< 詩篇 31 >

1 伶長にうたはしめたるダビデのうた ヱホバよわれ汝によりたのむ 願くはいづれの日までも愧をおはしめたまふなかれ なんぢの義をもてわれを助けたまへ
Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida. Jehovah ô, Hianao no ialofako; aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho; vonjeo amin’ ny fahamarinanao aho.
2 なんぢの耳をかたぶけて速かにわれをすくひたまへ 願くはわがためにかたき磐となり我をすくふ保障の家となりたまへ
Atongilano amiko ny sofinao, faingàna hamonjy ahy; aoka ho vatolampiko fiarovana mafy Hianao sy batery fiarovana hamonjena ahy.
3 なんぢはわが磐わが城なり されば名のゆゑをもてわれを引われを導きたまへ
Fa harambatoko sy batery fiarovana ho ahy Hianao; ary noho ny anaranao no hitondrànao sy hitarihanao ahy.
4 なんぢ我をかれらが密かにまうけたる網よりひきいだしたまへ なんぢはわが保砦なり
Hanafaka ahy amin’ ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
5 われ霊魂をなんぢの手にゆだぬ ヱホバまことの神よなんぢはわれを贖ひたまへり
Eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; fa efa nanavotra ahy Hianao, Jehovah ô, Andriamanitry ny fahamarinana.
6 われはいつはりの虚きことに心をよする者をにくむ われは獨ヱホバによりたのむなり
Halako izay mivavaka amin’ ny sampy; fa Jehovah kosa no itokiako.
7 我はなんぢの憐憫をよろこびたのしまん なんぢわが艱難をかへりみ わがたましひの禍害をしり
Hifaly sy ho ravoravo amin’ ny famindram-ponao aho; fa nahita ny fahantrako Hianao, ka nahafantatra ny fahorian’ ny fanahiko,
8 われを仇の手にとぢこめしめたまはず わが足をひろきところに立たまへばなり
ary tsy mba nangeja ahy teo an-tànan’ ny fahavalo; fa efa nampitoetra ny tongotro eo amin’ ny malalaka Hianao.
9 われ迫りくるしめり ヱホバよ我をあはれみたまへ わが目はうれひによりておとろふ 霊魂も身もまた衰へぬ
Mamindrà fo amiko, Jehovah ô, fa azom-pahoriana aho; simban’ alahelo ny masoko sy ny fanahiko ary ny tenako.
10 わが生命はかなしみによりて消えゆき わが年華はなげきによりて消ゆけばなり わが力はわが不義によりておとろへ わが骨はかれはてたり
Fa lanin’ alahelo ny aiko, sady lanim-pisentoana ny taonako; Tsy manan-kery aho noho ny heloko, ary efa lany ny taolako.
11 われもろもろの仇ゆゑにそしらる わが隣にはわけて甚だし相識ものには忌憚られ衢にてわれを見るもの避てのがる
Noho ny ataon’ ny fahavaloko rehetra dia efa tonga fandatsa aho, eny, na dia amin’ ny namako aza, sady atahoran’ ny olom-pantatro aho; izay mahita ahy eny ivelany mandositra ahy.
12 われは死たるもののごとく忘られて人のこころに置れず われはやぶれたる器もののごとくなれり
Efa hadino tahaka ny olona maty izay tsy tsaroana intsony aho; tahaka ny vilany ariana aho.
13 そは我おほくの人のそしりをきい到るところに懼あり かれら我にさからひて互にはかりしが わが生命をさへとらんと企てたり
Fa mandre ny endrikendriky ny maro aho; misy fampangorohoroana manodidina, raha miara-mioko hamely ahy izy, ka miray tetika hahafaty ny aiko.
14 されどヱホバよわれ汝によりたのめり また汝はわが神なりといへり
Nefa izaho matoky Anao, Jehovah ô; hoy izaho: Andriamanitro Hianao.
15 わが時はすべてなんぢの手にあり ねがはくはわれを仇の手よりたすけ われに追迫るものより助けいだしたまへ
Eo an-tananao ny androko; Vonjeo aho tsy ho azon’ ny tanan’ ny fahavaloko sy izay manenjika ahy.
16 なんぢの僕のうへに聖顔をかがやかせ なんぢの仁慈をもて我をすくひたまヘ
Ampamirapirato amin’ ny mpanomponao ny tavanao; vonjeo amin’ ny famindram-ponao aho.
17 ヱホバよわれに愧をおはしめ給ふなかれ そは我なんぢをよべばなり 願くはあしきものに恥をうけしめ陰府にありて口をつぐましめ給へ (Sheol h7585)
Aoka tsy ho menatra aho, Jehovah ô, satria miantso Anao; fa aoka kosa ho menatra ny ratsy fanahy ka hangina any amin’ ny fiainan-tsi-hita. (Sheol h7585)
18 傲慢と軽侮とをもて義きものにむかひ妄りにののしるいつはりの口唇をつぐましめたまへ
Aoka hangina ny molotra mandainga, izay miteny sahisahy hanohitra ny marina, amin’ ny avonavona sy ny fanamavoana.
19 汝をおそるる者のためにたくはへ なんぢに依頼むもののために人の子のまへにてほどこしたまへる汝のいつくしみは大なるかな
Akory re ny haben’ ny zava-tsoanao voarakitrao ho an’ ny matahotra Anao! dia izay nataonao teo anatrehan’ ny zanak’ olombelona ho an’ izay mialoka aminao!
20 汝かれらを御前なるひそかなる所にかくして人の謀略よりまぬかれしめ また行宮のうちにひそませて舌のあらそひをさけしめたまはん
Hanafina azy ao amin’ ny fiafenana eo anatrehanao Hianao, mba tsy ho tratry ny teti-dratsy ataon’ ny olona izy; hampiery azy ao an-tranonao Hianao, mba tsy ho azon’ ny lela mifanditra izy.
21 讃べきかなヱホバは堅固なる城のなかにて奇しまるるばかりの仁慈をわれに顕したまへり
Isaorana anie Jehovah; fa nataony mahagaga ny famindram-pony tamiko tao an-tanàna mimanda.
22 われ驚きあわてていへらく なんぢの目のまへより絶れたりと 然どわれ汝によびもとめしとき汝わがねがひの聲をききたまへり
Fa hoy izaho tamin’ ny fahatairako; voafongotra tsy ho eo imasonao aho; kanjo nihaino ny feon’ ny fifonako ihany Hianao, raha nitaraina taminao aho.
23 なんぢらもろもろの聖徒よヱホバをいつくしめ ヱホバは眞實あるものをまもり傲慢者におもく報をほどこしたまふ
Tiava an’ i Jehovah, ry olony masìna rehetra; miaro ny marina Jehovah, ary mamaly dia mamaly ny mpiavonavona Izy.
24 すべてヱホバを侯望むものよ雄々しかれ なんぢら心をかたうせよ
Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo, dia ianareo rehetra izay manantena an’ i Jehovah.

< 詩篇 31 >