< ヨハネの手紙第一 5 >

1 第二款 イエズス、キリストに於る信仰及び其の尊き結果。 総てイエズスのキリストにて在すことを信ずる人は、神より生れ奉りたる者にして、総て生み給ひしものを愛する人は、亦神より生れ奉りたり者をも愛するなり。
Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak’ Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa.
2 我等は神を愛し奉りて其掟を實行する時、之を以て神の子等を愛する事を知る、
Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak’ Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an’ Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny.
3 其は神に對する愛は、其掟を守るに在ればなり。斯て其掟は難きものに非ず。
Fa izao no fitiavana an’ Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny.
4 蓋総て神より生れ奉りし者は世に勝つ、而して世に勝ちたる勝利は我等の信仰是なり。
Fa izay rehetra naterak’ Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.
5 世に勝つ者は誰ぞ、イエズスが神の御子にて在すことを信ずる者に非ずや。
Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak’ Andriamanitra?
6 是ぞ水と血とによりて來り給ひしもの、即ちイエズス、キリストなる、唯水のみに非ず水と血とによりてなり。之を證し給ふものは[聖]霊にして、[聖]霊は眞理にて在す。
Izy ilay avy tamin’ ny rano sy ny rà, dia Jesosy Kristy; tsy tamin’ ny rano ihany, fa tamin’ ny rano sy ny rà. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana.
7 蓋(天に於て證するもの三あり、父と御言と聖霊と是なり、而して此三のものは一に歸し給ふ。
Fa misy telo izay manambara,
8 又地に於て)證するもの三あり、霊と水と血と是なり、而して此三のものは一に歸す。
dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo.
9 我等人の證を受くれば、神の證は更に大いなり、而して神の此證の大いなるは御子に就きて證し給ひしが故なり。
Raha mandray ny fanambaran’ ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran’ Andriamanitra; fa ny fanambaran’ Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany.
10 神の御子を信じ奉る人は己の衷に神の證を有す、神を信ぜざる人は之を虚言者と為し奉る者なり、其は神が御子に就きて為し給へる證を信ぜざればなり。
Izay mino ny Zanak’ Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino an’ Andriamanitra dia efa nampandainga Ary, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran’ Andriamanitra ny Zanany izy.
11 其證は是なり、即ち神我等に永遠の生命を賜ひて、此生命は其御子に在り、 (aiōnios g166)
Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen’ Andriamanitra antsika, ary ao amin’ ny Zanany izany fiainana izany. (aiōnios g166)
12 御子を有し奉る人は生命を有し、御子を有し奉らざる人は生命を有せざるなり。
Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak’ Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.
13 結末。 我が是等の事を汝等に書贈るは、神の御子の御名を信じ奉る汝等をして、自ら永遠の生命を有せる事を知らしめん為なり。 (aiōnios g166)
Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ ny Zanak’ Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo. (aiōnios g166)
14 又御旨に從ひて願ふ時は、何事をも我等に聴き給ふ事は、我等が彼に於て確信し奉る所にして、
Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy;
15 何事を願ふも我等に聴き給ふ事を知れば、亦願ひし所を得べき事をも知れるなり。
ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.
16 人若己が兄弟の死に至らざる罪を犯すを見ば祈るべし、然らば生命は死に至らざる罪を為せる人に賜はるべきなり。又死に至る罪あれば、我は之が為に願ふべしと言はず。
Raha misy mahita ny rahalahiny manao ota tsy mahafaty, dia aoka hifona ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy fiainana ho an’ izay manao ota tsy mahafaty. Misy ota mahafaty; tsy mba lazaiko fa tokony hangataka ny amin’ izany izy.
17 凡ての不義は罪なり、又死に至らざる罪あり。
Ota avokoa ny tsi-fahamarinana rehetra; ary misy ota tsy mahafaty.
18 総て神より生れ奉りたる人は罪を為さず、神より生れ給ひしもの之を守り給ひて、惡魔の之に触るる事なきは我等之を知れり。
Fantatsika fa izay rehetra naterak’ Andriamanitra dia tsy manota; fa izay naterak’ Andriamanitra, dia miaro ny tenany ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy.
19 我等は神よりのものにして、世は挙りて惡魔に属する事は我等之を知れり。
Fantatsika fa avy amin’ Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ ilay ratsy avokoa.
20 神の御子が我等に眞の神を識らしめ、我等を其眞の御子に在らしめん為に、來りて智識を與へ給へる事は我等又之を知れり。是ぞ眞の神にして又永遠の生命にて在す。 (aiōnios g166)
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’ Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin’ ilay marina, dia ao amin’ i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
21 小子よ、自ら守りて偶像に遠ざかれ。
Anaka, arovy ny tenanareo amin’ ny sampy.

< ヨハネの手紙第一 5 >