< ナホム書 2 >

1 撃ち破る者があなたに向かって上って来る。城を守れ、道をうかがえ。腰に帯せよ、大いに力を強くせよ。
Misy mpanorotoro miakatra hamely anao Ambeno ny manda, Tazano ny lalana, Hatanjaho ny valahanao, Hetseho mafy ny herinao!
2 主はヤコブの栄えを回復して、イスラエルの栄えのようにされる。かすめる者が彼らをかすめ、そのぶどうづるを、そこなったからである。
Fa Jehovah efa mampody ny voninahitr’ i Jakoba, Toy ny ampodiany ny voninahitr’ Isiraely; Fa ny mpandroba efa nandroba azy Ary nanimba ny sampam-boalobony.
3 その勇士の盾は赤くいろどられ、その兵士は紅に身をよろう。戦車はその備えの日に、火のように輝き、軍馬はおどる。
Nomenaina ny ampingan’ ny lehilahy maheriny, Mitafy jaky ny miaramilany, Ny kalesiny dia misy vy mahery, mamirapiratra toy ny afo, amin’ ny andro fiomanany, Ary antsodina ny lefona.
4 戦車はちまたに狂い走り、大路に飛びかける。彼らはたいまつのように輝き、いなずまのように飛びかける。
Ampiezahina eny an-dalambe ny kalesy Ka mifanaretsadretsaka eny an-kalalahana; Tahaka ny harendrina no fijery azy, Mitsoriaka tahaka ny helatra izy.
5 将士らは召集され、彼らはその道でつまずき倒れ、城壁に向かって急いで行って大盾を備える。
Tsaroany ny lehilahy malazany, Kanjo tafintohina eny am-pandehanana ireny; Mihazakazaka ho any amin’ ny manda ireny, Kanjo efa voatsangana sahady ny hamelezana azy.
6 川々の門は開け、宮殿はあわてふためく。
Vohana ny vavahadin-drenirano, Ary reraka ny lapa.
7 その王妃は裸にされて、捕われゆき、その侍女たちは悲しみ、胸を打って、はとのようにうめく。
Izao no voatendry: ampitanjahina izy, dia lasan-ko babo, Ary ny ankizivavy mitoloko azy manao feom-boromailala Sady miteha-tratra.
8 ニネベは池のようであったが、その水は注ぎ出された。「立ち止まれ、立ち止まれ」と呼んでも、ふりかえるものもない。
Fa Ninive dia tahaka ny farihy hatrizay nisiany; Nefa handositra ihany ireny, Mijanòna, mijanòna e! Nefa tsy misy miherika.
9 銀を奪え、金を奪え。その宝は限りなく、もろもろの尊い物はおびただしい。
Mamaboa volafotsy, Mamaboa volamena! Fa tsy hita lany ny rakitra soa, Dia ny habetsahan’ ny fanaka mahafinaritra rehetra.
10 消えうせ、むなしくなり、荒れはてた。心は消え、ひざは震え、すべての腰には痛みがあり、すべての顔は色を失った。
Indrisy! foana, eny, foana sady lao! Kivy ny fo, miady ny lohalika, Manaintaina ny valahany rehetra, Mivaloarika ny tarehiny rehetra.
11 ししのすみかはどこであるか。若いししの穴はどこであるか。そこに雄じしはその獲物を携え行き、その子じしと共にいても、これを恐れさせる者はない。
Aiza ilay lavaky ny liona sy firemben’ ny liona tanora? Ilay nandehanan’ ny liona sy ny liom-bavy mbamin’ ny zana-diona, Ka tsy nisy nanaitaitra azy,
12 雄じしはその子じしのために引き裂き、雌じしのために獲物を絞め殺し、獲物をもってその穴を満たし、引き裂いた肉をもってそのすみかを満たした。
Dia ilay liona namotipotika izay ampy ho an’ ny zanany Ary nanenda ho an’ ny liombaviny Sady nameno haza ny lavany Sy toha ny fonenany.
13 万軍の主は言われる、見よ、わたしはあなたに臨む。わたしはあなたの戦車を焼いて煙にする。つるぎはあなたの若いししを滅ぼす。わたしはまた、あなたの獲物を地から断つ。あなたの使者の声は重ねて聞かれない。
Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, Holevoniko ho setroka ny kalesinao Ary hovonoiko sabatra ny liona tanoranao; Hofonganako amin’ ny tany ny hazanao; Ka tsy ho re intsony ny feon’ ny irakao.

< ナホム書 2 >