< レビ記 4 >

1 主はまたモーセに言われた、
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 「イスラエルの人々に言いなさい、『もし人があやまって罪を犯し、主のいましめにそむいて、してはならないことの一つをした時は次のようにしなければならない。
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy olona manota tsy nahy ny didin’ i Jehovah amin’ izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin’ ireny:
3 すなわち、油注がれた祭司が罪を犯して、とがを民に及ぼすならば、彼はその犯した罪のために雄の全き子牛を罪祭として主にささげなければならない。
raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra vantotr’ ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia fanatitra noho ny ota ho an’ i Jehovah.
4 その子牛を会見の幕屋の入口に連れてきて主の前に至り、その子牛の頭に手を置き、その子牛を主の前で、ほふらなければならない。
Ary hitondra ny vantotr’ ombilahy ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy ho eo anatrehan’ i Jehovah; ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy izy ka hamono azy eo anatrehan’ i Jehovah.
5 油注がれた祭司は、その子牛の血を取って、それを会見の幕屋に携え入り、
Ary hangalan’ ny mpisorona voahosotra ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ka ho entiny ho ao amin’ ny trano-lay fihaonana;
6 そして祭司は指をその血に浸して、聖所の垂幕の前で主の前にその血を七たび注がなければならない。
ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony eo amin’ ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan’ i Jehovah, eo anoloan’ ny efitra lamba ao amin’ ny fitoerana masìna;
7 祭司はまたその血を取り、主の前で会見の幕屋の中にある香ばしい薫香の祭壇の角に、それを塗らなければならない。その子牛の血の残りはことごとく会見の幕屋の入口にある燔祭の祭壇のもとに注がなければならない。
ary hotentenan’ ny mpisorona rà ny tandroky ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra eo anatrehan’ i Jehovah, izay ao amin’ ny trano-lay fihaonana; ary ny rà sisa rehetra avy amin’ ny vantotr’ ombilahy dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
8 またその罪祭の子牛から、すべての脂肪を取らなければならない。すなわち内臓をおおう脂肪と内臓の上のすべての脂肪、
Ary halainy avokoa ny saborany rehetra amin’ ny vantotr’ ombilahy izay atao fanatitra noho ny ota, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy,
9 二つの腎臓とその上の腰のあたりにある脂肪、ならびに腎臓と共に取られる肝臓の上の小葉である。
ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, izay eo amin’ ny takibany, sy ny ila-atiny lehibe; hataony indray manala amin’ ny voany no fanaisony izany,
10 これを取るには酬恩祭の犠牲の雄牛から取るのと同じようにしなければならない。そして祭司はそれを燔祭の祭壇の上で焼かなければならない。
tahaka ny fanalana azy amin’ ny omby izay atao fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana.
11 その子牛の皮とそのすべての肉、およびその頭と足と内臓と汚物など、
Fa ny hoditry ny vantotr’ ombilahy sy ny henany rehetra mbamin’ ny lohany sy ny tongony ary ny taovany sy ny tain-drorohany,
12 すべてその子牛の残りは、これを宿営の外の、清い場所なる灰捨場に携え出し、火をもってこれをたきぎの上で焼き捨てなければならない。すなわちこれは灰捨場で焼き捨てらるべきである。
dia ny tenan’ ny vantotr’ ombilahy rehetra, no havoakany avokoa ho eny ivelan’ ny toby ho amin’ izay fitoerana madio fanariana ny lavenona; ary handoro azy eo ambonin’ ny kitay amin’ ny afo izy; eo amin’ ny fanariana ny lavenona no handoroana azy.
13 もしイスラエルの全会衆があやまちを犯し、そのことが会衆の目に隠れていても、主のいましめにそむいて、してはならないことの一つをなして、とがを得たならば、
Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan’ ny mason’ ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah amin’ izay tsy tokony hatao izy ka meloka,
14 その犯した罪が現れた時、会衆は雄の子牛を罪祭としてささげなければならない。すなわちそれを会見の幕屋の前に連れてきて、
rehefa fantatra ny ota izay nataony, dia hanatitra vantotr’ ombilahy ny fiangonana ho fanatitra noho ny ota ka hitondra azy ho eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana.
15 会衆の長老たちは、主の前でその子牛の頭に手を置き、その子牛を主の前で、ほふらなければならない。
Ary ny loholon’ ny fiangonana hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy eo anatrehan’ i Jehovah; ary ny vantotr’ ombilahy dia hovonoina eo anatrehan’ i Jehovah.
16 そして、油注がれた祭司は、その子牛の血を会見の幕屋に携え入り、
Ary hangalan’ ny mpisorona voahosotra ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ka ho entiny ho ao amin’ ny trano-lay fihaonana,
17 祭司は指をその血に浸し、垂幕の前で主の前に七たび注がなければならない。
ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony amin’ ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan’ i Jehovah, dia eo anoloan’ ny efitra lamba.
