< 歴代誌Ⅱ 29 >

1 ヒゼキヤは王となった時二十五歳で、二十九年の間エルサレムで世を治めた。その母はアビヤと言って、ゼカリヤの娘である。
Dimy amby roa-polo taona Hezekia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Abia, zanakavavin’ i Zakaria.
2 ヒゼキヤは父ダビデがすべてなしたように主の良しと見られることをした。
Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon’ i Davida rainy.
3 彼はその治世の第一年の一月に主の宮の戸を開き、かつこれを繕った。
Tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran’ ny tranon’ i Jehovah izy ka namboatra azy.
4 彼は祭司とレビびとを連れていって、東の広場に集め、
Ary dia nampidiriny tao ny mpisorona sy ny Levita ka nangoniny teo an-kalalahana atsinanana.
5 彼らに言った、「レビびとよ、聞きなさい。あなたがたは今、身を清めて、あなたがたの先祖の神、主の宮を清め、聖所から汚れを除き去りなさい。
Ary hoy izy taminy: Mihainoa ahy, ianareo Levita, ka hamasino ny tenanareo izao, ary hamasino koa ny tranon’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ary esory amin’ ny fitoerana masìna ny loto.
6 われわれの先祖は罪を犯し、われわれの神、主の悪と見られることを行って、主を捨て、主のすまいに顔をそむけ、うしろを向けた。
Fa ny razantsika nandiso sy nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitsika ary nahafoy Azy sy nihodina ka niamboho ny fonenan’ i Jehovah.
7 また廊の戸を閉じ、ともしびを消し、聖所でイスラエルの神に香をたかず、燔祭をささげなかった。
Ary narindriny ny varavarana amin’ ny lavarangana fidirana, dia novonoiny ny jiro, sady tsy nodorany ny ditin-kazo manitra, ary ny fanatitra dorana tsy nateriny tao amin’ ny fitoerana masìna ho an’ Andriamanitry ny Isiraely.
8 それゆえ、主の怒りはユダとエルサレムに臨み、あなたがたが目に見るように、主は彼らを恐れと驚きと物笑いにされた。
Ka dia nihatra tamin’ ny Joda sy Jerosalema ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nanolotra azy ho mpanjenjena izy sy ho figagana ary ho zavatra mampisitrisitra toy izao hitan’ ny masonareo izao.
9 見よ、われわれの父たちはつるぎにたおれ、われわれのむすこたち、むすめたち、妻たちはこれがために捕虜となった。
Fa he! lavon’ ny sabatra ny razantsika, ary ny zanakalahintsika sy ny zanakavavintsika sy ny vadintsika dia efa babo noho izany.
10 今わたしは、イスラエルの神、主と契約を結ぶ志をもっている。そうすればその激しい怒りは、われわれを離れるであろう。
Ka dia efa mby ato am-poko ny hanao fanekena amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.
11 わが子らよ、今は怠ってはならない。主はあなたがたを選んで、主の前に立って仕えさせ、ご自分に仕える者となし、また香をたく者とされたからである」。
Ry zanako, aza malaina ianareo; fa ianareo no nofidin’ i Jehovah hijanona eo anatrehany hanompo Azy ka ho tonga mpanao fanompoam-pivavahana sy mpandoro ditin-kazo manitra ho Azy.
12 そこでレビびとは立ち上がった。すなわちコハテびとの子孫のうちでは、アマサイの子マハテおよびアザリヤの子ヨエル。メラリの子孫では、アブデの子キシおよびエハレレルの子アザリヤ。ゲルションびとのうちでは、ジンマの子ヨアおよびヨアの子エデン。
Dia nitsangana ny Levita, dia Mahata, zanak’ i Amasay, sy Joela, zanak’ i Azaria, tamin’ ny taranaky ny Kehatita; ary tamin’ ny taranak’ i Merary dia Kisy, zanak’ i Abdia, sy Azaria, zanak’ i Jehalalila; ary tamin’ ny Gersonita dia Joa, zanak’ i Zima, sy Edena, zanak’ i Joa;
13 エリザパンの子孫のうちでは、シムリとエイエル。アサフの子孫のうちでは、ゼカリヤとマッタニヤ。
ary tamin’ ny taranak’ i Elizafana dia Simry sy Jeiela; ary tamin’ ny taranak’ i Asafa dia Zakaria sy Matania;
14 ヘマンの子孫のうちでは、エヒエルとシメイ。エドトンの子孫のうちでは、シマヤとウジエルである。
ary tamin’ ny taranak’ i Hemana dia Jehiela sy Simey; ary tamin’ ny taranak’ i Jedotona dia Semaia sy Oziela.
