< 歴代誌Ⅰ 23 >

1 ダビデは老い、その日が満ちたので、その子ソロモンをイスラエルの王とした。
Ary nony efa ela niainana sy tratrantitra tsara Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin’ ny Isiraely.
2 ダビデはイスラエルのすべてのつかさおよび祭司とレビびとを集めた。
Ary novoriny ny lehiben’ ny Isiraely rehetra mbamin’ ny mpisorona sy ny Levita.
3 レビびとの三十歳以上のものを数えると、その男の数が三万八千人あった。
Ary nisaina ny Levita hatramin’ ny telo-polo taona no ho miakatra, ka valo arivo amby telo alina no isan’ ny lehilahy.
4 ダビデは言った、「そのうち二万四千人は主の家の仕事をつかさどり、六千人はつかさびと、およびさばきびととなり、
Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin’ ireo dia ataoko ho tonian’ ny asa ao an-tranon’ i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,
5 四千人は門を守る者となり、また四千人はさんびのためにわたしの造った楽器で主をたたえよ」。
ary ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an’ i Jehovah amin’ ny zavatra namboariko hiderana Azy.
6 そしてダビデは彼らをレビの子らにしたがってゲルション、コハテ、メラリの組に分けた。
Ary nozarazarain’ i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin’ i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary:
7 ゲルションの子らはラダンとシメイ。
Tamin’ ny Gersonita dia Ladana sy Simey.
8 ラダンの子らは、かしらのエヒエルとゼタムとヨエルの三人。
Ny zanakalahin’ i Ladana dia Jehiela lohany sy Zetama ary Joela; telo izy.
9 シメイの子らはシロミテ、ハジエル、ハランの三人。これらはラダンの氏族の長であった。
Ny zanakalahin’ i Simey dia Selomota sy Haziela ary Harana; telo izy. Ireo no lohany tamin’ ny fianakavian’ i Ladana.
10 シメイの子らはヤハテ、ジナ、エウシ、ベリアの四人。皆シメイの子で、
Ary ny zanakalahin’ i Simey dia Jahata sy Zina sy Jeosy ary Beria; izy efa-dahy ireo no zanakalahin’ i Simey.
11 ヤハテはかしら、ジザはその次、エウシとベリアは子が多くなかったので、ともに数えられて一つの氏族となった。
Ary Jahata no lohany, ary Ziza no faharoany; fa Jeosy sy Beria tsy nanana zanakalahy maro, ka dia nisaina ho fianakaviana iray sy antokony iray izy.
12 コハテの子らはアムラム、イヅハル、ヘブロン、ウジエルの四人。
Ny zanakalahin’ i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; efatra izy.
13 アムラムの子らはアロンとモーセである。アロンはその子らとともに、ながくいと聖なるものを聖別するために分かたれて、主の前に香をたき、主に仕え、常に主の名をもって祝福することをなした。
Ny zanakalahin’ i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masìna indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’ i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin’ ny anarany mandrakizay.
14 神の人モーセの子らはレビの部族のうちに数えられた。
Nefa ny amin’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, dia nisaina tamin’ ny firenen’ i Levy ihany ny zanany.
15 モーセの子らはゲルションとエリエゼル。
Ny zanakalahin’ i Mosesy dia Gersona sy Eliezera.
16 ゲルションの子らは、かしらはシブエル。
Tamin’ ny zanakalahin’ i Gersona dia Seboela no lohany.
17 エリエゼルの子らは、かしらはレハビヤ。エリエゼルにはこのほかに子がなかった。しかしレハビヤの子らは非常に多かった。
Ary tamin’ ny zanakalahin’ i Eliezera dia Rehabia no lohany (Eliezera anefa tsy nanan-janaka hafa); fa ny zanak’ i Rehabia dia maro indrindra.
18 イヅハルの子らは、かしらはシロミテ。
Tamin’ ny zanakalahin’ i Jizara dia Selomota no lohany.
19 ヘブロンの子らは長子はエリヤ、次はアマリヤ、第三はヤハジエル、第四はエカメアム。
Ny zanakalahin’ i Hebrona, dia Jeria no lahimatoa, Amaria no lahiaivo, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no faralahy.
20 ウジエルの子らは、かしらはミカ、次はイシアである。
Ny zanakalahin’ i Oziela, dia Mita no lahimatoa, ary Jisia no faralahy.
21 メラリの子らはマヘリとムシ。マヘリの子らはエレアザルとキシ。
Ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy. Ny zanakalahin’ i Maly dia Eleazara sy Kisy.
22 エレアザルは男の子がなくて死に、ただ娘たちだけであったが、キシの子であるその身内の男たちが彼女たちをめとった。
Ary maty Eleazara ka tsy nanan-janakalahy, fa vavy avokoa; ary ireny zanakalahin’ i Kisy havany no nanambady ireo.
23 ムシの子らはマヘリ、エデル、エレモテの三人である。
Ny zanakalahin’ i Mosy dia Maly sy Edera ary Jeremota; telo izy.
24 これらはその氏族によるレビの子孫であって、その人数が数えられ、その名がしるされて、主の家の務をなした二十歳以上の者で、氏族の長であった。
Ireo no zanakalahin’ i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao an-tranon’ i Jehovah, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra.
25 ダビデは言った、「イスラエルの神、主はその民に平安を与え、ながくエルサレムに住まわれる。
Fa hoy Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nanome fitsaharana ho an’ ny olony sady mitoetra eto Jerosalema mandrakizay.
26 レビびとは重ねて幕屋およびその勤めの器物をかつぐことはない。
Ary ny Levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony.
27 ダビデの最後の言葉によって、レビびとは二十歳以上の者が数えられた
Fa araka ny fara-tenin’ i Davida dia nisaina hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra ny Levita.
28 彼らの務はアロンの子孫を助けて主の家の働きをし、庭とへやの仕事およびすべての聖なるものを清めること、そのほか、すべて神の家の働きをすることである。
Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak’ i Arona amin’ ny fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ireo kianja sy efi-trano tao ary amin’ ny fanadiovana ny zavatra masìna rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra,
29 また供えのパン、素祭の麦粉、種入れぬ菓子、焼いた供え物、油をまぜた供え物をつかさどり、またすべて分量および大きさを量ることをつかさどり、
ary amin’ ny mofo aseho sy ny koba tsara toto ho fanatitra hohanina sy amin’ ny mofo manify tsy misy masirasira sy amin’ izay endasina amin’ ny lapoely sy amin’ izay vonton-diloilo ary amin’ ny famarana sy ny fandrefesana rehetra,
30 また朝ごとに立って主に感謝し、さんびし、夕にもまたそのようにし、
ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an’ i Jehovah, ary toy izany koa amin’ ny hariva,
31 また安息日と新月と祭日に、主にもろもろの燔祭をささげるときは、絶えず主の前にその命じられた数にしたがってささげなければならない。
ary ny hanatitra ny fanatitra dorana rehetra ho an’ i Jehovah na amin’ ny Sabata, na amin’ ny voaloham-bolana, na amin’ ny fotoam-pivavahana hafa dia araka ny isany avy, sy araka ny fanao voatendry hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan’ i Jehovah.
32 このようにして彼らは会見の幕屋と聖所の務を守り、主の家の働きのためにその兄弟であるアロンの子らに仕えなければならない」。
Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin’ ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin’ ny fitoerana masìna ary ny anjara-raharahany ny amin’ ny taranak’ i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon’ i Jehovah.

< 歴代誌Ⅰ 23 >