< ヨハネの福音書 2 >

1 三日目にガリラヤのカナに婚礼があって、イエスの母がそこにいた。
Ary tamin’ ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin’ i Jesosy.
2 イエスも弟子たちも、その婚礼に招かれた。
Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin’ ny fampakaram-bady.
3 ぶどう酒がなくなったので、母はイエスに言った、「ぶどう酒がなくなってしまいました」。
Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin’ i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy.
4 イエスは母に言われた、「婦人よ、あなたは、わたしと、なんの係わりがありますか。わたしの時は、まだきていません」。
Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako.
5 母は僕たちに言った、「このかたが、あなたがたに言いつけることは、なんでもして下さい」。
Fa hoy ny reniny tamin’ ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.
6 そこには、ユダヤ人のきよめのならわしに従って、それぞれ四、五斗もはいる石の水がめが、六つ置いてあった。
Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon’ ny vata avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon’ ny Jiosy.
7 イエスは彼らに「かめに水をいっぱい入れなさい」と言われたので、彼らは口のところまでいっぱいに入れた。
Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin’ ny molony.
8 そこで彼らに言われた、「さあ、くんで、料理がしらのところに持って行きなさい」。すると、彼らは持って行った。
Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin’ izao, ka ento ho eo amin’ ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny.
9 料理がしらは、ぶどう酒になった水をなめてみたが、それがどこからきたのか知らなかったので、(水をくんだ僕たちは知っていた)花婿を呼んで
Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy
10 言った、「どんな人でも、初めによいぶどう酒を出して、酔いがまわったころにわるいのを出すものだ。それだのに、あなたはよいぶどう酒を今までとっておかれました」。
ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon’ ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.
11 イエスは、この最初のしるしをガリラヤのカナで行い、その栄光を現された。そして弟子たちはイエスを信じた。
Izany no nataon’ i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany.
12 そののち、イエスは、その母、兄弟たち、弟子たちと一緒に、カペナウムに下って、幾日かそこにとどまられた。
Rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin’ ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela teo Izy.
13 さて、ユダヤ人の過越の祭が近づいたので、イエスはエルサレムに上られた。
Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.
14 そして牛、羊、はとを売る者や両替する者などが宮の庭にすわり込んでいるのをごらんになって、
Ary hitany teo an-kianjan’ ny tempoly ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo;
15 なわでむちを造り、羊も牛もみな宮から追いだし、両替人の金を散らし、その台をひっくりかえし、
dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan’ ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary nararany ny volan’ ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra;
16 はとを売る人々には「これらのものを持って、ここから出て行け。わたしの父の家を商売の家とするな」と言われた。
dia hoy Izy tamin’ ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon’ ny Raiko.
17 弟子たちは、「あなたの家を思う熱心が、わたしを食いつくすであろう」と書いてあることを思い出した。
Ary ny mpianany nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako ny amin’ ny tranonao no haharitra aina ahy.
18 そこで、ユダヤ人はイエスに言った、「こんなことをするからには、どんなしるしをわたしたちに見せてくれますか」。
Fa namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao Hianao?
19 イエスは彼らに答えて言われた、「この神殿をこわしたら、わたしは三日のうちに、それを起すであろう」。
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin’ ny hateloana dia hatsangako indray izy.
20 そこで、ユダヤ人たちは言った、「この神殿を建てるのには、四十六年もかかっています。それだのに、あなたは三日のうちに、それを建てるのですか」。
Fa hoy ny Jiosy: Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va hahatsangana azy amin’ ny hateloana?
21 イエスは自分のからだである神殿のことを言われたのである。
Fa ny tenany no tempoly nolazainy.
22 それで、イエスが死人の中からよみがえったとき、弟子たちはイエスがこう言われたことを思い出して、聖書とイエスのこの言葉とを信じた。
Ary koa, rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy, dia tsaroan’ ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary dia nino ny Soratra Masìna sy ny teny izay nolazain’ i Jesosy izy.
23 過越の祭の間、イエスがエルサレムに滞在しておられたとき、多くの人々は、その行われたしるしを見て、イエスの名を信じた。
Ary nony tao Jerosalema Jesosy tamin’ ny Paska, dia tamin’ ny andro firavoravoana, maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony.
24 しかしイエスご自身は、彼らに自分をお任せにならなかった。それは、すべての人を知っておられ、
Fa Jesosy tsy natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra;
25 また人についてあかしする者を、必要とされなかったからである。それは、ご自身人の心の中にあることを知っておられたからである。
ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon’ ny olona.

< ヨハネの福音書 2 >