< 箴言 知恵の泉 10 >

1 ソロモンの箴言 智慧ある子は父を欣ばす 愚なる子は母の憂なり
Ohabolan’ i Solomona. Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.
2 不義の財は益なし されど正義は救ひて死を脱かれしむ
Ny harena azo amin’ ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona; Fa ny fahamarinana no mamonjy amin’ ny fahafatesana.
3 ヱホバは義者の霊魂を餓ゑしめず 惡者にその欲するところを得ざらしむ
Tsy avelan’ i Jehovah ho mosarena ny fanahin’ ny marina; Fa foanany ny fanirian’ ny ratsy fanahy.
4 手をものうくして動くものは貧くなり 勤めはたらく者の手は富を得
Ho tonga malahelo ny miraviravy tanana amin’ ny asany; Fa mampanan-karena ny tanan’ ny mazoto.
5 夏のうちに斂むる者は智き子なり 収穫の時にねむる者は辱をきたす子なり
Izay manangona amin’ ny fararano no zanaka hendry; Fa izay sondrian-tory amin’ ny taom-pijinjana no zanaka mampahamenatra.
6 義者の首には福祉きたり 惡者の口は強暴を掩ふ
Fitahiana no ho ao amin’ ny lohan’ ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan’ ny ratsy fanahy.
7 義者の名は讃られ 惡者の名は腐る
Hankasitrahana ny fahatsiarovana ny marina; Fa ho lò ny anaran’ ny ratsy fanahy.
8 心の智き者は誡命を受く されど口の頑愚なる者は滅さる
Izay hendry am-po no handray ny didy; Fa ho lavo ny adala maro vava.
9 直くあゆむ者はそのあゆむこと安し されどその途を曲ぐる者は知らるべし
Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky; Fa izay maniasia amin’ ny alehany dia fantatra.
10 眼をもて眴せする者は憂をおこし 口の頑愚なる者は亡さる
Izay mami-maso manome alahelo; Fa ho lavo ny adala maro vava.
11 義者の口は生命の泉なり 惡者の口は強暴を掩ふ
Loharanon’ aina ny vavan’ ny marina; Fa loza no mandrakotra ny vavan’ ny ratsy fanahy.
12 怨恨は爭端をおこし 愛はすべての愆を掩ふ
Ny fankahalana dia manetsika ady; Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.
13 哲者のくちびるには智慧あり 智慧なき者の背のためには鞭あり
Amin’ ny molotry ny manan-tsaina no ahitam-pahendrena; Fa tsorakazo no ho amin’ ny lamosin’ ny tsy ampy saina.
14 智慧ある者は知識をたくはふ 愚かなる者の口はいまにも滅亡をきたらす
Ny hendry mirakitra fahalalana; Fa ny vavan’ ny adala eo akaikin’ ny fandringanana.
15 富者の資財はその堅き城なり 貧者のともしきはそのほろびなり
Ny haren’ ny manan-karena no vohiny mafy; Fa ny tsi-fananan’ ny ory no fandringanana azy.
16 義者が動作は生命にいたり 惡者の利得は罪にいたる
Ho fiainana ny asan’ ny marina; Fa ho ota ny fitomboan’ ny haren’ ny ratsy fanahy.
17 敎をまもる者は生命の道にあり懲戒をすつる者はあやまりにおちいる
Izay mino anatra dia ho tonga eo amin’ ny lalan’ ny fiainana; Fa mivily izay mandà anatra.
18 怨をかくす者には虚偽のくちびるあり 誹謗をいだす者は愚かなる者なり
Izay mitahiry lolompo dia manana molotra mandainga, Ary izay mampiely endrikendrika dia adala.
19 言おほけれぼ罪なきことあたはず その口唇を禁むるものは智慧あり
Ny teny maro tsy ilaozan’ izay ota; Fa izay mahatana ny molony no hendry.
20 義者の舌は精銀のごとし 惡者の心は値すくなし
Volafotsy voafantina ny lelan’ ny marina; Fa ny fon’ ny ratsy fanahy tsy misy vidiny.
21 義者の口唇はおほくの人をやしなひ 愚なる者は智慧なきに由て死ぬ
Ny molotry ny marina mamelona ny maro; Fa maty ny adala noho ny tsi-fananany fahalalana.
22 ヱホバの祝福は人を富す 人の勞苦はこれに加ふるところなし
Ny fitahian’ i Jehovah no mampanan-karena, Ary tsy azon’ ny fisasarana ampiana izany.
23 愚かなる者は惡をなすを戯れごとのごとくす 智慧のさとかる人にとりても是のごとし
Toa laolaon’ ny adala ny fanaovan-dratsy Fa raha ny manan-tsaina, dia fahendrena kosa.
24 惡者の怖るるところは自己にきたり 義者のねがふところはあたへらる
Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin’ ny marina no homena azy.
25 狂風のすぐるとき惡者は無に歸せん 義者は窮なくたもつ基のごとし
Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay.
26 惰る者のこれを遣すものに於るは酢の歯に於るが如く煙の目に於るが如し
Toy ny vinaingitra amin’ ny nify sy ny setroka amin’ ny maso. Dia mba toy izany koa ny malaina amin’ izay maniraka azy.
27 ヱホバを畏るることは人の日を多くす されど惡者の年はちぢめらる
Ny fahatahorana an’ i Jehovah no mahela velona; Fa ny taonan’ ny ratsy fanahy hohafohezina.
28 義者の望は喜悦にいたり惡者の望は絶べし
Ny fanantenan’ ny marina dia fifaliana; Fa ny fanantenan’ ny ratsy fanahy ho foana.
29 ヱホバの途は直者の城となり 惡を行ふものの滅亡となる
Ny lalan’ i Jehovah dia fiarovana mafy ho an’ izay tsy misy tsiny, Fa fandringanana kosa ho an’ ny mpanao ratsy.
30 義者は何時までも動かされず 惡者は地に住むことを得じ
Ny marina tsy hangozohozo mandrakizay; Fa ny ratsy fanahy tsy honina amin’ ny tany.
31 義者の口は智慧をいだすなり 虚偽の舌は抜るべし
Eo amin’ ny vavan’ ny marina no itsimohan’ ny fahendrena; Fa ny lela fandainga hofongorana.
32 義者のくちびるは喜ばるべきことをわきまへ 惡者の口はいつはりを語る
Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana; Fa ny vavan’ ny ratsy fanahy dia feno fitaka.

< 箴言 知恵の泉 10 >