< 伝道者の書 8 >

1 だれが知者のようになり得よう。だれが事の意義を知り得よう。人の知恵はその人の顔を輝かせ、またその粗暴な顔を変える。
Iza no toy ny hendry? Ary iza no mahalala izay anton-javatra? Ny fahendren’ ny olona mahamiramirana ny tarehiny, ary voaova ny fahadontoan’ ny endriny.
2 王の命を守れ。すでに神をさして誓ったことゆえ、驚くな。
Hoy izaho: Tandremo ny didin’ ny mpanjaka noho ny efa nianianana tamin’ Andriamanitra.
3 事が悪い時は、王の前を去れ、ためらうな。彼はすべてその好むところをなすからである。
Aza malaky miala eo anatrehany; aza mikikitra amin’ ny fanaovan-dratsy; fa na inona na inona sitrany dia azony atao avokoa;
4 王の言葉は決定的である。だれが彼に「あなたは何をするのか」と言うことができようか。
fa ny tenin’ ny mpanjaka dia misy hery, ka iza no mahazo manao aminy hoe: Inona no ataonao?
5 命令を守る者は災にあわない。知者の心は時と方法をわきまえている。
Izay mitandrina ny didy tsy mba mikambana amin’ ny fanaovan-dratsy; ary ny fon’ ny hendry dia mahalala fotoana sy fitsarana;
6 人の悪が彼の上に重くても、すべてのわざには時と方法がある。
fa samy manana ny fotoany sy ny fitsarana azy avy ny hevitra rehetra, satria efa be ny heloky ny olona.
7 後に起る事を知る者はない。どんな事が起るかをだれが彼に告げ得よう。
Fa tsy mahafantatra izay ho avy izy; fa iza no hampahafantatra azy izay hihaviany?
8 風をとどめる力をもつ人はない。また死の日をつかさどるものはない。戦いには免除はない。また悪はこれを行う者を救うことができない。
Tsy misy olona manan-kery hahatana ny ainy, na manan-kery ny amin’ ny andro hahafatesana; ary tsy misy fahafahana amin’ ny ady, ary ny ratsy fanahy tsy ho voavonjin’ ny faharatsiany.
9 わたしはこのすべての事を見た。また日の下に行われるもろもろのわざに心を用いた。時としてはこの人が、かの人を治めて、これに害をこうむらせることがある。
Izany rehetra izany dia efa hitako avokoa tamin’ ny nampiasako ny foko nandinika ny asa rehetra atao atỳ ambanin’ ny masoandro. Misy andro anapahan’ ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.
10 またわたしは悪人の葬られるのを見た。彼らはいつも聖所に出入りし、それを行ったその町でほめられた。これもまた空である。
Ary tamin’ izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina ka tafiditra; fa izay nanao ny marina kosa dia lasa niala tamin’ ny fitoeran’ ny masìna ka nohadinoina tao an-tanàna; zava-poana koa izany.
11 悪しきわざに対する判決がすみやかに行われないために、人の子らの心はもっぱら悪を行うことに傾いている。
Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ ny fon’ ny zanak’ olombelona amin’ ny fanaovan-dratsy.
12 罪びとで百度悪をなして、なお長生きするものがあるけれども、神をかしこみ、み前に恐れをいだく者には幸福があることを、わたしは知っている。
Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’ izay matahotra an’ Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.
13 しかし悪人には幸福がない。またその命は影のようであって長くは続かない。彼は神の前に恐れをいだかないからである。
Fa tsy hisy soa ho an’ ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo anatrehan’ Andriamanitra.
14 地の上に空な事が行われている。すなわち、義人であって、悪人に臨むべき事が、その身に臨む者がある。また、悪人であって、義人に臨むべき事が、その身に臨む者がある。わたしは言った、これもまた空であると。
Izao koa no zava-poana izay atao atỳ ambonin’ ny tany: Misy olo-marina iharan’ izay tokony ho valin’ ny asa ratsy; ary misy olo-meloka mahazo izay tokony ho valin’ ny asa marina; hoy izaho: Zava-poana koa izany.
15 そこで、わたしは歓楽をたたえる。それは日の下では、人にとって、食い、飲み、楽しむよりほかに良い事はないからである。これこそは日の下で、神が賜わった命の日の間、その勤労によってその身に伴うものである。
Dia noderaiko ny fifaliana, satria tsy misy mahasoa ny olona atỳ ambanin’ ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo, ka hisy izany amin’ ny fisasarany mandritra ny andro hiainany, izay nomen’ Andriamanitra azy atỳ ambanin’ ny masoandro.
16 わたしは心をつくして知恵を知ろうとし、また地上に行われるわざを昼も夜も眠らずに窮めようとしたとき、
Raha nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahita ny raharaha atao atỳ ambonin’ ny tany (fa misy tsy mahita torimaso na andro na alina),
17 わたしは神のもろもろのわざを見たが、人は日の下に行われるわざを窮めることはできない。人はこれを尋ねようと労しても、これを窮めることはできない。また、たとい知者があって、これを知ろうと思っても、これを窮めることはできないのである。
dia hitako avokoa ny asan’ Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain’ ny olona ny asa atao atỳ ambanin’ ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory.

< 伝道者の書 8 >