< 歴代誌Ⅱ 33 >

1 マナセは十二歳で王となり、五十五年の間エルサレムで世を治めた。
Roa ambin’ ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema.
2 彼は主がイスラエルの人々の前から追い払われた国々の民の憎むべき行いに見ならって、主の目の前に悪を行った。
Ary nanao izay ratsy eo mason’ i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan’ ny firenena izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ isiraely.
3 すなわち、その父ヒゼキヤがこわした高き所を再び築き、またもろもろのバアルのために祭壇を設け、アシラ像を造り、天の万象を拝んで、これに仕え、
Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay efa noravan’ i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an’ ireo Bala izy sady nanao Aseraha sy niankohota teo anatrehan’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra ka nanompo azy
4 また主が「わが名は永遠にエルサレムにある」と言われた主の宮のうちに数個の祭壇を築き、
sady nanorina alitara tao an-tranon’ i Jehovah, dia tao amin’ ilay nolazain’ i Jehovah hoe: Any Jerosalema no hitoeran’ ny anarako mandrakizay.
5 主の宮の二つの庭に天の万象のために祭壇を築いた。
Fa nanao alitara teo anatin’ ny kianja roa amin’ ny tranon’ i Jehovah izy ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra.
6 彼はまたベンヒンノムの谷でその子供を火に焼いて供え物とし、占いをし、魔法をつかい、まじないを行い、口寄せと、占い師を任用するなど、主の前に多くの悪を行って、その怒りをひき起した。
Ary ny zanany nampamakiny ny afo teo an-dohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, sady nanandro sy nanao sikidy izy sy nanana ody ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, dia nahery nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy.
7 彼はまた刻んだ偶像を造って神の宮に安置した。神はこの宮についてダビデとその子ソロモンに言われたことがある、「わたしはこの宮と、わたしがイスラエルのすべての部族のうちから選んだエルサレムとに、わたしの名を永遠に置く。
Ary izay sarin-javatra voasokitra momba ny sampy nataony dia napetrany tao an-tranon’ Andriamanitra, izay nolazain’ Andriamanitra tamin’ Davida sy Solomona zanany hoe: Eto amin’ ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin’ ny firenen’ isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay;
8 彼らがもし、わたしがすべて命じた事、すなわち、モーセが伝えたすべての律法と定めとおきてとを慎んで行うならば、わたしがあなたがたの先祖のために定めた地から、重ねてイスラエルの足を移すことをしない」と。
ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin’ ny tany izay efa notendreko ho an’ ny razanareo Aho, raha mba hitandrina koa izy hanao araka izay rehetra nandidiako azy, dia araka ny lalana rehetra sy ny didy ary ny fitsipika izay nampilazaina an’ i Mosesy.
9 マナセはこのようにユダとエルサレムの住民を迷わせ、主がイスラエルの人々の前に滅ぼされた国々の民にもまさって悪を行わせた。
Kanjo nampivily ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema Manase mba hanao ratsy mihoatra noho ny firenena izay naringan’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ isiraely.
10 主はマナセおよびその民に告げられたが、彼らは心に留めなかった。
Ary Jehovah niteny tamin’ i Manase sy ny vahoakany, nefa tsy nety nihaino izy.
11 それゆえ、主はアッスリヤの王の軍勢の諸将をこれに攻めこさせられたので、彼らはマナセをかぎで捕え、青銅のかせにつないで、バビロンに引いて行った。
Dia nentin’ i Jehovah hamely azy ny komandin’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Asyria, dia nosamborin’ ireo Manase ka nasiany masom-by sady nogadrany gadra varahina ary nentiny ho any Babylona.
12 彼は悩みにあうに及んで、その神、主に願い求め、その先祖の神の前に大いに身を低くして、
Ary nony azom-pahoriana mafy izy, vao nifona tamin’ i Jehovah Andriamaniny sady nanetry tena indrindra teo anatrehan’ Andriamanitry ny razany
13 神に祈ったので、神はその祈を受けいれ、その願いを聞き、彼をエルサレムに連れ帰って、再び国に臨ませられた。これによってマナセは主こそ、まことに神にいますことを知った。
ka nivavaka taminy; ary Jehovah nanaiky ka nihaino ny fifonany, dia nampody azy ho any Jerosalema ho any amin’ ny fanjakany. Ka dia fantatr’ i Manase fa Jehovah no Andriamanitra.
