< 箴言 知恵の泉 26 >

1 榮譽の愚なる者に適はざるは夏の時に雪ふり 穡收の時に雨ふるがごとし
Toy ny oram-panala amin’ ny lohataona, Ary toy ny ranonorana amin’ ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny voninahitra tsy tandrifiny ho an’ ny adala.
2 故なき詛は雀の翔り燕の飛ぶが如くにきたるものにあらず
Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany.
3 馬の爲には策あり 驢馬の爲には銜あり 愚なる者の背のために杖あり
Ny karavasy ho amin’ ny soavaly ny lamboridy ho amin’ ny boriky, Ary ny tsorakazo kosa ho amin’ ny lamosin’ ny adala.
4 愚なる者の痴にしたがひて答ふること勿れ 恐くはおのれも是と同じからん
Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa ianao.
5 愚なる者の痴にしたがひて之に答へよ 恐くは彼おのれの目に自らを智者と見ん
Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izy
6 愚なる者に托して事を言おくる者はおのれの足をきり身に害をうく
Manapaka ny tongony sady misotro loza Izay mampitondra teny ny adala.
7 跛者の足は用なし 愚なる者の口の箴もかくのごとし
Mikepikepika ny tongotry ny malemy tongotra, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ ny adala.
8 榮譽を愚なる者に與ふるは石を投石索に繋ぐが如し
Toy ny manisy vato eo amin’ ny antsamotady, Dia toy izany ny manome voninahitra ny adala.
9 愚なる者の口にたもつ箴言は酔へるものの刺ある杖を手にて擧ぐるがごとし
Toy ny tsilo eny an-tànan’ ny olona mamo, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan’ ny adala.
10 愚なる者を傭ひ流浪者を傭ふ者は すべての人を傷くる射手の如し
Ny mpiasa mahay dia mahavita ny zavatra isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny manakarama izay sendra mandalo.
11 狗のかへり來りてその吐たる物を食ふがごとく 愚なる者は重ねてその痴なる事をおこなふ
Toy ny amboa miverina amin’ ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin’ ny hadalany.
12 汝おのれの目に自らを智慧ある者とする人を見るか 彼よりも却て愚なる人に望あり
Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy.
13 惰者は途に獅あり 衢に獅ありといふ
Hoy ny malaina: Misy liona any an-dalana, Misy liona atsy an-dalambe.
14 戸の蝶鉸によりて轉るごとく惰者はその牀に輾轉す
Toy ny varavarana mihodìna amin’ ny saviliny, Dia toy izany ny kamo eo amin’ ny fandriany,
15 惰者はその手を盤にいるるも之をその口に擧ることを厭ふ
Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, Nefa ny hampakatra azy ho amin’ ny vavany dia mahasasatra azy.
16 惰者はおのれの目に自らを善く答ふる七人の者よりも智慧ありとなす
Ny kamo manao ny tenany ho hendry mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara.
17 路をよぎり自己に關りなき爭擾にたづさはる者は狗の耳をとらふる者のごとし
Izay mandalo ka mitsaraingona amin’ ny ady tsy azy Dia mandroritra amboa amin’ ny sofiny.
18 旣にその鄰を欺くことをなして我はただ戯れしのみといふ者は 火箭または鎗または死を擲つ狂人のごとし
Toy ny adala izay manely afo sy zana-tsipìka ary fahafatesana,
19 旣にその鄰を欺くことをなして我はただ戯れしのみといふ者は 火箭または鎗または死を擲つ狂人のごとし
Dia toy izany ny olona mamitaka ny namany ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko?
20 薪なければ火はきえ 人の是非をいふ者なければ爭端はやむ
Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; Ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana.
21 煨火に炭をつぎ火に薪をくぶるがごとく爭論を好む人は爭論を起す
Toy ny arina atao amin’ ny vainafo sy ny kitay hazo atao amin’ ny afo, Dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana.
22 人の是非をいふものの言はたはぶれのごとしと雖もかへつて腹の奧に入る
Ny tenin’ ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
23 温かき口唇をもちて惡き心あるは銀の滓をきせたる瓦片のごとし
Tavim-bilany misy ankosotra taim-bolafotsy ny molotra mihatsaravelatsihy sy ny fo ratsy.
24 恨むる者は口唇をもて自ら飾れども 心の衷には虚偽をいだく
Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin’ ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony;
25 彼その聲を和らかにするとも之を信ずるなかれ その心に七の憎むべき者あればなり
Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; Fa fahavetavetana fito no ao am-pony.
26 たとひ虚偽をもてその恨をかくすとも その惡は會集の中に顯はる
Ny lolompo dia miafina ao amin’ ny fitaka; Nefa ny haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso.
27 坑を掘るものは自ら之に陷らん 石を轉ばしあぐる者の上にはその石まろびかへらん
Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, Ary izay manakodiadia vato no hikodiavany kosa.
28 虚偽の舌はおのれの害す者を憎み 諂ふ口は滅亡をきたらす
Halan’ ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampidi-doza.

< 箴言 知恵の泉 26 >