< ヨブ 記 39 >

1 あなたは岩間のやぎが子を産むときを知っているか。あなたは雌じかが子を産むのを見たことがあるか。
Fantatrao va ny fotoana fiterahan’ ny osi-dia any amin’ ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan’ ny dieravavy?
2 これらの妊娠の月を数えることができるか。これらが産む時を知っているか。
Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany?
3 これらは身をかがめて子を産み、そのはらみ子を産みいだす。
Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany.
4 その子は強くなって、野に育ち、出て行って、その親のもとに帰らない。
Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.
5 だれが野ろばを放って、自由にしたか。だれが野ろばのつなぎを解いたか。
Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran’ ny boriki-dia,
6 わたしは荒野をその家として与え、荒れ地をそのすみかとして与えた。
Izay nomeko ny tani’ hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?
7 これは町の騒ぎをいやしめ、御者の呼ぶ声を聞きいれず、
Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson’ ny mpampandeha;
8 山を牧場としてはせまわり、もろもろの青物を尋ね求める。
Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.
9 野牛は快くあなたに仕え、あなたの飼葉おけのかたわらにとどまるだろうか。
Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin’ ny alina?
10 あなたは野牛に手綱をつけてうねを歩かせることができるか、これはあなたに従って谷を耕すであろうか。
Mahafatotra ny ombimanga amin’ ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?
11 その力が強いからとて、あなたはこれに頼むであろうか。またあなたの仕事をこれに任せるであろうか。
Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?
12 あなたはこれにたよって、あなたの穀物を打ち場に運び帰らせるであろうか。
Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?
13 だちょうは威勢よくその翼をふるう。しかしこれにはきれいな羽と羽毛があるか。
Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?
14 これはその卵を土の中に捨て置き、これを砂のなかで暖め、
Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin’ ny tany izy ka mamela azy ho afanain’ ny vovoka,
15 足でつぶされることも、野の獣に踏まれることも忘れている。
Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.
16 これはその子に無情であって、あたかも自分の子でないようにし、その苦労のむなしくなるをも恐れない。
Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;
17 これは神がこれに知恵を授けず、悟りを与えなかったゆえである。
Fa efa nampanadinoin’ Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana.
18 これがその身を起して走る時には、馬をも、その乗り手をもあざける。
Raha mikopakopak’ elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
19 あなたは馬にその力を与えることができるか。力をもってその首を装うことができるか。
Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?
20 あなたはこれをいなごのように、とばせることができるか。その鼻あらしの威力は恐ろしい。
Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin’ ny fiefonefony!
21 これは谷であがき、その力に誇り、みずから出ていって武器に向かう。
Mihehy ao amin’ ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy.
22 これは恐れをあざ笑って、驚くことなく、つるぎをさけて退くことがない。
Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin’ ny sabatra.
23 矢筒はその上に鳴り、やりと投げやりと、あいきらめく。
Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.
24 これはたけりつ、狂いつ、地をひとのみにし、ラッパの音が鳴り渡っても、立ちどまることがない。
Miriotra mafy amin’ ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara.
25 これはラッパの鳴るごとにハアハアと言い、遠くから戦いをかぎつけ、隊長の大声およびときの声を聞き知る。
Na oviana na oviana no anenoan’ ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban’ ny manamboninahitra.
26 たかが舞いあがり、その翼をのべて南に向かうのは、あなたの知恵によるのか、
Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo?
27 わしがかけのぼり、その巣を高い所につくるのは、あなたの命令によるのか。
Noho ny didinao va no iakaran’ ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?
28 これは岩の上にすみかを構え、岩のとがり、または険しい所におり、
Eny amin’ ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon’ ny harambato sy ao amin’ ny fiarovana.
29 そこから獲物をうかがう。その目の及ぶところは遠い。
Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony.
30 そのひなもまた血を吸う。おおよそ殺された者のある所には、これもそこにいる」。
Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran’ ny faty dia any izy.

< ヨブ 記 39 >