< 歴代誌Ⅱ 36 >

1 国の民はヨシヤの子エホアハズを立て、エルサレムでその父に代って王とならせた。
Ary ny vahoaka naka an’ i Joahaza, zanak’ i Josia, ka nampanjaka azy tany Jerosalema handimby an-drainy.
2 エホアハズは王となった時二十三歳で、エルサレムで三月の間、世を治めたが、
Telo amby roa-polo taona loahaza, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema.
3 エジプトの王はエルサレムで彼を廃し、かつ銀百タラント、金一タラントの罰金を国に課した。
Ary nesorin’ ny mpanjakan’ i Egypta tany Jerosalema izy, sady nampandoaviny sazy talenta volafotsy zato sy talenta volamena iray ny fanjakana.
4 そしてエジプト王は彼の兄弟エリアキムをユダとエルサレムの王とし、その名をエホヤキムと改め、その兄弟エホアハズを捕えてエジプトへ引いて行った。
Ary ny mpanjakan’ i Egypta nampanjaka an’ i Eliakima, rahalahin’ i Joahaza, tamin’ ny Joda sy Jerosalema, ary ny anarany dia novany hoe Joiakima; ary Joahaza rahalahiny kosa dia nalainy ka nentiny ho any Egypta.
5 エホヤキムは王となった時二十五歳で、十一年の間エルサレムで世を治めた。彼はその神、主の前に悪を行った。
Dimy amby roa-polo taona Joiakima, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamaniny izy.
6 時に、バビロンの王ネブカデネザルが彼の所に攻め上り、彼をバビロンに引いて行こうとして、かせにつないだ。
Ary Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, dia niakatra namely azy ka namatotra azy tamin’ ny gadra varahina mba hitondra azy ho any Babylona.
7 ネブカデネザルはまた主の宮の器物をバビロンに運んで行って、バビロンにあるその宮殿にそれをおさめた。
Ary ny fanaka sasany tao an-tranon’ i Jehovah dia nentin’ i Nebokadnezara ho any Babylona koa ka nataony tao amin’ ny tempoliny tany Babylona.
8 エホヤキムのその他の行為、その行った憎むべき事および彼がひそかに行った事などは、イスラエルとユダの列王の書にしるされている。その子エホヤキンが彼に代って王となった。
Ary ny tantaran’ i Joiakima sisa sy ny fahavetavetana nataony mbamin’ izay toetoeny rehetra, dia, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny Joda izany; ary Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
9 エホヤキンは王となった時八歳で、エルサレムで三月と十日の間、世を治め、主の前に悪を行った。
Valo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana sy hafoloana no nanjakany tany Jerosalema; ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.
10 年が改まり春になって、ネブカデネザル王は人をつかわして、彼を主の宮の尊い器物と共にバビロンに連れて行かせ、その兄弟ゼデキヤをユダとエルサレムの王とした。
Ary nony niherina ny taona, dia naniraka Nebokadnezara mpanjaka ka nitondra azy mbamin’ ny fanaka tsara tao an-tranon’ i Jehovah ho any Babylona, dia nampanjaka an’ i Zedekia rahalahin-drainy tamin’ ny Joda sy Jerosalema izy.
11 ゼデキヤは王となった時二十一歳で、十一年の間エルサレムで世を治めた。
Iraika amby roa-polo taona Zedekia, fony izy vao nanjaka, ary iraika ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema.
12 彼はその神、主の前に悪を行い、主の言葉を伝える預言者エレミヤの前に、身をひくくしなかった。
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamaniny izy, fa tsy nanetry tena teo anatrehan’ i Jeremia mpaminany, izay nilaza ny tenin’ Andriamanitra.
13 彼はまた、彼に神をさして誓わせたネブカデネザル王にもそむいた。彼は強情で、その心をかたくなにして、イスラエルの神、主に立ち返らなかった。
Ary nikomy tamin’ i Nebokadnezara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin’ Andriamanitra koa izy; ary nanamafy ny hatony sy nanasarotra ny fony izy mba tsy hiverina ho amin’ Andriamanitry ny Isiraely.
14 祭司のかしらたちおよび民らもまた、すべて異邦人のもろもろの憎むべき行為にならって、はなはだしく罪を犯し、主がエルサレムに聖別しておかれた主の宮を汚した。
Ary ny lehibe rehetra tamin’ ny mpisorona sy ny vahoaka koa nanao izay mahadiso indrindra araka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ ny jentilisa ka nandoto ny tranon’ i Jehovah tany Jerosalema izay nohamasininy.