14 この後、彼はダビデの町の外の石がきをギホンの西の方の谷のうちに築き、魚の門の入口にまで及ぼし、またオペルに石がきをめぐらして、非常に高くこれを築き上げ、ユダのすべての堅固な町に軍長を置き、
Ary rehefa afaka izany, dia nanao manda teo ivelan’ ny Tanànan’ i Davida izy, dia teo andrefana hatrany Gihona, eo amin’ ny lohasahan-driaka, ka hatramin’ ny fidirana amin’ ny vavahadin-kazandrano, ary nataony manodidina an’ i Ofela sady nataony avo dia avo; ary nanendry izay ho komandin’ ny miaramila ho any amin’ ny tanàna mimanda rehetra any Joda izy.
15 また主の宮から、異邦の神々および偶像を取り除き、主の宮の山とエルサレムに自分で築いたすべての祭壇を取り除いて、町の外に投げ捨て、
Dia nesoriny ireny andriamani-kafa sy ny sampy tao an-tranon’ i Jehovah mbamin’ ny alitara rehetra izay efa naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon’ i Jehovah sy tany Jerosalema ka nariany teny ivelan’ ny tanàna.
16 主の祭壇を築き直して、酬恩祭および感謝の犠牲を、その上にささげ、ユダに命じてイスラエルの神、主に仕えさせた。
Ary nanorina indray ny alitaran’ i Jehovah izy ka namono zavatra hatao fanati-pihavanana sy fanati-pisaorana teo amboniny, dia nandidy ny Joda hanompo an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
17 しかし民は、なお高き所で犠牲をささげた。ただしその神、主にのみささげた。
Fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany, kanefa kosa ho an’ i Jehovah Andriamaniny ihany.
18 マナセのそのほかの行為、その神にささげた祈、およびイスラエルの神、主の名をもって彼に告げた先見者たちの言葉は、イスラエルの列王の記録のうちにしるされている。
Ary ny tantaran’ i Manase sisa mbamin’ ny vavaka nataony tamin’ Andriamaniny sy ny tenin’ ireo mpahita izay niteny taminy tamin’ ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely indro, ao amin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
19 またその祈と、祈の聞かれた事、そのもろもろの罪と、とが、その身を低くする前に高き所を築いて、アシラ像および刻んだ像を立てた場所などは、先見者の記録のうちにしるされている。
Ary koa, ny vavaka nataony sy ny naneken’ Andriamanitra izany ary ny fahotany sy ny fahadisoany rehetra mbamin’ ny fitoerana izay nanorenany fitoerana avo sy nananganany Aseraha sy sarin-javatra voasokitra, fony izy tsy mbola nanetry tena, indro, efa voasoratra ao amin’ ny tenin’ i Hozay izany.
20 マナセはその先祖たちと共に眠ったので、その家に葬られた。その子アモンが彼に代って王となった。
Ary Manase lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-tranony; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy.
21 アモンは王となった時二十二歳で、二年の間エルサレムで世を治めた。
Roa amby roa-polo taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema.
22 彼はその父マナセのしたように主の前に悪を行った。すなわちアモンはその父マナセが造ったもろもろの刻んだ像に犠牲をささげて、これに仕え、
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah tahaka ny nataon’ i Manase rainy ihany izy; fa ny sarin-javatra voasokitra rehetra nataon’ i Manase rainy dia namonoan’ i Amona zavatra hatao fanatitra ka notompoiny;
23 その父マナセが身を低くしたように主の前に身を低くしなかった。かえってこのアモンは、いよいよそのとがを増した。
ary tsy nanetry tena teo anatrehan’ i Jehovah tahaka ny nataon’ i Manase rainy izy, fa mainka nanota bebe kokoa aza.
24 その家来たちは党を結んで彼にそむき、彼をその家で殺した。
Dia nikomy taminy ny mpanompony ka namono azy tao an-tranony.
25 しかし国の民は、党を結んでアモン王にそむいた者どもをことごとく撃ち殺した。そして国の民はその子ヨシヤを王となして、そのあとを継がせた。
Fa ny vahoaka kosa namono izay rehetra efa nikomy tamin’ i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an’ i Josia zanany hisolo azy.

< 歴代誌Ⅱ 33 >