< 詩篇 69 >

1 聖歌隊の指揮者によってゆりの花のしらべにあわせてうたわせたダビデの歌 神よ、わたしをお救いください。大水が流れ来て、わたしの首にまで達しました。
Ho an’ ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon’ i Davida. Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra amin’ ny aiko ny rano.
2 わたしは足がかりもない深い泥の中に沈みました。わたしは深い水に陥り、大水がわたしの上を流れ過ぎました。
Milentika amin’ ny fotaka mandrevo aho, ka tsy misy hifaharana; efa miditra amin’ ny rano lalina aho, ka mandifotra ahy ny riaka.
3 わたしは叫びによって疲れ、わたしののどはかわき、わたしの目は神を待ちわびて衰えました。
Sasatry ny mitaraina aho, maimay ny tendako; pahina ny masoko, raha miandry an’ Andriamanitro aho.
4 ゆえなく、わたしを憎む者はわたしの頭の毛よりも多く、偽ってわたしの敵となり、わたしを滅ぼそうとする者は強いのです。わたしは盗まなかった物をも償わなければならないのですか。
Maro noho ny volon-dohako ny isan’ izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana; mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana; mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy.
5 神よ、あなたはわたしの愚かなことを知っておられます。わたしのもろもろのとがはあなたに隠れることはありません。
Andriamanitra ô, Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao.
6 万軍の神、主よ、あなたを待ち望む者がわたしの事によって、はずかしめられることのないようにしてください。イスラエルの神よ、あなたを求める者がわたしの事によって、恥を負わせられることのないようにしてください。
Aoka tsy ho menatra noho ny amiko izay miandry Anao, Jehovah, Tompon’ ny maro ô; aoka tsy ho very hevitra noho ny amiko izay mitady Anao, ry Andriamanitry ny Isiraely ô.
7 わたしはあなたのためにそしりを負い、恥がわたしの顔をおおったのです。
Fa noho ny aminao no itondrako latsa; safotry ny henatra ny tavako.
8 わたしはわが兄弟には、知らぬ者となり、わが母の子らには、のけ者となりました。
Efa vahiny amin’ ny rahalahiko aho; eny, efa olon-ko azy amin’ ny zanak’ ineny aho.
9 あなたの家を思う熱心がわたしを食いつくし、あなたをそしる者のそしりがわたしに及んだからです。
Fa ny firehetako ny amin’ ny tranonao no naharitra aina ahy; ary ny latsa nataon’ izay nandatsa Anao dia nihatra tamiko.
10 わたしが断食をもってわたしの魂を悩ませば、かえってそれによってそしりをうけました。
Nitomany sady nifady hanina aho, dia natao latsa ho ahy izany.
11 わたしが荒布を衣とすれば、かえって彼らのことわざとなりました。
Lamba fisaonana no nataoko fitafiako, dia efa ambentinteny tamin’ ireny aho.
12 わたしは門に座する者の話題となり、酔いどれの歌となりました。
Miresaka ahy izay mipetraka eo am-bavahady; ary ataon’ ny mpisotro toaka an-kira aho.
13 しかし主よ、わたしはあなたに祈ります。神よ、恵みの時に、あなたのいつくしみの豊かなるにより、わたしにお答えください。
Fa izaho hivavaka aminao amin’ ny andro fankasitrahana, Jehovah ô, dia aminao, Andriamanitra ô noho ny haben’ ny famindram-ponao; valio aho araka ny hamarinan’ ny famonjenao.
14 あなたのまことの救により、わたしを泥の中に沈まぬよう助け出してください。わたしを憎む者から、また深い水からわたしを助け出してください。
Afaho amin’ ny fotaka aho, ka aza avela hilentika; vonjeo aho amin’ izay mankahala ahy sy amin’ ny rano lalina.
15 大水がわたしの上を流れ過ぎることなく、淵がわたしをのむことなく、穴がその口をわたしの上に閉じることのないようにしてください。
Aza avela hanafotra ahy ny rano mandriaka, na hitelina ahy ny lalina; ary aza avela hikatom-bava amiko ny lavaka fantsakana.
16 主よ、あなたのいつくしみの深きにより、わたしにお答えください。あなたのあわれみの豊かなるにより、わたしを顧みてください。
Valio aho, Jehovah ô, fa tsara ny famindram-ponao; todiho aho araka ny haben’ ny fiantranao.
17 あなたの顔をしもべに隠さないでください。わたしは悩んでいるのです。すみやかにわたしにお答えください。
Ary aza manafina ny tavanao amin’ ny mpanomponao; fa azom-pahoriana aho, koa faingàna hamaly ahy Hianao.
