< ゼカリヤ書 12 >

1 イスラエルにかかはるヱホバの言詞の重負 ヱホバ即ち天を舒べ地の基を置ゑ人のうちの靈魂を造る者言たまふ
Teny faminaniana avy tamin’ i Jehovah ny amin’ ny Isiraely. Hoy Jehovah, Izay mamelatra ny lanitra sy manao ny fanorenan’ ny tany ary mamorona ny fanahin’ ny olona ao anatiny:
2 視よ我ヱルサレムをしてその周圍の國民を蹌踉はする杯とならしむべしヱルサレムの攻圍まるる時是はユダにも及ばん
Indro, Izaho hanao an’ i Jerosalema ho kapoaka mampiraikiraiky ho an’ ny firenena rehetra manodidina; ary ny Joda koa hiharan’ izany ny hanaovana fahirano an’ i Jerosalema.
3 其日には我ヱルサレムをして諸の國民に對ひて重石とならしむべし之を持擧る者は大傷を受ん地上の諸國みな集りて之に攻寄べし
Ary amin’ izany andro izany Jerosalema dia hataoko vato mavesatra ho an’ ny ny firenena rehetra, ka haràtra dia haràtra izay rehetra mivesatra azy; ary ho tafangona hamely azy ny firenena rehetra amin’ ny tany.
4 ヱホバ言たまふ當日には我一切の馬を撃て駭かせその騎手を撃て狂はせん而して我ユダの家の上に我目を開き諸の國民の馬を撃て盲になすべし
Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia hamely ny soavaly amin’ ny fahaverezan-kevitra Aho, ary ny mpitaingina azy amin’ ny fahadalana, hampihiratra ny masoko amin’ ny taranak’ i Joda Aho ary hamely ny soavaly rehetra izay an’ ny firenena amin’ ny fahajambana.
5 ユダの牧伯等その心の中に謂んヱルサレムの居民はその神萬軍のヱホバに由て我力となるべしと
Ary ireo lohany amin’ ny firenen’ i Joda dia hanao anakampo hoe: Ny mponina any Jerosalema dia heriko ao amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamaniny.
6 當日には我ユダの牧伯等をして薪の下にある火盤のごとく麥束の下にある炬火のごとくならしむべし彼等は右左にむかひその周圍の國民を盡く焚んヱルサレム人はなほヱルサレムにてその本の處に居ことを得べし
Amin’ izany andro izany ireo lohany amin’ ny firenen’ i Joda dia hataoko tahaka ny fatana mirehitra eny amin’ ny hazo sy tahaka ny fanilo mirehitra eny amin’ ny amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina amin’ ny ankavanana sy ny ankavia izy; ary Jerosalema dia mbola hiorina amin’ ny fitoerany ihany, dia any Jerosalema.
7 ヱホバまづユダの幕屋を救ひたまはん是ダビデの家の榮およびヱルサレムの居民の榮のユダに勝ること無らんためたり
Ary hovonjen’ i Jehovah aloha ny lain’ ny Joda, mba tsy hisandratra ambonin’ ny Joda intsony ny voninahitry ny taranak’ i Davida sy ny voninahitry ny mponina any Jerosalema.
8 當日ヱホバ、ヱルサレムの居民を護りたまはん彼らの中の弱き者もその日にはダビデのごとくなるべしまたダビデの家は神のごとく彼らに先だつヱホバの使のごとくなるべし
Amin’ izany andro izany dia harovan’ i Jehovah ny mponina any Jerosalema; ary izay mila ho reraka ao aminy aza amin’ izany andro izany dia ho tahaka an’ i Davida; ary ny taranak’ i Davida ho tahaka an’ Andriamanitra, dia tahaka Ilay Anjelin’ i Jehovah eo anoloany.
9 その日には我ヱルサレムに攻きたる國民をことごとく滅すことを務むべし
Amin’ izany andro izany dia hitady handringana ny jentilisa rehetra izay avy hamely an’ i Jerosalema Aho.
10 我ダビデの家およびヱルサレムの居民に恩惠と祈禱の靈をそそがん彼等はその刺たりし我を仰ぎ觀獨子のため哭くがごとく之がために哭き長子のために悲しむがごとく之がために痛く悲しまん
Ary haidiko amin’ ny taranak’ i Davida sy amin’ ny mponina any Jerosalema ny fanahin’ ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy Izay nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan’ ny olona ny lahimatoany.
11 その日にはヱルサレムに大なる哀哭あらん是はメギドンの谷なるハダデリンモンに在し哀哭のごとくなるべし
Amin’ izany andro izany dia hisy fisaonana lehibe any Jerosalema toy ny fisaonana tao Hadadrimona eo amin’ ny lohasaha Megido.
12 國中の族おのおの別れ居て哀哭べし即ちダビデの族別れ居て哀哭きその妻等別れ居て哀哭きナタンの家の族別れ居て哀哭きその妻等別れ居て哀哭かん
Ary hisaona mitsitokantokana ny tany, samy isam-pianakaviana avy: ny fianakavian’ i Davida mitokana, ary ny vadin’ ireo mitokana; ny fianakavian’ i Natana mitokana, ary ny vadin’ ireo mitokana;
13 レビの家の族別れ居て哀哭きその妻等別れ居て哀哭きシメイの族別れ居て哀哭きその妻等わかれ居て哀哭かん
ny fianakavian’ ny taranak’ i Levy mitokana, ary ny vadin’ ireo mitokana; ny fianakavian’ i Simey mitokana, ary ny vadin’ ireo mitokana;
14 その他の族も凡て然りすなはち族おのおの別れ居て哀哭きその妻等別れ居て哀哭くべし
ny fianakaviana sisa rehetra mitokana isam-pianakaviana, ary ny vadin’ ireo mitokana.

< ゼカリヤ書 12 >