18 またその血を取って、会見の幕屋の中の主の前にある祭壇の角に、それを塗らなければならない。その血の残りはことごとく会見の幕屋の入口にある燔祭の祭壇のもとに注がなければならない。
Ary hangalany koa ny rà ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan’ i Jehovah, dia ilay ao anatin’ ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran’ ny trano-lay fihaonana.
19 またそのすべての脂肪を取って祭壇の上で焼かなければならない。
Dia hanaisotra ny saborany rehetra izy ka handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara.
20 すなわち祭司は罪祭の雄牛にしたように、この雄牛にも、しなければならない。こうして、祭司が彼らのためにあがないをするならば、彼らはゆるされるであろう。
Ary ny vantotr’ ombilahy dia hataony tahaka ny efa nataony tamin’ ny vantotr’ ombilahy izay natao fanatitra noho ny ota, toy izany no hanaovany azy; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an’ ny olona, dia havela ny helony.
21 そして、彼はその雄牛を宿営の外に携え出し、はじめの雄牛を焼き捨てたように、これを焼き捨てなければならない。これは会衆の罪祭である。
Ary ny vantotr’ ombilahy dia havoakany ho eny ivelan’ ny toby ka hodorany tahaka ny efa nandoroany ny vantotr’ ombilahy voalohany; dia fanatitra noho ny ota ho an’ ny fiangonana izany.
22 またつかさたる者が罪を犯し、あやまって、その神、主のいましめにそむき、してはならないことの一つをして、とがを得、
Ary raha misy mpanapaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah Andriamaniny amin’ izay tsy tokony hatao ka meloka,
23 もしその犯した罪を知るようになったときは、供え物として雄やぎの全きものを連れてきて、
ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osilahy tsy misy kilema ho fanatiny izy;
24 そのやぎの頭に手を置き、燔祭をほふる場所で、主の前にこれをほふらなければならない。これは罪祭である。
ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny osilahy izy, dia hamono azy eo amin’ ny famenoana ny fanatitra dorana eo anatrehan’ i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.
25 祭司は指でその罪祭の血を取り、燔祭の祭壇の角にそれを塗り、残りの血は燔祭の祭壇のもとに注がなければならない。
Ary hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ny ran’ ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana;
26 また、そのすべての脂肪は、酬恩祭の犠牲の脂肪と同じように、祭壇の上で焼かなければならない。こうして、祭司が彼のためにその罪のあがないをするならば、彼はゆるされるであろう。
ary ny saborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara, tahaka ny saboran’ ny fanati-pihavanana ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany, dia havela ny helony.
27 また一般の人がもしあやまって罪を犯し、主のいましめにそむいて、してはならないことの一つをして、とがを得、
Ary raha misy amin’ ny vahoaka manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ ny didin’ i Jehovah amin’ izay tsy tokony hatao ka meloka,
28 その犯した罪を知るようになったときは、その犯した罪のために供え物として雌やぎの全きものを連れてきて、
ary misy mampahafantatra azy ny fahotany izay nataony, dia hitondra osivavy tsy misy kilema ho fanatiny izy noho’ ny fahotany izay nataony.
29 その罪祭の頭に手を置き、燔祭をほふる場所で、その罪祭をほふらなければならない。
Ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy eo amin’ ny fitoeran’ ny fanatitra dorana.
30 そして祭司は指でその血を取り、燔祭の祭壇の角にこれを塗り、残りの血をことごとく祭壇のもとに注がなければならない。
Ary hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ny rà ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara.
31 またそのすべての脂肪は酬恩祭の犠牲から脂肪を取るのと同じように取り、これを祭壇の上で焼いて主にささげる香ばしいかおりとしなければならない。こうして祭司が彼のためにあがないをするならば、彼はゆるされるであろう。
Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran’ ny fanati-pihavanana; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy, dia havela ny helony.
32 もし小羊を罪祭のために供え物として連れてくるならば、雌の全きものを連れてこなければならない。
Ary raha zanak’ ondry no entiny ho fanatitra noho ny ota, dia ny vavy tsy misy kilema no ho entiny;
33 その罪祭の頭に手を置き、燔祭をほふる場所で、これをほふり、罪祭としなければならない。
ary hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny fanatitra noho ny ota izy, dia hamono azy ho fanatitra noho ny ota eo amin’ ny famonoana ny fanatitra dorana.
34 そして祭司は指でその罪祭の血を取り、燔祭の祭壇の角にそれを塗り、残りの血はことごとく祭壇のもとに注がなければならない。
Ary hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ny ran’ ny fanatitra noho ny ota ka hatentiny eo amin’ ny tandroky ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo am-bodin’ ny alitara.
35 またそのすべての脂肪は酬恩祭の犠牲から小羊の脂肪を取るのと同じように取り、祭司はこれを主にささげる火祭のように祭壇の上で焼かなければならない。こうして祭司が彼の犯した罪のためにあがないをするならば、彼はゆるされるであろう。
Ary hesoriny avokoa ny saborany rehetra, tahaka ny fanesorana ny saboran’ ny zanak’ ondry izay natao fanati-pihavanana, ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara, ambonin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.

< レビ記 4 >