18 わたしに近く寄って、わたしをあがない、わが敵のゆえにわたしをお救いください。
Hatony ny fanahiko, avoty izy; Eny, vonjeo aho noho ny ataon’ ny fahavaloko.
19 あなたはわたしの受けるそしりと、恥と、はずかしめとを知っておられます。わたしのあだは皆あなたの前にあります。
Hianao no mahalala ny latsa mihatra amiko ary ny fahamenarako sy ny fahafaham-boninahitro; Eo anatrehanao ny mpandrafy ahy rehetra.
20 そしりがわたしの心を砕いたので、わたしは望みを失いました。わたしは同情する者を求めたけれども、ひとりもなく、慰める者を求めたけれども、ひとりも見ませんでした。
Ny latsa dia nanorotoro ny foko ka reraka indrindra aho; ary niandry antra aho, fa tsy nisy, sy mpanony fa tsy nahita.
21 彼らはわたしの食物に毒を入れ、わたしのかわいた時に酢を飲ませました。
Fa zava-mangidy no nomeny ho haniko; ary vinaingitra no natolony ahy hosotroina, raha nangetaheta aho.
22 彼らの前の食卓を網とし、彼らが犠牲をささげる祭を、わなとしてください。
Aoka ho fandrika ho azy ny latabany eo anoloany; eny, ho tonta ho an’ ny tsy manana ahiahy.
23 彼らの目を暗くして見えなくし、彼らの腰を常に震わせ、
Aoka ho jamba ny masony mba tsy hahita; ary ampangozohozoy mandrakariva ny valahany.
24 あなたの憤りを彼らの上にそそぎ、あなたの激しい怒りを彼らに追いつかせてください。
Aidino aminy ny fahatezeranao; ary aoka hahatratra azy ny firehetan’ ny fahaviniranao.
25 彼らの宿営を荒し、ひとりもその天幕に住まわせないでください。
Aoka ho foana ny tobiny; aza avela hisy hitoetra ao an-dainy.
26 彼らはあなたが撃たれた者を迫害し、あなたが傷つけられた者をさらに苦しめるからです。
Fa izay nasianao no nenjehiny; Ary ny fahararian’ ny voatsindronao dia lazalazainy.
27 彼らに、罰に罰を加え、あなたの赦免にあずからせないでください。
Aoka hiampy ny helony; ary aoka tsy hiditra amin’ ny fahamarinanao izy.
28 彼らをいのちの書から消し去って、義人のうちに記録されることのないようにしてください。
Aoka hovonoina tsy ho eo amin’ ny bokin’ ny velona ny anarany, ary aoka tsy hosoratana eo amin’ ny marina.
29 しかしわたしは悩み苦しんでいます。神よ、あなたの救がわたしを高い所に置かれますように。
Fa izaho dia ory sy mahantra, Andriamanitra ô; aoka ny famonjenao no hanandratra ahy.
30 わたしは歌をもって神の名をほめたたえ、感謝をもって神をあがめます。
Hankalaza ny anaran’ Andriamanitra amin’ ny fihirana aho, ary hidera Azy amin’ ny fisaorana.
31 これは雄牛または角とひずめのある雄牛にまさって主を喜ばせるでしょう。
Fa ho sitrak’ i Jehovah Izany mihoatra noho ny vantotr’ ombilahy, izay manan-tandroka sady mivaky kitro.
32 へりくだる者は、これを見て喜べ。神を求める者よ、あなたがたの心を生きかえらせよ。
Hahita izany ny mpandefitra ka ho faly; aoka ho velona ny fonareo, ry mpitady an’ Andriamanitra.
33 主は乏しい者に聞き、その捕われ人をかろしめられないからである。
Fa mihaino ny malahelo Jehovah, ary ny olony mifatotra tsy mba hamavoiny.
34 天と地は主をほめたたえ、海とその中に動くあらゆるものは主をほめたたえよ。
Aoka hidera Azy ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsika ao aminy.
35 神はシオンを救い、ユダの町々を建て直されるからである。そのしもべらはそこに住んでこれを所有し、
Fa Andriamanitra hamonjy an’ i Ziona sady hanangana ny tanànan’ ny Joda; ary hitoetra ao ny olony ka ho tompony;
36 そのしもべらの子孫はこれを継ぎ、み名を愛する者はその中に住むであろう。
Dia handova azy ny taranaky ny mpanompony; ary hitoetra ao izay tia ny anarany.

< 詩篇 69 >