< ネヘミヤ 記 8 >

1 その時民は皆ひとりのようになって水の門の前の広場に集まり、主がイスラエルに与えられたモーセの律法の書を持って来るように、学者エズラに求めた。
Ary rehefa tonga ny volana fahafito, dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak’ Isiraely. Dia nivory tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan’ ny vavahadin-drano; ary niteny tamin’ i Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny bokin’ ny lalan’ i Mosesy izay nandidian’ i Jehovah ny Isiraely.
2 祭司エズラは七月の一日に律法を携えて来て、男女の会衆およびすべて聞いて悟ることのできる人々の前にあらわれ、
Dia nentin’ i Ezra mpisorona ny lalàna tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafito ho eo anatrehan’ ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin’ izay rehetra efa mahahaino.
3 水の門の前にある広場で、あけぼのから正午まで、男女および悟ることのできる人々の前でこれを読んだ。民はみな律法の書に耳を傾けた。
Dia novakina teo an-kalalahana teo anoloan’ ny vavahadin-drano izy hatramin’ ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan’ ny andro, dia teo anatrehan’ ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’ izay efa mahahaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin’ ny lalàna.
4 学者エズラはこの事のために、かねて設けた木の台の上に立ったが、彼のかたわらには右の方にマッタテヤ、シマ、アナヤ、ウリヤ、ヒルキヤおよびマアセヤが立ち、左の方にはペダヤ、ミサエル、マルキヤ、ハシュム、ハシバダナ、ゼカリヤおよびメシュラムが立った。
Ary Ezra mpanora-dalàna nitsangana teo ambonin’ ny lampihazo fitoriana, izay efa natao ho fitoriana izany; ary Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia no nitsangana teo anilany ankavanana; ary Pedaia sy Misaela sy Malkia sy Hasoma sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama no teo anilany ankavia kosa.
5 エズラはすべての民の前にその書を開いた。彼はすべての民よりも高い所にいたからである。彼が書を開くと、すべての民は起立した。
Dia nosokafan’ i Ezra teo imason’ ny olona rehetra ny boky (fa ambony toerana noho ny olona rehetra izy); ary rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny olona rehetra.
6 エズラは大いなる神、主をほめ、民は皆その手をあげて、「アァメン、アァメン」と言って答え、こうべをたれ、地にひれ伏して主を拝した。
Ary Ezra nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitra lehibe; ary ny olona rehetra nanandra-tanana ka namaly hoe: Amena, Amena; dia niondrika izy sady niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ i Jehovah.
7 エシュア、バニ、セレビヤ、ヤミン、アックブ、シャベタイ、ホデヤ、マアセヤ、ケリタ、アザリヤ、ヨザバデ、ハナン、ペラヤおよびレビびとたちは民に律法を悟らせた。民はその所に立っていた。
Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin’ izay nitoerany ihany.
8 彼らはその書、すなわち神の律法をめいりょうに読み、その意味を解き明かしてその読むところを悟らせた。
Dia novakiny mazava ny teny tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon’ ny olona tsara ny teny novakina.
9 総督であるネヘミヤと、祭司であり、学者であるエズラと、民を教えるレビびとたちはすべての民に向かって「この日はあなたがたの神、主の聖なる日です。嘆いたり、泣いたりしてはならない」と言った。すべての民が律法の言葉を聞いて泣いたからである。
Ary Nehemia governora sy Ezra mpisorona, mpanora-dalàna, ary ny Levita izay nampianatra ny olona dia nanao tamin’ ny olona rehetra hoe: Masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrareo ity andro ity; koa aza malahelo na mitomany. Fa nitomany ny olona rehetra raha nandre ny tenin’ ny lalàna.
10 そして彼らに言った、「あなたがたは去って、肥えたものを食べ、甘いものを飲みなさい。その備えのないものには分けてやりなさい。この日はわれわれの主の聖なる日です。憂えてはならない。主を喜ぶことはあなたがたの力です」。
Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masìna ho an’ ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin’ i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.
11 レビびともまたすべての民を静めて、「泣くことをやめなさい。この日は聖なる日です。憂えてはならない」と言った。
Ary ny Levita nampangina ny olona rehetra ka nanao hoe: Mangìna ianareo, fa masìna ity andro ity; koa aza malahelo ianareo.
12 すべての民は去って食い飲みし、また分け与えて、大いに喜んだ。これは彼らが読み聞かされた言葉を悟ったからである。
Dia nandeha ny olona rehetra hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an’ ny sasany ary hifaly indrindra, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy.
13 次の日、すべての民の氏族の長たち、祭司、レビびとらは律法の言葉を学ぶために学者エズラのもとに集まってきて、
Ary nony ampitson’ iny dia vory teo amin’ i Ezra mpanora-dalàna ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny olona rehetra sy ny mpisorona ary ny Levita mba handinika ny tenin’ ny lalàna.
14 律法のうちに主がモーセに命じられたこと、すなわちイスラエルの人々は七月の祭の間、仮庵の中に住むべきことがしるされているのを見いだした。
Dia hitany voasoratra teo amin’ ny lalàna, izay nampandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy, fa tokony hitoetra ao amin’ ny trano rantsan-kazo ny Zanak’ Isiraely amin’ ny andro firavoravoana amin’ ny volana fahafito,
15 またすべての町々およびエルサレムにのべ伝えて、「あなたがたは山に出て行って、オリブと野生のオリブ、ミルトス、なつめやし、および茂った木の枝を取ってきて、しるされてあるとおり、仮庵を造れ」と言ってあるのを見いだした。
ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hanao hoe: Mandehana any an-tendrombohitra, ka makà sampan’ oliva sy sampan’ oliva maniry ho azy sy sampan-drotra sy sampan-drofia ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano rantsan-kazo araka, ny voasoratra.
16 それで民は出て行って、それを持って帰り、おのおのその家の屋根の上、その庭、神の宮の庭、水の門の広場、エフライムの門の広場などに仮庵を造った。
Dia nandeha ny olona ka naka, ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin’ ny tampon-tranony avy sy teo anatin’ ny tokotaniny avy sy teo anatin’ ny kianjan’ ny tranon’ Andriamanitra sy teo an-kalalahana teo akaikin’ ny vavahadin-drano ary teo an-kalalahana akaikin’ ny vavahadin’ i Efraima.
17 捕囚から帰って来た会衆は皆仮庵を造って、仮庵に住んだ。ヌンの子ヨシュアの日からこの日まで、イスラエルの人々はこのように行ったことがなかった。それでその喜びは非常に大きかった。
Eny, nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana rehetra izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana, ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak’ Isiraely hatramin’ ny andron’ i Josoa, zanak’ i Nona, ka hatramin’ izany andro izany. Ary dia nisy fifaliana lehibe indrindra.
18 エズラは初めの日から終りの日まで、毎日神の律法の書を読んだ。人々は七日の間、祭を行い、八日目になって、おきてにしたがって聖会を開いた。
Ary namaky ny teny tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ Andriamanitra isan’ andro isan’ andro izy hatramin’ ny andro voalohany ka hatramin’ ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin’ ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.

< ネヘミヤ 記 8 >