15 その先祖の神、主はその民と、すみかをあわれむがゆえに、しきりに、その使者を彼らにつかわされたが、
Kanefa Jehovah, Andriamanitry ny razany, nampitondra teny ny iraka izay nirahiny ho any aminy; eny, nifoha maraina koa Izy ka naniraka, fa namindra fo tamin’ ny olony sy ny fonenany.
16 彼らが神の使者たちをあざけり、その言葉を軽んじ、その預言者たちをののしったので、主の怒りがその民に向かって起り、ついに救うことができないようになった。
Kanjo ny olona nihomehy ireny irak’ Andriamanitra ireny sady nanazimba ny teniny sy namazivazy ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’ i Jehovah taminy, ka tsy nisy nahavonjy azy.
17 そこで主はカルデヤびとの王を彼らに攻めこさせられたので、彼はその聖所の家でつるぎをもって若者たちを殺し、若者をも、処女をも、老人をも、しらがの者をもあわれまなかった。主は彼らをことごとく彼の手に渡された。
Koa nentiny namely azy ny mpanjakan’ ny Kaldeana, izay namono ny zatovony tamin’ ny sabatra tao an-trano fitoerana masìna, ary tsy nisy namindrany fo, na zatovo na virijina, na ny antitra sy ny fotsy volo; fa izy rehetra dia natolony ho eo an-tànany avokoa.
18 彼は神の宮のもろもろの大小の器物、主の宮の貨財、王とそのつかさたちの貨財など、すべてこれをバビロンに携えて行き、
Ary ny fanaka rehetra tao an-tranon’ Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah ary ny rakitry ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ireny rehetra ireny dia nentiny ho any Babylona avokoa.
19 神の宮を焼き、エルサレムの城壁をくずし、そのうちの宮殿をことごとく火で焼き、そのうちの尊い器物をことごとくこわした。
Dia nodorany koa ny tranon’ Andriamanitra, ary noravany ny mandan’ i Jerosalema; ny lapan’ andriana rehetra tao koa dia nodorany tamin’ ny afo, ary ny fanaka tsara rehetra tao nosimbany.
20 彼はまたつるぎをのがれた者どもを、バビロンに捕えて行って、彼とその子らの家来となし、ペルシャの国の興るまで、そうして置いた。
Ary ny olona sisa tsy matin-tsabatra dia nentiny ho babo tany Babylona, ka tonga mpanompo azy sy ny zanany ireny mandra-panjakan’ ny mpanjakan’ i Persia,
21 これはエレミヤの口によって伝えられた主の言葉の成就するためであった。こうして国はついにその安息をうけた。すなわちこれはその荒れている間、安息して、ついに七十年が満ちた。
hanatanterahana ny tenin’ i Jehovah nampilazaina an’ i Jeremia, mandra-panonitry ny tany ny Sabatany; fa tamin’ ny andro rehetra izay nahafoanany dia natsahatra ny tany mba hanonitra ny Sabatany mandra-pahatapitry ny fito-polo taona.
22 ペルシャ王クロスの元年に当り、主はエレミヤの口によって伝えた主の言葉を成就するため、ペルシャ王クロスの霊を感動されたので、王はあまねく国中にふれ示し、またそれを書き示して言った、
Ary tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Perisa, dia notairin’ i Jehovah ny fanahin’ i Kyrosy mpanjakan’ i Persia, mba hanatanteraka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Jeremia, ka dia nandefa teny eran’ ny fanjakany rehetra izy, sady nataony an-tsoratra koa izany hoe:
23 「ペルシャの王クロスはこう言う、『天の神、主は地上の国々をことごとくわたしに賜わって、主の宮をユダにあるエルサレムに建てることをわたしに命じられた。あなたがたのうち、その民である者は皆、その神、主の助けを得て上って行きなさい』」。
Izao no lazain’ i Kyrosy, mpanjakan’ i Persia: Ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany dia efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, ahy; ary Izy efa nandidy ahy hanao trano ho Azy any Jerosalema, izay any Joda. Koa iza avy moa aminareo rehetra no olony? Jehovah Andriamaniny anie nomba azy, fa aoka hiakatra izy.

< 歴代誌Ⅱ 36 >