< 詩篇 145 >

1 わがかみ王よわれ汝をあがめ 世かぎりなく聖名をほめまつらん
Fideran’ i Davida.
2 われ日ごとに汝をほめ世々かぎりなく聖名をはめたたへん
Hankalaza Anao isan’ andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria.
3 ヱホバは大にましませば最もほむべきかな その大なることは尋ねしることかたし
Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany.
4 この代はかの代にむかひてなんぢの事跡をほめたたへ なんぢの大能のはたらきを宣つたへん
Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin’ izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe.
5 われ汝のほまれの榮光ある稜威となんぢの奇しきみわざとを深くおもはん
Ny lazan’ ny voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko.
6 人はなんぢのおそるべき動作のいきほひをかたり 我はなんぢの大なることを宣つたへん
Ny herin’ ny asanao mahatahotra no hotenenin’ ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko.
7 かれらはなんぢの大なる惠の跡をいひいで なんぢの義をほめうたはん
Hanonona ny fahatsiarovana ny haben’ ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao.
8 ヱホバは惠ふかく憐憫みち また怒りたまふことおそく憐憫おほいなり
Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy.
9 ヱホバはよろづの者にめぐみあり そのふかき憐憫はみわざの上にあまねし
Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin’ ny asany rehetra.
10 ヱホバよ汝のすべての事跡はなんぢに感謝し なんぢの聖徒はなんぢをほめん
Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; Ary ny olonao masìna misaotra Anao.
11 かれらは御國のえいくわうをかたり汝のみちからを宣つたへて
Milaza ny voninahitry ny fanjakanao izy Sady miresaka ny herinao,
12 その大能のはたらきとそのみくにの榮光あるみいづとを人の子輩にしらすべし
Mba hampahafantarina ny zanak’ olombelona ny herinao Sy ny haben’ ny voninahitry ny fanjakanao.
13 なんぢの國はとこしへの國なり なんぢの政治はよろづ代にたゆることなし
Fanjakana mandrakizay ny fanjakanao, Ary hitatra amin’ ny taranaka fara mandimby ny fanapahanao.
14 ヱホバはすべて倒れんとする者をささへ かがむものを直くたたしめたまふ
Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo Sy mampitraka izay rehetra mitanondrika.
15 よろづのものの目はなんぢを待 なんぢは時にしたがひてかれらに糧をあたへ給ふ
Ny mason’ izao rehetra izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin’ ny fotoany.
16 なんぢ手をひらきてもろもろの生るものの願望をあかしめたまふ
Manokatra ny tananao Hianao Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra.
17 ヱホバはそのすべての途にただしく そのすべての作爲にめぐみふかし
Marina Jehovah amin’ ny lalany rehetra, Sady mamindra fo amin’ ny asany rehetra.
18 すべてヱホバをよぶもの 誠をもて之をよぶものに ヱホバは近くましますなり
Jehovah dia eo akaikin’ izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
19 ヱホバは己をおそるるものの願望をみちたらしめ その號呼をききて之をすくひたまふ
Hanefa ny irin’ izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.
20 ヱホバはおのれを愛しむものをすべて守りたまへど 惡者をことごとく滅したまはん
Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany.
21 わが口はヱホバの頌美をかたり よろづの民は世々かぎりなくそのきよき名をほめまつるべし
Ny fiderana an’ i Jehovah no hotenenin’ ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masìna mandrakizay doria.

< 詩篇 145 >