< テモテへの手紙第一 6 >

1 総て軛の下に在る奴隷は、其主人を全く尊ぶべきものと思ふべし、是主の御名と教との罵られざらん為なり。
Aoka izay andevo rehetra eo ambanin’ ny zioga hanao ny tompony ho miendrika hohajaina tsara, mba tsy hitenenana ratsy ny anaran’ Andriamanitra sy ny fampianarana.
2 信徒たる主人を有てる者は、兄弟なりとて之を軽んずべからず、却て慈善を共にせる者が信徒にして己之に愛せらるるにより、一層善く事ふべし。是等の事を教へ且勧めよ。
Ary izay manana tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy, satria mino sy malala ilay mpandray ny soa atao. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro.
3 第三項 結末の教訓 人ありて、若異なる事を教へ、我主イエズス、キリストの健全なる談話と敬虔に適へる教とに服せずば、
Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny an’ i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra,
4 是何事をも識らずして自ら驕り、病的に議論と言争とを好む者なり、是より起るは嫉妬、口論、侮辱、邪推、
dia mieboebo foana izy ka tsy mahalala na inona na inona, fa adala amin’ ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny izay mahatonga fialonana, fifandirana, fanaratsiana, fiahiahian-dratsy,
5 又精神腐敗し眞理缺乏して、敬虔を利益の道なりと思ふ人々の争等なり。
fifandirana lalandava, fanaon’ ny olona vetaveta saina sady efa nialan’ ny fahamarinana, manao ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra ho fahazoan-javatra.
6 抑足る事を知れる敬虔こそは大いなる利益の道なれ、
Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra omban’ ny fianinana.
7 其は我等が此世に來りし時何物をも携へざりしかば、去る時亦何物をも取る能はざるは疑なき所なればなり。
Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’ izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala.
8 衣食だにあらば、我等は其にて満足すべし。
Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’ izany.
9 蓋富まんと欲する人々は、誘惑と惡魔の罠とに陥り、人を堕落と滅亡とに沈むる、愚にして有害なる種々の慾望に陥る。
Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ ny fandringanana sy ny fahaverezana.
10 即ち利慾は一切の惡事の根なり、或人々は之が為に信仰に遠ざかりて迷ひ、多くの苦を以て己を刺貫けり。
Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ ny alahelo be.
11 然れど神の人よ、汝は是等の事を避けて、正義、敬虔、信仰、慈愛、忍耐、柔和を求め、
Fa ianao kosa, sy lehilahin’ Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’ Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.
12 信仰の善き戰を戰ひて永遠の生命を捉へよ。其は之に召されて、多くの證人の前に之が為に善き宣言を為したればなり。 (aiōnios g166)
Miadia ny ady tsaran’ ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’ izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason’ ny vavolombelona maro. (aiōnios g166)
13 我萬物を活かし給ふ神の御前、及びポンシオ、ピラトの時に立證して善き宣言を為し給ひしキリスト、イエズスの御前に、汝に命ず、
Izaho mananatra anao eo anatrehan’ Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan’ i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan’ i Pontio Pilato,
14 我主イエズス、キリストの顕れ給ふまで、穢なく咎なく掟を守れ、
mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin’ ny fisehoan’ i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany;
15 其時期至りては、至福唯一の主権者、諸王の王、総て主たる者の主はイエズス、キリストを顕し給はんとす、
ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon’ ny tompo, no haneho izany amin’ ny fotoany;
16 彼は獨不死を有し、近づくべからざる光に住み給ひ、一人も曾て見奉りし事なく又見奉る能はざる者に在し、尊榮と永遠の権能と之に歸す、アメン。 (aiōnios g166)
Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin’ ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan’ olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena. (aiōnios g166)
17 汝此世の富者に命ぜよ、驕る事なく、確ならぬ富を恃まず、快樂の為にも萬物を豊に供給し給ふ活き給へる神を頼み奉り、 (aiōn g165)
Anaro ny mpanankarena amin’ izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika, (aiōn g165)
18 善を為して善業に富める者と成り、快く施し且分與へ、
mba hanao soa, mba hanan-karena amin’ ny asa tsara, hazoto manome sy miantra,
19 眞の生命を捉ふる様、将來の為に善き資本を蓄へん事を。
ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ ny tenany ho amin’ ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.
20 嗚呼チモテオよ、托せられしものを守りて、世俗の空言と有名無實なる學識の反論とを避けよ、
Ry Timoty, tehirizo ilay natolotra anao, ka mialà amin’ ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’ izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy,
21 或人々は之を粧ひて信仰の的を外れたるなり。願はくは恩寵汝と共に在らん事を、アメン。
izay neken’ ny sasany, ka nania tamin’ ny finoana izy. Ho aminareo anie ny fahasoavana.

< テモテへの手紙第一 6 >