< ヨエル書 3 >

1 見よ、わたしがユダとエルサレムとの幸福をもとに返すその日、その時、
Fa, indro, amin’ ireo andro ireo sy amin’ izany fotoana izany, raha hampodiko ny Joda sy Jerosalema avy amin’ ny fahababoany,
2 わたしは万国の民を集めて、これをヨシャパテの谷に携えくだり、その所でわが民、わが嗣業であるイスラエルのために彼らをさばく。彼らがわが民を諸国民のうちに散らして、わたしの地を分かち取ったからである。
Dia hangoniko ny jentilisa rehetra ka ho entiko midìna ao amin’ ny Lohasahan’ i Josafata, ary ao no hifandaharako aminy noho ny amin’ ny Isiraely, oloko sy lovako, izay naeliny tany amin’ ny jentilisa; Ary nozarazarainy ny taniko,
3 彼らはわが民をくじ引きにし、遊女のために少年をわたし、酒のために少女を売って飲んだ。
Sady nanaovany loka ny oloko, dia zazalahy no nataony takalon’ ny vehivavy janga, ary zazavavy no namidiny divay ka nosotroiny.
4 ツロとシドンよ、ペリシテのすべての地方よ、おまえたちは、わたしとなんのかかわりがあるか。おまえたちはわたしに報復をしようとするのか。もしおまえたちがわたしに報復しようとするなら、わたしは時をうつさず、すみやかに、おまえたちのおこないの報復をおまえたちの頭上にこさせる。
Ary ianareo koa, ry Tyro sy Sidona, sy ry tany Filistia rehetra, moa mampaninona Ahy akory ianareo? Hamaly Ahy va ianareo, sa hanahoana Ahy? Faingana dia faingana no hanatsingerenako ny nataonareo ho eo an-dohanareo,
5 これはおまえたちがわたしの銀と金とをとり、わたしの貴重な宝をおまえたちの宮に携え行き、
Noho ny natanareo ny volafotsiko sy ny volamenako, sy ny nitondranareo ny zava-tsoako mahafinaritra ho ao amin’ ny tempolinareo;
6 またユダの人々とエルサレムの人々とをギリシヤびとに売って、その本国から遠く離れさせたからである。
Ary ny zanak’ i Joda sy ny zanak’ i Jerosalema dia namidinareo tamin’ ny zanaky ny Grika, hamindranareo azy hanalavitra ny taniny.
7 見よ、わたしはおまえたちが売ったその所から彼らを起して、おまえたちのおこないの報復をおまえたちの頭上にこさせる。
Indro, hofohaziko izy hiala ny amin’ ny tany Izay nahaverezany noho ny nahalafosanareo azy, ary hatsingeriko ho eo an-dohanareo ny nataonareo,
8 わたしはおまえたちのむすこ娘たちをユダの人々の手に売る。彼らはこれを遠い国びとであるシバびとに売ると、主は言われる」。
Ka hamidiko ho lasan’ ny zanak’ i Joda kosa ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ary hamidiny amin’ ny Sabeana kosa ireny, dia ho an’ izay firenena lavitra; Fa Jehovah no efa niteny.
9 もろもろの国民の中に宣べ伝えよ。戦いの備えをなし、勇士をふるい立たせ、兵士をことごとく近づかせ、のぼらせよ。
Antsoy any amin’ ny jentilisa izany, miantsoa hanao ady masìna, fohazy ny lehilahy mahery, aoka handroso ny mpiady rehetra ka hiakatra;
10 あなたがたのすきを、つるぎに、あなたがたのかまを、やりに打ちかえよ。弱い者に「わたしは勇士である」と言わせよ。
Tefeo ho sabatra ny fangadinareo, ary ho lefona ny antsinareo fanetezam-boaloboka; Aoka izay kelikely aina hihiaka hoe: Mahery aho!
11 周囲のすべての国民よ、急ぎ来て、集まれ。主よ、あなたの勇士をかしこにお下しください。
Avia faingana, ianareo jentilisa rehetra avy eny manodidina eny, dia ento midìna ao ny maherinao, Jehovah ô.
12 もろもろの国民をふるい立たせ、ヨシャパテの谷にのぼらせよ。わたしはそこに座して、周囲のすべての国民をさばく。
Hifoha ny jentilisa ka hiakatra ho ao amin’ ny Lohasahan’ i Josafata; Fa ao no hipetrahako hitsara ny jentilisa rehetra avy eny manodidina eny.
13 かまを入れよ、作物は熟した。来て踏め、酒ぶねは満ち、石がめはあふれている。彼らの悪が大きいからだ。
Arosoy ny fijinjana, fa masaka ny vokatra; Avia ianareo, ka manosihose, fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny vata fanantazana, fa be ny faharatsiany.
14 群衆また群衆は、さばきの谷におる。主の日がさばきの谷に近いからである。
He izany vahoaka mireondreona ao amin’ ny lohasaha fitsarana! Fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah ao amin’ ny lohasaha fitsarana.
15 日も月も暗くなり、星もその光を失う。
Ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra,
16 主はシオンから大声で叫び、エルサレムから声を出される。天も地もふるい動く。しかし主はその民の避け所、イスラエルの人々のとりでである。
Jehovah mierona ao Ziona, ary mampikotroka ao Jerosalema, ka hihorohoro ny tany aman-danitra; Fa Jehovah no fialofan’ ny olony sy fiarovana mafy ho an’ ny Zanak’ Isiraely.
17 「そこであなたがたは知るであろう、わたしはあなたがたの神、主であって、わが聖なる山シオンに住むことを。エルサレムは聖所となり、他国人は重ねてその中を通ることがない。
Ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay monina ao Ziona, tendrombohitro masìna; Dia ho masìna Jerosalema, ary ny hafa firenena tsy mba handeha hamaky eo intsony.
18 その日もろもろの山にうまい酒がしたたり、もろもろの丘は乳を流し、ユダのすべての川は水を流す。泉は主の家から出て、シッテムの谷を潤す。
Amin’ izany andro izany dia hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra, handriaka ronono ny havoana, ho feno rano ny lohasahan-driak’ i Joda rehetra, ary hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon’ i Jehovah ka handena ny lohasahan-driak’ i Sitima.
19 エジプトは荒れ地となり、エドムは荒野となる。彼らはその国でユダの人々をしえたげ、罪なき者の血を流したからである。
Egypta kosa ho tonga tany lao, ary Edoma ho efitra foana, noho ny fampahoriana ny taranak’ i Joda, dia ny nandatsahany rà marina teo amin’ ny taniny.
20 しかしユダは永遠に人の住む所となり、エルサレムは世々に保つ。
Fa Joda honenana mandrakizay, ary Jerosalema hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
21 わたしは彼らに血の報復をなし、とがある者をゆるさない。主はシオンに住まわれる」。
Ary hamaly ny rà marina izay tsy mbola novaliako Aho; Fa Jehovah monina ao Ziona.

< ヨエル書 3 >