15 彼らはその兄弟たちを集めて身を清め、主の言葉による王の命令に従って、主の宮を清めるためにはいって来た。
Ary namory ny rahalahiny izy, ka dia samy nanamasina ny tenany avy, dia tonga araka ny didin’ ny mpanjaka noho ny tenin’ i Jehovah mba hanadio ny tranon’ i Jehovah.
16 祭司たちが主の宮の奥にはいってこれを清め、主の宮にあった汚れた物をことごとく主の宮の庭に運び出すと、レビびとはそれを受けて外に出し、キデロン川に持って行った。
Ary ny mpisorona niditra tao amin’ ny efitra anatiny amin’ ny tranon’ i Jehovah mba hanadio azy, ka navoakany ny loto rehetra izay hitany tao an-tempolin’ i Jehovah ho eo an-kianjan’ ny tranon’ i Jehovah. Ary ny Levita kosa nandray ireny havoakany ho any amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona.
17 彼らは正月の元日に清めることを始めて、その月の八日に主の宮の廊に達した。それから主の宮を清めるのに八日を費し、正月の十六日にこれを終った。
Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany no nanomboka ny fanamasinana izy, ary tamin’ ny andro fahavalo tamin’ io volana io dia niditra teo amin’ ny lavarangana fidirana an’ i Jehovah izy; ka dia nanamasina ny tranon’ i Jehovah tamin’ ny havaloana izy; ary tamin’ ny andro fahenina ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany no nahavitany azy.
18 そこで彼らはヒゼキヤ王の所へ行って言った、「われわれは主の宮をことごとく清め、また燔祭の壇とそのすべての器物、および供えのパンの机とそのすべての器物とを清めました。
Dia niditra tao amin’ i Hezekia mpanjaka izy ka nanao hoe: Efa voadionay avokoa ny tranon’ i Jehovah sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny latabatry ny mofo aseho mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy koa.
19 またアハズ王がその治世に罪を犯して捨てたすべての器物をも整えて清めました。それらは主の祭壇の前にあります」。
Ary ny fanaka rehetra izay novetavetain’ i Ahaza mpanjaka tamin’ ny nanotany, fony izy mbola nanjaka, dia efa namboarinay sy nohamasininay, koa indreo izy eo anoloan’ ny alitaran’ i Jehovah.
20 そこでヒゼキヤ王は朝早く起きいで、町のつかさたちを集めて、主の宮に上って行き、
Dia nifoha maraina koa Hezekia mpanjaka ka namory ny mpanapaka ny tanàna, dia niakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah.
21 雄牛七頭、雄羊七頭、小羊七頭、雄やぎ七頭を引いてこさせ、国と聖所とユダのためにこれを罪祭とし、アロンの子孫である祭司たちに命じてこれを主の祭壇の上にささげさせた。
Ary nitondra vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito sy zanak’ ondry fito izy ary osilahy fito ho fanatitra noho ny ota ho an’ ny fanjakana sy ho an’ ny fitoerana masìna ary ho an’ ny Joda. Ary ny mpisorona, taranak’ i Arona, dia nasainy nanatitra ireo teo ambonin’ ny alitaran’ i Jehovah.
22 すなわち、雄牛をほふると、祭司たちはその血を受けて祭壇にふりかけ、また雄羊をほふると、その血を祭壇にふりかけ、また小羊をほふると、その血を祭壇にふりかけた。
Dia novonoiny ny vantotr’ ombilahy, ary noraisin’ ny mpisorona ny rà ka natopiny tamin’ ny alitara; ary novonoiny koa ny ondrilahy, dia natopiny tamin’ ny alitara ny ràny; ary novonoiny koa ny zanak’ ondry, dia natopiny tamin’ ny alitara ny ràny.
23 そして罪祭の雄やぎを王と会衆の前に引いて来たので、彼らはその上に手を置いた。
Ary ny osilahy ho fanatitra noho ny ota dia nentiny teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny fiangonana ka nametrahany tanana;
24 そして祭司たちはこれをほふり、その血を罪祭として祭壇の上にささげてイスラエル全国のためにあがないをした。これは王がイスラエル全国のために燔祭および罪祭をささげることを命じたためである。
dia novonoin’ ny mpisorona ireo, ka ny ràny nataony teo amin’ ny alitara araka ny fanao ho fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an’ ny Isiraely; fa ho an’ ny Isiraely rehetra no nasain’ ny mpanjaka nanaovana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota.
25 王はまたレビびとを主の宮に置き、ダビデおよび王の先見者ガドと預言者ナタンの命令に従って、これにシンバル、立琴および琴をとらせた。これは主がその預言者によって命じられたところである。
Ary ny mpanjaka nametraka ny Levita tao an-tranon’ i Jehovah hitondra kipantsona sy valiha ary lokanga, araka ny didin’ i Davida mpanjaka sy Gada, mpahitan’ ny mpanjaka, sy Natana mpaminany; fa izany no didin’ i Jehovah nampitondrainy ny mpaminaniny.
