazaiko, fa homen’ ny Tompo fahazavan-tsaina ny amin’ ny zavatra rehetra ianao.
8 ダヴィドの裔に在す主イエズス、キリストが、我福音の儘に死者の中より復活し給ひしことを記憶せよ、
Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin’ ny maty, dia Ilay avy tamin’ ny taranak’ i Davida, araka ny filazantsarako,
9 我は此福音の為に苦を嘗めて、惡人の如く鎖に繋がるるに至れり。然れども神の御言は繋がれず、
izay iaretako fahoriana hatramin’ ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin’ Andriamanitra dia tsy mba voafatotra.
10 故に我は選まれたる人々の為に萬事を忍ぶ、是彼等をしてイエズス、キリストに於る救霊と天の榮光とを得しめん為なり。 (aiōnios g166)
Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin’ ny olom-boafidy, mba hahazoan’ ireny koa famonjena, dia izay ao amin’ i Kristy Jesosy, mbamin’ ny voninahitra mandrakizay. (aiōnios g166)
11 眞實の談なる哉、我等キリストと共に死したるならば、又共に活くべし、
Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;
12 忍ばば又彼と共に王と成るべし、我等若彼を否まば、彼も亦我等を否み給ふべし、
raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;
13 我等は信ぜざる事ありとも、彼は絶えず眞實にて在す、其は己に違ひ給ふ事能はざればなり。
fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.
14 第一項 謬説に對する處置 第二編 謬説と棄教とを防ぐべし 汝人々をして是等の事を思出さしめ、又主の御前に保證して、口論する事を戒めよ、口論は何等の益する所なく、聞く人をして亡に至らしむる耳なればなり。
Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan’ ny Tompo izy mba tsy hiady teny, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamadika ny mpihaino,
15 汝神の御前に於て鍛錬したる者、耻づる所なき働人、眞理の言を正しく扱へる者たらん事を努めよ。
Mazotoa manolotra ny tenanao amin’ Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.
16 世俗の無駄話を避けよ、蓋之を為せる人は、大いに不敬虔に進み、
Fa halaviro ny fibedibedena foana; fa mbola handroso amin’ ny haratsiam-panahy ihany izy ireny,
17 其話の広がる事は脱疽の如し、ヒメネオとフィレトと其中に在りて、
ary ny teniny dia handany tahaka ny aretina mihady; isan ireny Hymeneo sy Fileto,
18 復活は既に在りきと稱へて眞理を脱し、或人々々の信仰を覆へせり。
izay nania tamin’ ny marina ka milaza fa efa lasa sahady ny fitsanganan’ ny maty, dia mamadika ny finoan’ ny sasany.
19 然れど神の据ゑ給ひし堅固なる基礎立ちて、其上に次の如く録されたる印章あり、曰く、「主は己のものを知り給ふ」、又曰く、「総て主の御名を稱ふる人は不義を離るべし」と。
Kanefa ny fanorenana mafy nataon’ Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: “Ny Tompo mahalala ny azy”, ary koa: “Aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran’ ny Tompo hiala amin’ ny ratsy.”
20 抑大いなる家の中には金銀の器のみならず亦木と土との器ありて、或物は尊き用を為し、或物は卑しき用を為す。
Fa ao an-trano lehibe, tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao, fa fanaka hazo sy tany koa, ny sasany homem-boninahitra, ary ny sasany halam-baraka.
21 然れば人若彼人々を離れて己を潔くせば、尊き器、聖とせられ且主に有益にして凡ての善業の為に備はれる器と成るべし。
Koa raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin’ ireny, dia ho fanaka homem-boninahitra izy, efa nohamasinina ka mahasoa ho an’ ny Tompo, voavoatra ho amin’ ny asa tsara rehetra.
22 汝若氣の欲を避けて、義と信と愛とを求め、又潔き心を以て主を呼憑み奉る人々との和合を求めよ。
Fa mandosira ny filan’ ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’ izay miantso ny Tompo amin’ ny fo madio.
23 然れど愚にして無學なる探求は、是争論を起すものなりと悟りて之を避けよ。
Fa mandava ny fanontaniana adaladala tsy misy antony, satria fantatrao fa mahatonga ady izany.
24 主の僕は争論すべきに非ず、却て一切の人に柔和にして、善く教へ且忍耐し、
Ary tsy mety raha miady ny mpanompon’ ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra,
25 眞理に逆らふ人々を戒むるに謙譲を以てすべし。或は眞理を覚らしめん為に神彼等に改心を賜ひ、
mananatra ny mpanohitra amin’ ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina,
26 彼等は何時しか目を覚して、惡魔の罠を迯るる事あらん、其は彼が、随意虜と為られたればなり。
ka hody ny sainy ho afaka amin’ ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony.

< テモテへの手紙第二 2 >