< 箴言 知恵の泉 6 >

1 我子よ汝もし朋友のために保證をなし 他人のために汝の手を拍ば
Anaka, raha niantoka ny namanao ianao Ary nandray tanana hiantoka ny hafa,
2 汝その口の言によりてわなにかかり その口の言によりてとらへらるるなり
Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao ianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao,
3 我子よ汝友の手に陷りしならば斯して自ら救へ すなはち往て自ら謙だり只管なんぢの友に求め
Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao (Satria efa mby eo an-tanan’ ny namanao ianao): Andeha mihohoka sy mifona mafy amin’ ny namanao.
4 汝の目をして睡らしむることなく 汝の眼瞼をして閉しむること勿れ
Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao.
5 かりうどの手より鹿ののがるるごとく 鳥とる者の手より鳥ののがるる如くして みづからを救へ
Afaho ny tenanao toy ny gazela miala amin’ izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin’ ny tanan’ ny mpamandrika.
6 惰者よ蟻にゆき其爲すところを觀て智慧をえよ
Mandehana any amin’ ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre;
7 蟻は首領なく有司なく君主なけれども
Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka,
8 夏のうちに食をそなへ 収穫のときに糧を斂む
Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin’ ny fararano.
9 惰者よ汝いづれの時まで臥息むや いづれの時まで睡りて起ざるや
Mandra-pahoviana no mbola handry ihany ianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin’ ny torimasonao ianao?
10 しばらく臥ししばらく睡り 手を叉きてまた片時やすむ
Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tanana kely hatory,
11 さらば汝の貧窮は盗人の如くきたり汝の缺乏は兵士の如くきたるべし
Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
12 邪曲なる人あしき人は虚偽の言をもて事を行ふ
Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy,
13 彼は眼をもて眴せし 脚をもてしらせ 指をもて示す
Izay mami-maso sy manao famantarana amin’ ny tongony Ary manao baiko amin’ ny rantsan-tànany;
14 その心に虚偽をたもち 常に惡をはかり 爭端を起す
Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady.
15 この故にその禍害にはかに來り 援助なくして立刻に敗らるべし
Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana.
16 ヱホバの憎みたまふもの六あり 否その心に嫌ひたまふもの七あり
Izao enina izao no halan’ i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana:
17 即ち驕る目いつはりをいふ舌 つみなき人の血を流す手
Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tanana mandatsa-drà marina,
18 惡き謀計をめぐらす心 すみやかに惡に趨る足
Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy,
19 詐僞をのぶる證人 および兄弟のうちに爭端をおこす者なり
Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin’ ny rahalahy.
20 我子よ汝の父の誡命を守り 汝の母の法を棄る勿れ
Anaka, tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.
21 常にこれを汝の心にむす び之をなんぢの頸に佩よ
Afatory amin’ ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao,
22 これは汝のゆくとき汝をみちびき 汝の寝るとき汝をまもり 汝の寤るとき汝とかたらん
Raha mandeha ianao, dia hitari-dalana anao ireo; Raha mandry ianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha ianao, dia hamelona eritreritra anao.
23 それ誡命は燈火なり 法は光なり 敎訓の懲治は生命の道なり
Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary lalan’ aina ny anatra famaizana,
24 これは汝をまもりて惡き婦よりまぬかれしめ 汝をたもちて淫婦の舌の諂媚にまどはされざらしめん
Hiarovana anao amin’ ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin’ ny fandroboan’ ny lelan’ ny vahiny janga.
25 その艶美を心に戀ふことなかれ その眼瞼に捕へらるること勿れ
Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin’ ny hodimasony izy.
26 それ娼妓のために人はただ僅に一撮の糧をのこすのみにいたる 又淫婦は人の尊き生命を求むるなり
Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan’ ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin’ ny vadin’ ny olona no mihaza ny aina soa.
27 人は火を懐に抱きてその衣を焚れざらんや
Mahatondra afo ao an-tratran’ akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony?
28 人は熱火を踏て其足を焚れざらんや
Misy mahadia vain’ afo va, Ka tsy ho may ny tongony?
29 その隣の妻と姦淫をおこなふ者もかくあるべし 凡て之に捫る者は罪なしとせられず
Dia toy izany izay mankamin’ ny vadin’ ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy.
30 竊む者もし饑しときに其饑を充さん爲にぬすめるならば人これを藐ぜじ
Tsy avelan’ ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza;
31 もし捕へられなばその七倍を償ひ其家の所有をことごとく出さざるべからず
Fa raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony.
32 婦と姦淫をおこなふ者は智慧なきなり 之を行ふ者はおのれの霊魂を亡し
Izay mijangajanga amin’ ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany.
33 傷と陵辱とをうけて其恥を雪ぐこと能はず
Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin’ ny tondro-molotra.
34 妒忌その夫をして忿怒をもやさしむればその怨を報ゆるときかならず寛さじ
Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin’ ny andro hamaliany.
35 いかなる贖物をも顧みず 衆多の饋物をなすともやはらがざるべし
Tsy handray vola ho enti-manalady akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza.

< 箴言 知恵の泉 6 >