< 詩篇 34 >

1 われつねにヱホバを祝ひまつらんその頌詞はわが口にたえじ
Nataon’ i Davida tamin’ izy nody adala teo anatrehan’ i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an’ i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
2 わがたましひはヱホバによりて誇らん 謙だるものは之をききてよろこばん
Jehovah no reharehan’ ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay.
3 われとともにヱホバを崇めよ われらともにその名をあげたたへん
Miaraha mankalaza an’ i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.
4 われヱホバを尋ねたればヱホバわれにこたへ我をもろもろの畏懼よりたすけいだしたまへり
Mitady an’ i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ ny tahotro rehetra.
5 かれらヱホバを仰ぎのぞみて光をかうぶれり かれらの面ははぢあからむことなし
Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.
6 この苦しむもの叫びたればヱホバこれをきき そのすべての患難よりすくひいだしたまへり
Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ ny fahoriany rehetra.
7 ヱホバの使者はヱホバをおそるる者のまはりに營をつらねてこれを援く
Ny Anjelin’ i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.
8 なんぢらヱホバの恩惠ふかきを嘗ひしれ ヱホバによりたのむ者はさいはひなり
Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.
9 ヱホバの聖徒よヱホバを畏れよヱホバをおそるるものには乏しきことなければなり
Matahora an’ i Jehovah, ianareo olony masìna; fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.
10 わかき獅はともしくして饑ることあり されどヱホバをたづぬるものは嘉物にかくることあらじ
Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an’ i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
11 子よきたりて我にきけ われヱホバを畏るべきことを汝等にをしへん
Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an’ i Jehovah no hampianariko anareo.
12 福祉をみんがために生命をしたひ存へんことをこのむ者はたれぞや
Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa,
13 なんぢの舌をおさへて惡につかしめず なんぢの口唇をおさへて虚偽をいはざらしめよ
Dia arovy ny lelanao amin’ ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.
14 惡をはなれて善をおこなひ和睦をもとめて切にこのことを勉めよ
Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.
15 ヱホバの目はただしきものをかへりみ その耳はかれらの號呼にかたぶく
Ny mason’ i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
16 ヱホバの聖顔はあくをなす者にむかひてその跡を地より斷滅したまふ
Ny tavan’ i Jehovah tezitra amin’ ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin’ ny tany ny fahatsiarovana azy.
17 義者さけびたればヱホバ之をききてそのすべての患難よりたすけいだしたまへり
Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin’ ny fahoriany rehetra.
18 ヱホバは心のいたみかなしめる者にちかく在してたましひの悔頽れたるものをすくひたまふ
Akaikin’ izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
19 ただしきものは患難おほし されどヱホバはみなその中よりたすけいだしたまふ
Maro ny fahorian’ ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’ izany rehetra izany.
20 ヱホバはかれがすべての骨をまもりたまふ その一つだに折らるることなし
Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.
21 惡はあしきものをころさん 義人をにくむものは刑なはるべし
Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina.
22 ヱホバはその僕等のたましひを贖ひたまふ ヱホバに依賴むものは一人だにつみなはるることなからん
Fa Jehovah manavotra ny fanahin’ ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.

< 詩篇 34 >