< 民数記 25 >

1 イスラエルはシッテムにとどまっていたが、民はモアブの娘たちと、みだらな事をし始めた。
Ary nitoetra tao Sitima ny Isiraely, dia niantomboka nijangajanga tamin’ ny zanakavavin’ ny Moabita izy.
2 その娘たちが神々に犠牲をささげる時に民を招くと、民は一緒にそれを食べ、娘たちの神々を拝んだ。
Fa ireo nanasa ny olona hihinana tamin’ ny zavatra novonoiny ho fanatitra ho an’ ny andriamaniny, ka nihinana ny olona sady niankohoka tamin’ ny andriamaniny.
3 イスラエルはこうしてペオルのバアルにつきしたがったので、主はイスラエルにむかって怒りを発せられた。
Dia niray tamin’ i Bala-peora ny Isiraely, ka nirehitra taminy ny fahatezeran’ i Jehovah.
4 そして主はモーセに言われた、「民の首領をことごとく捕え、日のあるうちにその人々を主の前で処刑しなさい。そうすれば主の怒りはイスラエルを離れるであろう」。
Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantòny tandrifin’ ny masoandro eo anatrehan’ i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely.
5 モーセはイスラエルのさばきびとたちにむかって言った、「あなたがたはおのおの、配下の者どもでペオルのバアルにつきしたがったものを殺しなさい」。
Dia hoy Mosesy tamin’ ny mpitsara ny Isiraely: Samia ianareo mamono ny olom-peheziny, izay niray tamin’ i Bala-peora.
6 モーセとイスラエルの人々の全会衆とが会見の幕屋の入口で泣いていた時、彼らの目の前で、ひとりのイスラエルびとが、その兄弟たちの中に、ひとりのミデアンの女を連れてきた。
Ary, indro, avy ny anankiray tamin’ ny Zanak’ Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin’ ny rahalahiny, teo imason’ i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, izay nitomany teo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
7 祭司アロンの子なるエレアザルの子ピネハスはこれを見て、会衆のうちから立ち上がり、やりを手に執り、
Ary raha nahita izany Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, dia nitsangana niala teo amin’ ny fiangonana izy ka nitondra lefona teny an-tànany;
8 そのイスラエルの人の後を追って、奥の間に入り、そのイスラエルの人を突き、またその女の腹を突き通して、ふたりを殺した。こうして疫病がイスラエルの人々に及ぶのがやんだ。
dia nandeha nanaraka ilay lehilahy Isiraelita tao an-day izy, ary nataony indray nandefona izy roroa, dia ny lehilahy Isiraelita sy ny vehivavy, ka voagorobaka hatrany amin’ ny kibon-dravehivavy. Dia natsahatra ny areti-mandringana teo amin’ ny Zanak’ Isiraely.
9 しかし、その疫病で死んだ者は二万四千人であった。
Ary izay maty tamin’ ny areti-mandringana dia efatra arivo amby roa alina.
10 主はモーセに言われた、
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
11 「祭司アロンの子なるエレアザルの子ピネハスは自分のことのように、わたしの憤激をイスラエルの人々のうちに表わし、わたしの怒りをそのうちから取り去ったので、わたしは憤激して、イスラエルの人々を滅ぼすことをしなかった。
Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, nampiala ny fahatezerako tamin’ ny Zanak’ Isiraely, raha firehitra noho ny fitiavany Ahy izy; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerako.
12 このゆえにあなたは言いなさい、『わたしは平和の契約を彼に授ける。
Ary noho izany dia lazao hoe: Indro, omeko azy ny faneken’ ny fihavanako;
13 これは彼とその後の子孫に永遠の祭司職の契約となるであろう。彼はその神のために熱心であって、イスラエルの人々のために罪のあがないをしたからである』と」。
ary izy sy ny zanany mandimby azy no hanana izany ho faneken’ ny fisoronana mandrakizay, satria nirehitra noho ny fitiavany an’ Andriamaniny izy ka nanao fanavotana ho an’ ny Zanak’ Isiraely.
14 ミデアンの女と共に殺されたイスラエルの人の名はジムリといい、サルの子で、シメオンびとのうちの一族のつかさであった。
Ary ny anaran’ ilay lehilahy Isiraelita novonoina, izay niaraka novonoina tamin-dravehivavy Midianita, dia Zimry, zanak i Salo, lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Simeonita.
15 またその殺されたミデアンの女の名はコズビといい、ツルの娘であった。ツルはミデアンの民の一族のかしらであった。
Ary ny anaran’ ny vehivavy Midianita izay novonoina dia Kosby, zanak’ i Zora, lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Midianita.
16 主はまたモーセに言われた、
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
17 「ミデアンびとを打ち悩ましなさい。
Rafeso ny Midianita, ka iadio;
18 彼らはたくらみをもって、あなたがたを悩まし、ペオルの事と、彼らの姉妹、ミデアンのつかさの娘コズビ、すなわちペオルの事により、疫病の起った日に殺された女の事とによって、あなたがたを惑わしたからである」。
fa izy nandrafy anareo tamin’ ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin’ ny an’ i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin’ ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin’ ny andron’ ny areti-mandringana noho ny an’ i Peora.

< 民数記 25 >