< 詩篇 46 >

1 神はわれらの避所また力なり なやめるときの最ちかき助なり
Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ ny Koraïta; At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ ny fahoriana Izy.
2 さればたとひ地はかはり山はうみの中央にうつるとも我儕はおそれじ
Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin’ ny ranomasina aza ny tendrombohitra,
3 よしその水はなりとどろきてさわぐとも その溢れきたるによりて山はゆるぐとも何かあらん (セラ)
Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. (Sela)
4 河ありそのながれは神のみやこをよろこばしめ至上者のすみたまふ聖所をよろこばしむ
Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanànan’ Andriamanitra, Fonena-masin’ ny Avo Indrindra.
5 神そのなかにいませば都はうごかじ 神は朝つとにこれを助けたまはん
Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro.
6 もろもろの民はさわぎたち もろもろの國はうごきたり 神その聲をいだしたまへば地はやがてとけぬ
Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany.
7 萬軍のヱホバはわれらとともなり ヤコブの神はわれらのたかき櫓なり (セラ)
Jehovah, Tompon’ ny maro, no momba antsika; Andriamanitr’ i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. (Sela)
8 きたりてヱホバの事跡をみよ ヱホバはおほくの懼るべきことを地になしたまへり
Avia, jereo ny asan’ i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany;
9 ヱホバは地のはてまでも戰闘をやめしめ弓ををり戈をたち戰車を火にてやきたまふ
Mampitsahatra ady hatramin’ ny faran’ ny tany Izy; manapaka ny tsipìka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin’ ny afo.
10 汝等しづまりて我の神たるをしれ われはもろもろの國のうちに崇められ全地にあがめらるべし
Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin’ ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin’ ny tany Aho.
11 萬軍のヱホバはわれらと偕なり ヤコブの神はわれらの高きやぐらなり (セラ)
Jehovah, Tompon’ ny maro, no momba antsika; Andriamanitr’ i Jakoba no aro ho antsika. (Sela)

< 詩篇 46 >