26 こうしてレビびとはダビデの楽器をとり、祭司はラッパをとって立った。
Ary ny Levita nitsangana teo nitondra ny zava-manenon’ i Davida, ary ny mpisorona koa nitondra ny trompetra.
27 そこでヒゼキヤは燔祭を祭壇の上にささげることを命じた。燔祭をささげ始めた時、主の歌をうたい、ラッパを吹き、イスラエルの王ダビデの楽器をならし始めた。
Ary nasain’ i Hezekia naterina teo ambonin’ ny alitara ny fanatitra dorana; ary raha vao natomboka ny nanaterana ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny fihirana ho an’ i Jehovah sy ny fitsofana ny trompetra ka notarihin’ ny zava-manenon’ i Davida, mpanjakan’ ny Isiraely.
28 そして会衆は皆礼拝し、歌うたう者は歌をうたい、ラッパ手はラッパを吹き鳴らし、燔祭が終るまですべてこのようであったが、
Ary ny fiangonana rehetra niankohoka, ary ny mpihira nihira, ary ny mpitsoka trompetra nitsoka mandra-pahavitan’ ny fanatitra dorana.
29 ささげる事が終ると、王および彼と共にいた者はみな身をかがめて礼拝した。
Ary nony efa nitsahatra ny nanaterana izany, dia nandohalika sy niankohoka ny mpanjaka mbamin’ izay rehetra teo aminy.
30 またヒゼキヤ王およびつかさたちはレビびとに命じて、ダビデと先見者アサフの言葉をもって主をさんびさせた。彼らは喜んでさんびし、頭をさげて礼拝した。
Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an’ i Jehovah tamin’ ny teny namboarin’ i Davida sy Asafa mpahita. Ary nihira fiderana tamin’ ny hafaliana izy, dia niondrika sy niankohoka.
31 その時、ヒゼキヤは言った、「あなたがたはすでに主に仕えるために身を清めたのであるから、進みよって、主の宮に犠牲と感謝の供え物を携えて来なさい」と。そこで会衆は犠牲と感謝の供え物を携えて来た。また志ある者は皆燔祭を携えて来た。
Ary Hezekia niteny hoe: Efa nanokana ny tenanareo ho an’ i Jehovah ianareo izao, ka dia manatòna, ary mitondrà fanati-pisaorana sy fanatitra hafa koa ho ao an-tranon’ i Jehovah. Dia nitondra fanati-pisaorana sy fanatitra hafa ny fiangonana, ary izay rehetra nazoto dia nitondra fanatitra dorana.
32 会衆の携えて来た燔祭の数は雄牛七十頭、雄羊百頭、小羊二百頭、これらは皆主に燔祭としてささげるものであった。
Ary ny isan’ ny fanatitra dorana izay nentin’ ny fiangonana dia omby fito-polo sy ondrilahy zato ary zanak’ ondry roan-jato; natao fanatitra dorana ho an’ i Jehovah ireo rehetra ireo.
33 また奉納物は牛六百頭、小羊三千頭であった。
Ary ny zavatra nohamasinina dia omby enin-jato sy ondry aman’ osy telo arivo.
34 ところが祭司が少なくてその燔祭の物の皮を、はぎつくすことができなかったので、その兄弟であるレビびとがこれを助けて、そのわざをなし終え、その間に他の祭司たちは身を清めた。これはレビびとが祭司たちよりも、身を清めることに、きちょうめんであったからである。
Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny Levita rahalahiny mandra-pahavitan’ ny raharaha sy ny nanamasinan’ ny mpisorona sasany ny tenany koa; fa ny Levita nahitsy fo kokoa hanamasina ny tenany noho ny mpisorona.
35 このほかおびただしい燔祭があり、また、酬恩祭の脂肪および燔祭の灌祭もあった。こうして、主の宮の勤めは回復された。
Ary be koa ny fanatitra dorana sy ny saboran’ ny fanati-pihavanana sy ny fanatitra aidina momba ny fanatitra dorana. Izany no nanavaozany ny fanompoana tao an-tranon’ i Jehovah.
36 この事は、にわかになされたけれども、神がこのように民のために備えをされたので、ヒゼキヤおよびすべての民は喜んだ。
Ary faly Hezekia sy ny vahoaka rehetra noho izay namboarin’ Andriamanitra ho an’ ny olona, satria tampoka izany raharaha izany.

< 歴代誌Ⅱ 29 >